VALO amby roa-polo taona no niainan’i Daniel Rakotozandry teto an-tany nefa na dia ny olon-dehibe fitopolo taona aza miantso azy amin’ny anarana hoe : Dadatoa. Ny tantarany no ilaza amitsika ny nahatonga izany.

Miditra amin’ny firesahana ny Fifohazanan’i Farihimena isika raha miresaka an’i Dadatoa Rakotozandry. Raha tany amin’ny Betsileo sy ny Faritra Atsimo Atsinanan’ny Nosy no nisy ny Fifohazana noresahantsika teo aloha dia miditra kosa amin’ny faritra atsimon’Imerina isika raha miresaka ny Fifohazan’i Farihimena.

Teraka tamin’ny 16 Aogositra 1919 i Dadatoa Rakotozandry. Ny ray aman-dreniny dia nipetraka tsy lavitra an’i Soavina any Betafo Antsirabe izay toerana nisy ny Misionera Norveziana . Farofy hatramin’ny fahakeliny izy ary nentin’ny ray aman-dreniny tany amin’ny mpimasy sy ny mpisikidy. Ny hany fotoana nahita fahatsarana kely taminy dia ny fotoana nolazainy fa nihaonany tamin’i Kristy ka nilazan’ny Tompo taminy ny tokony hanokanany ny tenany ho Azy sy ny tokony hialany tanteraka amin’ny fanompon-tsampy.

Folo taoana izy raha niditra nianatra tao amin’ny Sekolin’ny Misiona Norveziana tao Betafo. Dimy taona no naharetany tao saingy ny fahasalamany dia nanembatsembana be izany fianarany izny. Ary tsy nisy fiovany loatra ny fahasalamany rehefa niakatra tany Antsirabe izy tao amin’ny Sekoly Normaly an’ny loterana. Ny rehetra dia samy nanaiky ny fahatsaram-panahiny , ny fitivany fivavahana ary dia isan’ireo mpitarika ny fikamban’ny mpianatra tao amin’ny Sekoly Normaly izy. Tsy nahafaly ny mpiara-mianatra sasany taminy izany ka nahatonga azy ireo hisetrasetra taminy.

Nanala CESD izy ary tsy afaka. Diso fanatenana izy satria nihevitra izy fa miangatra Andriamanitra satria noheverina fa betsaka ny nataony ho an’Andriamanitra nefa dia izay CESD dia tsy nomeny azy. Tsy niangona intsony izy. Tsy navelan’ny Tompo anefa izy fa isan’alahady rehefa matory ao an-tranony izy ka tsy mandeha miangona dia miseho aminy amin’ny nofy Jesosy. Tena nifampitolona tamin’ny Tompo i dadatoa Rakotozandry. Mazàna dia famelezany totohondry ny farafara no nanaitra azy. Farany resin’ny Tompo ihany izy ka nanaiky.

Indray andro narary ny zanak’anabaviny ary dia nirahan’ny ray andeha haka fanafody tany amin’ny ombiasy izy. Nandà mafy izy nefa tsy nahatohitra an-drainy ary dia nandeha ihany. Tsy tana anefa ilay zaza fa maty. Tamin’ny fotoana niandrasana azy dia betsaka ny olona tonga ary tonga teo koa ilay ombiasy. Rehefa alina dia natory ny olona ny hany tsy natory dia Rakotozandry sy ilay ombiasy. Nivavaka Rakotozandry ary nataony mafy ho ren’ilay ombiasy izany. Ny nahagaga nihetsika ilay zaza ary nahirany ny maso dia niteny izy hea : « Sitrana aho ry DADATOA ». Nananomboka teo dia tsy nisy niantso azy afatsy amin’ny anarana hoe : Dadatoa eny fa na dia ny ray aman-dreny lehibe aza.

Nalefa tany Tsaratanana izy ho mpampianatra garderie sy ho katekista. Nanao ny asany tamin-joto tokoa i dadatoa na dia tsy tonga lafatra loatra aza ny fahasalamany. Ny taona 1943 dia niteny tamin’ny Tompo ka nanao tamin’ny hoe mandeha makany Fahirimena ianao amin’ny Pentekostra ary lazao amin’ny mpiangona ao hoe : Afaka telo taona dia ho Pastora eto aho. » Tsy nisy nino azy na dia iray aza. Na dia izy aza mbola nisalasala ny hanao Pastora, ny ray aman-dreniny rahateo tsy nanaiky ny hanaovany izany. Noho izany dia kiry fotsiny no nandehanany tany Ivory. Ny tsy fahasalamany dia fomba iray netin’ny devoly hanakivy azy. Hany ka tena nifampitolona tamin’Andriamanitra mihintsy tahaka an’i Jakoba izy nandritry ny fianarana ho Pastora tany Ivory.

Vita ihany ny telo taona tonga ny fanadinana famaranana ny volana febroary 1946. Ny toriteny voatendry ho voaboasany dia ny Lioka faha 2 andininy faha 34 sy 35, ny teny nataon’i Simeona tamin’i Maria fony izy nitondra an’i Jesosy tao amin’ny Tempoly. Teo am-panomanana tsy nahita izay lazaina mihintsy izy, ny fanomanana koa tsy zarizary noho ny fahasalamany. Fa nony nitsangana hitoriteny izy dia nasehon’ny Tompo azy ny tokony ho lazaina.

Na dia tsy nangataka izany aza izy dia voatendry ho an’i Farihimena ary i M.Borgenvik izay nanao ny fanendrena dia tsy nahafantatra fa telo taona talohan’izao Rakotozandry dia niteny ny hiasany ao Farihimena.

Vao hanomboka ny asa dia narary i Dadatoa ary tsy azo nisainina mihintsy ny hoe nirahan’ny Tompo hanao asa lehibe ao Farihimena izy. Ny Pentekostra 1946 no nandraisan-tanana azy. Nitomany ny eran-trano. Ny nitomaniany dia ny fahalelovany ny Pastora teo aloha satria toa tsy hahavita azy ity Pastora tanora, farofy nisolo azy.

Vitsy dia vitsy no tena nandray azy tamin’ny fony hany ka toa nitoka-monina i Dadatoa. Nolazain’ny Tompo taminy anefa fa afaka telo volana dia hanaoa asa lehibe ao Farihimena Izy. Ny 6 Jolay no natao ordinasiona tany Betafo izy, hita ihany fa tsy vitsy na dia izany aza ireo natao batisa sy natao kofirmasiona hatramin’ny nahatongavany. Ny vehivavy indrindra no tena nandray azy sy niova fo ka nahatsiaro ny fahotana ary nitomany noho izany.

Ny 25 aogositra no niatomboka ny fifohazam-panahy tao Farihimena. Voatery nijanona tao am-pandriana i dadatoa tamin’io fotana io fa niombo ny aretiny. Andro fiangonana anefa io andro io koa dia nanapa-kevitra ny mpiangona fa handeha hamangy azy sy hanorotoro azy ny fomba fitondrana fiangonana. Nofohazin’i Tompo i dadatoa ka nolazainy hoe : »Mifohaza Hianao fa midina any amin’ny birao fa ho avy hamangy anao ny olona. Lazao amin’ny amin’ny tsirairay ny fahotany ary lazao azy fa Izaho no mampiteny anao ». Tonga ny mpamangy dia natomboka ny fotoam-pivavahana ary dia nitsangana i Dadatoa nanambara tamin’ny tsirairay ny fahotany sy ny tokony hibebahany. Vaky tady nandositra ny akamaron’ny olona. Nisy ihany ireo nijanona nahatsiaro ny fahotany nibebaka ary nitomany mafy noho izany. Ireo nandositra dia niverina tsikelikely ka feno ny trano. Naharitra hatramin’ny alina ny vavaka natao ary saika tsy hay notonena ny olona rehetra noho ny fahatsiarovany ny fahadisoany. Ny ampitso 26 Aogositra dia natokana ho fotoana hankalazana sy hisaorana an’Andriamanitra. Noho izany no nahatonga ny 25 sy ny 26 Agositra ho tsarovana isan-taona satria nanomboka teo ny fifohazam-panahy tany Farihimena.

Betsaka ny manodidina no tonga tany Farihimena rehefa nandreha ny nataon’ny Tompo tao. Nisy koa anefa ireo tsy nino sy nizirizy nefa rehefa nolazain’i Dadatoa ny fahotany dia nibebaka. Nandeha nitety ny tanana manodidina i Dadatoa avy eo. Nitondra lakolosy kely izy hanairana ny olona.tena an-tsaha. Feno hikopa ny trano fiangonana noho izany rehefa alahady.

Misy ireo nanana ody no nitondra izany anisan’ireo ilay dahalo iray tao Ampananobe. Nanana ody mahery maha-latsa-baratra sy mampisava ny rano mba handosirany raha sendra misy manenjika azy. Rehefa nihaona tamin’i dadatoa anefa izy dia niaky ny fahotany ka nitondra ny odiny sy nitarika ireo dahalo namany