ENY Tompo ô, amin’ny alalan’ny Teninao dia faly izahay mihaino Anao. Indraindray mety hadinonay izany ka mamela anay. N’aiza n’aiza dia miteny aminay Ianao, ary tsy renay satria variana amin’ny zavatra hafa izahay.

Sokafy ny fo sy ny saina ary ny fanahinay hahazonay ho resy lahatra fa manatona anay sy miteny aminay Ianao.

Eny Tompo ô, fa na dia ao anatin’ny fahasahiranana aza izahay dia mampianara anay handre sy hihaino Anao. Indrindra koa rehefa ao anatin’ny fifaliana satria ny Fanahinao no mitondra anay ho amin’ny filaminana.

Mibitsika mandrakariva eo an-tsofinay Ianao araka izay fotoana mahamety izany. Mino izahay fa manatanteraka izany Ianao ary mampianatra anay ho amin’ny fihainona ny Teninao isan’andro.

Mitenene Tompo fa mihaino ny mpanomponao.

Amena.