Hiditra ny tananan’i Jerosalema ny Tompo Jesosy. Tsotra ny safidy hanatanterahany izany. Mipetraka eo ambon’ny zana-boriky izy. Biby tsy tia mihazakazaka firy no fohifohy.Mora amin’ny olona mitaingina azy  ny miresaka mivantana amin’ny mpanaraka azy satria zara raha misy elanelana.  Ny sofin’ilay boriky dia lava sy lehibe ary mahitsy ka heverina fa manongilan-tsofina hatrany. Izany hoe raha misy feo henony ka mety hampitera-doza dia izy no mahalala mialoha. Tena mailo. Tsy mila mpitsopitsiny. Saingy ny vahoaka no tsy naharitra tamin’ny  fampisehoana ny fifaliany. Hany ka nanao lalana ho an’i Jesosy ary namelatra ny akanjon’izy ireo teo an-dalambe. Ny teny an-kodiny no nomeny.Ny fananany. Eo no handeha ilay zanaboriky mitondra an’i Jesosy. Tsy hita loatra raha sendra ka ratsy ny lalana. Fa mamirapiratra sy mampifaly noho ireto akanjo mivelatra amin’ny loko isakarazany. Mamboraka ny fitiavana an’i Jesosy ny mpanaraka azy. Iza no hanome ny akanjony fotsiny amin’izao ho voahitsaky ny biby  raha tsy misy fitiavana sy fankasitrahana ao am-pon’ny olona. Raha mpanjaka no tonga mitsidika tanana iray dia soavaly  no efa nomanina ho azy. Ary karpetra no velarina handraisana azy. Fankalazana an’Andriamanitra no nasandratry ny vahoaka mpianatra marobe satria nanana fanantenana lehibe amin’ity olona hiditra ao Jerosalema ity izy ireo. Toy izao ny fiderana « Isaorana anie ny mpanjaka izay avy amin’ny anaran’ny Tompo Andriamanitra ».


Amin’ny fotoana tahaka ireny dia tsy maintsy misy ny tsy mankasitraka . Tao ireo Fariseo nanao kina hoe : « Mpampianatra ô ! rarao ny mpianatrao hangina ». Fa Jesosy namaly hoe «  Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo dia ny vato no hiantsoantso ».

Mahagaga fa na ny Fariseo aza dia nanaiky azy ho mpampianatra. Izany hoe: olona manam-pahaizana ary mampita hevitra ka atahorany indrindra amin’izao fotoana izao. Marobe mantsy ny hevitra tsy hitovizan’ny Jesosy sy ny Fariseo.

Ny valin-teny nataony Jesosy koa dia manizinginzina fa tsy misy mahasakana ny teny izay lazaina. Ka na tsy ho afaka miteny aza ireo mpianatra dia ny vato no hanatanteraka izany. Manamafy amintsika izany fa mivelatra ny Tenin’Andriamanitra izay re ny sofina. Manazava ny saina ary mandrombona ka izay maharay azy dia mamafy indray. Tsy mety maty ny teny fa velona hatrany.

Izany no hitandremana tsara ny teny izay avoakan’ny vava mba tsy ho ratsy fa soa lalandava hitondra fiadanana ho an’izay mahare izany. Fa inona moa ny vokatry ny teny ratsy atao fa tsy alahelo sy korontana ary ady. Izay no fadina : ny ozona atao amin’ny olon-kafa, eny fa na dia heverina ho fahavalo aza izy. Mahasolafaka ilay manozona mantsy ny teny avoakany noho izy voafatotra amin’izany teny izany izay tsy voafihiny intsony am-pony.

Amin’izao fotoana sarotra izao no handrenesana teny isakarazany izay mampiroaroa ny saina. Ka mitarika ny maro ho amin’ny fifankahalana. Ary mitaky amintsika ny Tenin’Andriamanitra hanova ny fomba fisainana sy fiteny ho teny ankahasitrahan’Andriamanitra.Tsy lany vola ny olona raha manao izany satria atao am-pitiavana ary ny fitiavana tsy voavidin’ny vola. Matoa niroso ho any Jerosalema Jesosy dia iny no  lalana hizorany hamonjeny ny olombelona. Ny tsitrairay tsy hankanavaka satria lehibe ny fitiavany antsika ka nanolotra ny ainy Izy ary efa notanterahany izany. Isaorana anie ny Tompo !