TOMPO ô !

Ampio aho hanambara

Fa ny nihavianao

Tamin’izao tontolo izao

Dia tsy angano na tantara.

Ny sedra hitanao tety

Ampio aho mba hilaza

Fa tsy zavatra sahaza

Nefa tena mafy ery.

Ny fahantrana nianjady

Ho lazaiko ihany koa

Fa tsy nanam-paharoa

Nefa dia isan’ireo ady

Nisy tamin’ny fiainanao

Hahatonga ahy koa

Mba ho ampoky ny soa

Koa tsy hanadino Anao.

Ny ra namonto intony tava

Nisy tao Getsemané

Tsy ho hadinoko anie

Fa ho tsaroko lalandava.

Misy zavatra hafa koa

Niseho tao Gologota

Natao toy ny mpanota

Hianao ry Tompo soa.

Noho izany raha ilaina

Tereo aho mba hamerina

Ary koa iala nenina

Hitory sy hikely aina.

Hahatonga ny rehetra

Ho Anao tsy misy fetra.

Amena

Hivavaka isika ho an’ny olona any Andore, Autriche, Liechtenstein, Monaco, Saint Martin, ary Suisse.