AMPIO aho Tompo ô mba tsy hisalasala fa Ianao tokoa Ilay Zanak’Andriamanitra tonga tety an-tany nitondra famonjena ho anay. Eny fa na dia maty teo amin’ny hazo fijaliana aza Ianao dia velona indray ary safononoka ny hafalianay. Manampia anay mba tsy hangozohozo fa sarotra ny dia indraindray. Misaotra Tompo Jesosy.

Miombona vavaka miaraka amin’ireo kristiana ao Congo, Gabon, Sao Tomé ary Principe.