ANDRO voalohany

Variana aho amin’ny fitantarana ny famoronana ny tany.

Nahay tokoa Ilay nahatanteraka izany.

Niova endrika ny tany, Teny fotsiny no nahatonga izany.

Inona no nifangaroharo tao ka saika tsy fantatra ny tany.

Nitsoka malefaka ny teny sa nivatravatra ?

Nitranga ny mazava Nipoitra ny aizina . Ny mazava tiana hoatonina ? Ny aizina tiana handosirana ? Aizina ao ambadiky ny mazava. Toa tsy afafa-misaraka ireo. Mahagaga. Ilaina eo amin’ny tontolo iainana.

Firy andro no lany. Andro voalohany tokoa ve ? Sa andro iray ?

Mbola tsy takatry ny olombelona ny fitanisana izany. Indro tany tsara no nomanina omen’Andriamanitra an-dRaolombelona .

Ka samia mikojakoja ary. Ny tany ho fahasambarana ho an’ny rehetra.

Prions avec les chrétiens de l’Angola, de la Mozambique