MANDEHANA hoy ny Tompo. Izay no hafatra nomena androany. Mandehana mitory ny Vaovao Mahafaly ho an’ny olona rehetra. Aza matahotra fa momba anao ny Tompo. Any amin’ny toerana tsy ampoizinao any dia misy olona mandray anao. Manome hanina ary mampitafy. Ny Tompo no mialoha lalana anao. Tsy irery ianao fa ny Tompo no miaraka aminao. Eny, misy koa ny olona izay hiaraka aminao. Matoky amin’ny fiaraha-miasa. Hazava anie ny lalana hizoranao, na hiampita-dranomasina aza, na hamakivaky ala, na hiakatra tendrombohitra. Misy miandry ny Teny ho entinao any amin’ny tany izay vaovao ho anao. Tsarovy anefa fa tsy tompon’ny asa ianao. Fa Andriamanitra irery. Mahereza fa efa voatsodrano ianao.

————————-

Prions avec les chrétiens de Costa Rica, du Nicaragua, du Panama, du Salvador