ISAORAKO ny Tompo Andriamanitra mitahy sy mitsinjo ny tany rehetra. Eny sambatra izay mametraka ny fiainany eo am-pelatanany ary matoky Azy. Inona moa no fifalian’ny olombelona raha mihataka amin’Andriamanitra izy. Tsy misy fifaliana fa sento sy alahelo no mameno ny sainy sy ny fony.

Isaorako ny Tompo Andriamanitra fa na dia mandalo ady sarotra ny firenena maro dia azo tsapaintanana fa mitoetra ao amin’ireo firenena ireo ihany Andriamanitra. Saingy hadinon’ny sasany noho ny fahantrana ka mitady izay ho solon’Andriamanitra. Any ka mibahana ao an-tsaina ny fitadiavana harena sy ny fitiavan-tena ho an’ny sasany.

Isaorako ny Tompo Andriamanitra fa ho an’izay reraka sy osa dia manome toky Izy fa ny Teniny izay toa ny mofon’aina dia mamelona ary mampitraka. Mankanesa aty Amiko hoy Jesosy Kristy , fa Izaho hanome anareo fitsaharana.

Eny Tompô, misaotra Anao fa hainao tokoa ny mampijoro ny olona rehetra izay miantso vonjy. Fantatrao mialoha izay mahasoa anay. Ka mampianara anay hahatsiaro mandrakariva fa ny fitiavana Anao no voalohany, ny fitiavana ny namana no faharoa, ary nampianao ny hoe : tiava ny fahavalonao.

Ampio ny olona rehetra Tompo, na aiza na aiza misy azy mba hahatanteraka izany fa sarotra ny hafatra napetrakao . Eny fa na dia ny kristianina aza dia mety manadino izany. Tsy mora ny manaraka ny hafatrao.

Isaorako Ianao ry Tompo Andriamanitra noho ny soa rehetra nataonao tamiko. Ary ny lalan-tsarotra dia natao hampandroso ahy hahatsiarovako fa tsy manadino ahy Ianao ary tsy manadino ny olona rehetra eto an-tany.

Misaotra Tompo fa mitahy ny Teninao rehetra izay hafafy androany.

Prions en communion avec les chrétiens des Comores, de Madagascar, des Maldives, de Maurice, des Seychelles, des îles de l’Océan Indien