Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy.

Andeha hampahatsiaro vehivavy  samy nanao ny ainy tsy ho zavatra  teto amin’ny firenena malagasy. Ny vehivavy mantsy anisan’ny antoka hisin’izao tontolo izao sy ny ho aviny.

Fantatrao ireo Mpanjakavavy telo malagasy nitondra ny anarana Ranavalona ? Samy malaza  ho tia tanindrazana izy ireo.

Ny voalohany : Ranavalona Voalohany na Ranavalona Reniny. Nampiaiky  tamin’ny fanoherana ny vazaha izy, ka tsy nasiany avakavaka na dia ny misionera aza. Tsy vitsy no nihevitra azy ho mpanjaka tia tanindrazana indrindra. Satria niezaka izy hanohitra azy ireo noho ny fiheverany fa nanimba ny soa toavina malagasy sy ny kanto  malagasy izy ireo. Izany no anisan’ny antony nilazan’ny maro azy ho ny Mpanjaka tia tanindrazana, indrindra ireo vahiny. Saingy  nampalahelo kosa fa  naripany  izay malagasy  tsy mitovy hevitra taminy, toa ny kristiana.

Ny faharoa : Ranavalona fahatelo. Izy no mpanjaka nifanandrina mivantana tamin’ny vazaha. Efa nandresy ny vazaha tany Toamasina izy. Saingy noho ny hery tsy mitovy dia resy ihany tato aoriana.

Ny fahatelo : Ranavalona faharoa. Nilaza ny mpahay tantara  fa Mpanjaka tsotra sady tsy tia sehoseho loatra izy. Tsy nisy nanantena zava-dehibe taminy. Hany  ka toa lasan’izy mianaka voalaza ery aloha ny laza. Tsy dia resahina firy izy io. Fa rehefa dinihina sy arahina ny zava-bitany dia nahefa zavatra goavana nampisongadina ny firenena Ranavalona faharoa.

Tsy nanohitra nivantana ny vazaha izy fa nohezahany ny fifandraisana tamin’izy ireo  mba hitondra fanavaozana ho ani’ Madagasikara. Anisan’ny fahaiza-mitondra izany.  Andeha ho hampahatsiahivina ireo  zava-bita marobe tamin’ny androny :

  • Nodorany ny sampy. Taminy tsy soa toavina tokony ho tazonina izany fa fandrebirebena ny malagasy ihany.
  • Nofoanany ny tsena alahady. Noheveriny fa tsy noho ny maha-kristiana azy ihany no nanaovany izany fa mila koa fiala-tsasatra koa ny olona.
  • Noforoniny ny Sakaizam-bohitra izay mahasolo ny polisy sy ny zandarma amin’izao fotoana izao satria nilaina izany ho an’ny fandriampahaleman’ny
  • Noforonina ny ministera Valo toko izay nampitovy an’i Madagasikara tamin’ny firenena mandroso tamin’izany fotoana izany.
  • Nalamina ny Tafika. Tsy fampandrian-tany ihany no nilana izany fa efa nananontanina koa ny ady amin’ny Frantsay .
  • Narindra koa ny Fitsarana mba ho tonga hatokisan’ny olona
  • Tsy adinony koa ny momba ny Sekoly fa iantoka ny fandrosoan’ny firenena izany aoriana izany .
  • Nojerena akaiky ny momba ny fitsaboana. Ka tsy ny mpisikidy sy ny mpanao hatsarana irery intsony no nikarakara ny momba ny fahasalamana.
  • Farany dia nafahana ny masombika na ny andevo.

Tsy ny hifanandrina mivantana tamin’ny vazaha no nahamaika an’i Ranavalona faharoa fa ny fampandrosoana indrindra an’i Madagasikara. Nohezahany ary ny fifandraisana tamin’ny vazaha hijerena izay mety sy tsara nentiny sy hanamboarana izay mety eto Madagasikara.

Nofintinina ny zavatra voalaza eto fa manana andraikitra amin’ny fampitana ny tantaran’ny firenena ny vehivavy.  Samia manatanteraka izany. Mahereza e !