Azo vakina Samoela II toko 7 and.1-16 ary Romana 16 and.25-27

Lioka 1 : 26-38

MALAZA eo amin’ny tantaran’ny famonjena ireto vehivavy roa ireto : Maria sy Elizabeta izay mpihavana rahateo. Elizabeta moa dia ho renin’i Jaona, ary i Maria ho renin’i Jesosy.

Fomban’ny mpanoratra ny miezaka manazava ny tantara amin’ny alalan’ny resaka ataon’ireo olona izay voakasik’izany : ny anjely ary Elizabeta sy Maria.

Vaovao tsy nampoizina no voalazan’ny anjely. Hitoe-zaza i Maria izay vao hiditra ao amin’ny fahatanorany. Fohy dia fohy mantsy ny taona nahaveloman’ny olona tamin’izany fotoana izany. Tsy nanana safidy koa i Maria tamin’ny resaka nifanaovany tamin’ny anjely. Zazavavy tena tsotra ary tsy nanao olakolaka. Nino izy fa ny teny nentin’ny anjely dia avy amin’Andriamanitra tokoa. Tena natoky izay zavatra voalaza, eny fa na dia mikasika ny ho aviny sy ny toka-tranony aza izany. Araka ny voalazan’ny anjely andininy fa-28 : “ny Tompo momba anao”. Misy ohatrin’izany indray ve ? Tsy mahagaga izany teny izany satria izay rehetra nantsoina sy nofidin’Andriamanitra hanatanteraka ny sitrapony dia nombany. Izany tsy milaza fa hoe ny hafa tsy hombany. Ny tiana ho lazaina eto dia ny olombelona mila mahare izany teny fampahatokisana izany fa miaraka aminy lalandava Andriamanitra. Tsarovy ny tantaran’i Abrahama ao amin’ny Genesisy toko faha 12. Tahaka izany koa i Samoela ao amin’ny toko faha:3 andininy fa- 19 : “ary nitombo Samoela, sady nomba azy Andriamanitra…”. Na ny Salamo 121 andininy faha-8 : “Andriamanitra hiaro anao, na mivoaka na miditra, hatramin’izao ka ho mandrakizay.”

Marobe ireo vavolombelona ao amin’ny Soratra Masina sy ao ivelany koa taty aoriana nitantara ny fahatokisany an’Andriamanitra. Ankehitriny koa dia mbola te hiaina amin’izany ny kristiana. Nefa indraindray dia toa mihozongozona ny fahatokisana sy ny fanarahana an’Andriamanitra. Zavatra mety mitranga izany. Ary tena mitranga tokoa.

Eo amin’ny fiaraha-monina fotsiny raha tsy mifam-pahatoky dia misavorivory izao tontolo izao. Simba ny fihavanana sy ny fifandraisana, mampanahy daholo ny varotra sy ny asa atao. Mety hanao an-kinafina ny zavatra atao ary hanjaka ka izay mahery ara-bava sy ara pitaovana isakarazany no haharesy. Ary raha tafita amin’izay irina dia milaza hoe : tena nanam-bitana iny olona iny.

Fa saingy ilay fahatokisana an’Andriamanitra dia hafa kely.

Voalohany dia tsy hitan’ny maso Izy. Ny Soratra Masina no hahafantarantsika Azy.

Faharoa tsy misy afaka maka ny toerany ka milaza hoe : Izao re no lazain’Andriamanitra aminao.

Fahatelo, io Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy io dia mahay miresaka amin’ny tsirairay amin’ny fomba tsy takatry ny sain’ny olombelona.

Fahaefatra, Andriamanitra dia miandry koa ny fahatokisan’ny ombelona Azy. Satria Andriamanitra be fitiavana Izy. Ny fahatokisana ny Teniny no hahatsapana fa tanteraka amintsika ny fahasoavany sy ny fitahiny. Amena.