ANDRIAMANITRA be fitiavana Ianao. Miaro sy mitantana ny madinika, ny mahantra ary ireo izay henjehin’ny fahavalo. Eny, maro no mikorontan-tsaina sy fanahy. Hakivina no mameno raha vao mifoha maraina. Koa mamela heloka fa mila tsy hiantso ny anaranao Tompo ô !

Andriamanitra be famindram-po Ianao. Tsy ho hadinoko fa eo anilako mandrakariva Ianao. Na dia maro aza no mahatsiaro mangirifiry noho ny onjam-piainana dia inoako fa mbola tia azy ireny Ianao tahaka ny itiavanao ahy.

Akambako miaraka amin’ireo kristiana ao Algérie, Lybie, Maroc, Tunisie ny vavaka asandratro androany.