Marka 1 : 1-8

HO avy ny Tompo. Izay no vaovao lehibe manakoako eran-tany. Eny fa na dia tamin’ny andron’i Isaia mpaminany aza dia nalaza izany vaovao izany. Any an-efitra no haharenesana feo mihika hoe “Amboary ny lalan’ny Tompo. Ataovy mahitsy ny lalàn-kalehany (Isaia 43:3).

Ny tantaran’ny fiandohan’ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy no maresaka eto amin’ity toko voalohany ity. Tsy mba voalaza eto ny fahaterahany sy ny momba ny ray aman-dreniny. Rehefa zohina ny tantara dia efa tena tovolahy vonona ny hiasa i Jesosy ato amin’ny bokin’i Marka.

Jaona Mpanao Batisa kosa dia natao hisava ny làlany. Io Jaona io no farany amin’ny mpaminany ary mamatotra ny tantaran’ny testamenta taloha sy ny testamenta vaovao. Jaona mpanao Batisa dia nanao asa lehibe teo amin’ny toerana nisy azy. Nahavory vahoaka maro izy, izay nihaino sy nanaraka azy. Marobe ny olona nibebaka ary niova fo. Niala tamin’ny toetra sy ny faharatsim-panahy tsy mendrika izay mifanohitra amin’ny Filazantsara. Fivoarana lehibe sy fandrosoana eo amin’ny samy mpivavaka sy ny mpiara-monina no naterak’izany. Ny fibebahana dia fiverenana tanteraka amin’Andriamanitra. Miala amin’ny sampy kely rehetra izay nametrahana ny fiainana sy niankohofana. Inona moa ny fifaliana lehibe mihoatra ho an’ny olombelona : dia ny fahafantarana ny hoe “voavela heloka”. Raha samy olombelona izao fotsiny no mifamela dia efa dingana izany ary fahasambarana ho an’ny roa tonta. Mainka fa Andriamamnitra nahary tongotra aman-tanana no mamela. Tsarovana fa ny batisa dia mariky ny fanadiovana noho ny asan’ny rano na inona na inona endrika hanaovana ny batisa. Misy ireo izay haroboka tanteraka ny tenan’ilay olona ao anaty rano . Misy ireo izay afafy na hametrahana rano eo an-dohany . Nefa ny heviny dia mitovy. Maty miaraka amin’ny Tompo, ary velona miaraka Aminy. Ao anatin’ny indray mipy maso dia tanteraka izany. Ho an’ny kristiana dia manana ny toerany ao amin’ny Fiangonana izay vita batisa na aiza na aiza misy azy. Ary tsy misy mahahaisotra izany aminy.Izany tsy milaza fa raha tsy vita batisa dia tsy mahazo ny Famonjena.

Jaona Mpanao Batisa dia nanana fitafy mahavariana. : “lamba volon-drameva, ary fehin-kibo hoditra no teny am-balahany.” Ny rameva dia biby lehibe, mijajirika tsara ary tsy miafina. Eny lavitra eny dia efa tazana i Jaona amin’izato fitafy hafa noho ny an’ny rehetra. Mifantoka any aminy daholo ny mason’ny olona, ary dia manatona azy ny vahoaka. Ny fehin-kibo dia natao hitazonana ny valahana. Mba hijoro tsara ny mitondra azy. Izany hoe olona tena matanjaka io Jaona Mpanao Batisa io ary mijoro marina amin’ny asa nanirahan’Andriamanitra azy. Na dia nahefa tsara ny asany aza izy dia marihiny ihany fa tsy tanteraka izany satria ny batisa nataony dia tamin’ny rano. Fa ho avy ilay hanao batisa amin’ny Fanahy Masina ho izy. Izany hoe : “feno tanteraka ny Fanahy ny olona rehefa mandray an’i Jesosy Kristy.”

Ankehitriny dia mbola mitohy ny feo miantso any an-efitra. Misavorovoro izao tontolo izao, ka mila tsy ho re ny antso ataon’ny mpitory. Ao ny zavatra maro manintona ny saina toy ny fahita lavitra. Maro ny lany andro eo am-pijerena azy. Toa ohatrin’ny voan’ny zava-mahadomelina ka tsy mahahetsika fa midanaka eo, ary miary tory aza amin’ny alina. Ao koa ny fisotroana ny zava-mahamamo. Maro no te hiala fa tsy afaka. Misy mihevitra fa io no anisan’ny marika milaza fa olona mihaja izy. Saingy indrisy maro ny mivaro lavo. Toa mila tsy ho hita izay fanafodiny. Tahaka izany koa ny fifohana sigara, toa lasa lamody ho an’ny sasany. Na mifoka na misotro dia hahodina amin’ny hoe : mba hanarina dia re ! Maro ny zavatra mikintaotaona toy ireny, ilaina halamina sy haetry. Satria ny làlana handehanan’ny Tompo, dia ny ao anatin’ny fon’ny olombelona. Atao ahoana moa no hidirany ao raha feno zavatra mampadositra Azy ao. Fanoharana ihany izany. Mbola miandry eo am-baravarana ny Tompo.

Tonga ny fety izao ary dia ao ny tsy manan-tsaina afatsy ny hividy kilalao, sy haingo ary ny hihinan-kanina. Tsy misy mahadiso izany fa rehefa diso tafahoatra ny amin’ny fandaniana dia mifanohitra kosa amin’ny Filazantsara izany.

Fa hoy Jaona Mpanao Batisa “Izaho efa nanao batisa anareo tamin’ny rano, fa Izy kosa anao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina ”.

Eny ny Fanahy Masina ao antintsika no mahatonga antsika hanana fiainana vaovao ka hahagaga ny manodidina.

Ny Fanahy Masina no mampitraka hahazona mijoro ho vavolombelona hitory ny Filazantsara amin’ny fomba samihafa. Ao izay nianatra sy nandalina ny Soratra Masina, ka tsy hirehareha amin’izany fa hahay hampianatra izay mifanerasera aminy kosa. Ao ny olon-tsotra, izay ampin’ny Fanahin’Andriamanitra mba hanatanteraka ny asany amin’ny alalan’ny talentany. Ny mpitaiza ny ankizy dia hahatsiaro fa ny ankizy rehetra eo antrehany dia manana anjara amin’ny Fitiavan’Andriamanitra daholo. Ny tompon’andraikitra amin’ny fitaizana ny tanora izay mahatsiaro fa adidy sarotra izany dia omen’ny Fanahy toro-hevitra hahazony manatanteraka ny asa nekeny. Toy izany koa ny ray aman-dreny izay manaiky ny ho feno ny Fanahy Masina dia hahita làlana ny amin’ny fitaizana ao an-tokan-trano. Izay rehetra velon’ny Fanahy dia hahay mizara ho an’ny hafa. Maharesy ny fitiavan-tena, sy ny fitsaratsarana ny hafa. Mahay mampahery ny mpirahalahy ao amin’ny Tompo. Eny fa na dia izay tsy ao anatin’ny Fiangonana aza sy ny hafa finoana. Hijery sy hanatona ny hafa amin’ny fitiavana sy ny fahatsorana. Ary afaka hiara-mivavaka sy miray latabatra rehefa tonga ny Fanasan’ny Tompo.

Mety hisy hahatsiaro ho malemy ka mihevitra fa tsy hahatratra izany. Eny, tsy azo atao ny misehoseho. Fa mangataka kosa ny hanampin’Andriamanitra mba hahatomombana ny asa. Izy no mitari-dàlana hahatontosa izany. Ka na dia sarotra aza ny làlana dia matokia satria ny Tompo efa nanome ny Fanahy Masina ho anao.

Raha ny sitrapotsika dia ny tsy hisy disadisa eo amin’ny fiainana. Kanefa dia hita fa misisika eo amin’ny olombelona izany. Ny fanapahan-kevitra fa ny fiainantsika dia tsy antsika fa an’Andriamanitra. Ka raha te-hanaraka Azy isika dia mila fitsipika ka miezaka ho amin’ny tsara. Manadio ny fo izay levon’ny fahatezerana sy ny alahelo ary ny lolom-po. Ka ho fo vaovao mahay mandray ny hafa, sy manatona ny hafa . Azonao handramana izany raha tianao. fa raha mbola tsy nanao izany ianao dia tsy hahita fifaliana fa anjomotra lalandava. Ary ho ketraka mandrakariva. Nefa maimaim-poana ny fanomezan’Andriamanitra ny Fanahiny hampahery anao. Na ao an-trano, na eny amin’ny arabe, na any am-pianarana, na any am-piasana, na any am-pialan-tsasatra, na eo am-pandriana noho ny tsy fahasalamana dia tsy manary anao ny Tompo. Fa miara-dàlana aminao mandrakariva Izy. Izy no miaro sy mitantana anao satria tia anao Izy. Hitahy anao ny Fanahy Masina. Amena