DIA indro aina vao

Izay natory ela tao

No injao nitraotra foana

Tao anaty zava-poana

Dia nanerana ny tany

Sy nanala ny tomany

Ka hatramin’ny hazo nianjaka

Fa niseho ho natanjaka

Niady tamin’ny ririnina

Nefa tsy nahavita inona

No indro koa nahazo hery

Ka nanomboka nampiery

Ireo taolana tavela

Tamin’ny ady naharitra ela.

Fa ny aina izay ho ahy

Hampitraka ny fanahy

Dia avy Aminao ry Ray

Aina hanangana indray.

Ka ny rombakin’ny fasana

Dia ho foana sy ho lasana

Amena

Hivavaka koa ho an’ny mponina an’ny Cambodge, Laos ary Vietnam isika