TOMPO ô

Mivavaka Aminao aho

Tsy mitsa-mitalaho

Hahazoanay matsiaro

Fa Hianao no miaro

An’i Madagasikara,

Dia hivalona ho tantara

Irony fahoriana tazana

Sy ny jaly fahizay

Tamin’irony andro ngazana.

Omeo anay saina hendry

Hahazoanay mikendry

Izay hahasoa ny taninay

Ka tsy ao am-po intsony

Ny efitry ny fisarahana

Fa mba ho fanahy ambony

Fanahy azonao tapahina

No hanjaka hatrany hatrany

Sy ho hita eto an-tany.

Ary izao omeo anay

Fahafahana tanteraka

Hahazoan’ny hafaliana

Ao am-po maniteraka

Andro lava mikoriana

Tsy hahitana fijaliana.

Ary hoy ny fanirina

Izay tsaroana koa entona

Enga tsy ho vahiny ihany

No hanjaka eto hatrany

Amin’ity taninay

Lova tamin’ny razanay.

Amena

Hivavaka koa isika ho an’ny mponina any Chine Taïwan ary Tibet