ENY tokoa, Tompo ô ! Efa tonga teto an-tany Ianao fahiny elabe. Tianao mantsy ny olombelona ka tsy nandà ny nanirahin’ny Rainao ny hiaraka aminay Ianao. Satrinay ho Noely isan’andro ny fiainanay. Fisaorana Anao sy fialiana no atao sesy lany….

Eny tokoa, Tompo ô ! Isan’andro dia Noely handresena izay mety hitondra ho amin’ny fahafatesana, ary tsy maty ilay fahateraham-baovao ao am-ponay. Mampahereza anay lalandava.

Eny tokoa, Tompo ô ! Noelim-pahatokisana fa na ao aza ny ahiahy sy ny fahasahiranana dia manatona anay Ianao ary mitantana ny dianay. Noelim-pamonjena satria navotanao izahay.

Eny tokoa Tompo ô ! Noelim-pitiavana satria tsy manadino anay Ianao amin’ny fotoana rehetra. Tarihinao amin’izany làlam-pitiavana izany isan’andro izahay na dia tsy tanterakay aza. Koa mamela anay.

Eny tokoa Tompo ô ! Noelim-panajana hahatsiarovana fa ny olona rehetra dia mitovy avokoa. Ny fifanajana no hiteraka fihavanana, fifampian-tranona, filaminana . Tsy fanajana ny ray aman-dreny ihany, na ny zanaka, fa izay rehetra mifanerasera aminay.Teny feno fanajana no aloaky ny vava rehefa tafahoana na dia tsy mitovy aza ny eritreritra.

Eny tokoa Tompo ô ! Noelim-pihaonana sy fifaliana ka tsy hisy hahatsiaro fa irery izy. Noelim-panomezana izay tsara indrindra ho an’Andriamanitra dia ny tena sy ny fo ary ny saina.

Eny tokoa, Tompo ô ! Noelim-pilaminana ka hitady vaha-olana hamelarana ny fandriampalemana ho an’izao tontolo izao

Noely feno tsiky satria tonga soa teto an-tany Ianao Tompo.

Manasa antsika ny kristiana ao Ghana sy Nigéria hiara-mivavaka amintsika rehetra.