Taom-baovao 2019 ….

Hoy aho:
Mifarana ny taona 2018. Nitety ny 365 andro isika tsirairay avy. Inona ary no tadidy tamin’iny taona lasa iny ?
Ny fikasana tany am-piandohan’ny taona nefa saika tsy nisy tanteraka ka fahadisoam-panantenana no nisolo izany. Sa tanteraka ny zavatra nirina ary toa tsy hita ny zava-tsarotra nodinganina. Nahatonga saina nahatsiarovana fa satria tao ny fitantanan’Andriamanitra ka nahatafitana izany. Ary isaorana Azy mandrakariva. Eny maro izay te-hahita ny hitantsika fa tsy nahita
Tao ny toerana may tany amin’ny faritra samihafa teto amin’izao tontolo izao. Kila ny ankamaroan’ny ala izay anisan’ny harena lehibe eo amin’ny firenena iray. Nisy dia nisy tokoa ny olona maty ary nisy ny fananana potika tsy azo noraisina fa lasa lavenona. Tao ny vokatry ny hafanana. Tao ny vokatry ny tsy fitandremanana na fanahiniana koa aza.
Tao koa ny tondra-drano sy ny horohoron-tany izay tsy nitsitsy izay teny amin’ny lalany. Fa navalony ho any amin’ny fahalevonana.
Tao ny olona marobe nitsaoka ny taniny noho ny ady sy ny fanenjehana ary mosary. Na koa noroahina mihitsy aza ny sasany. Na dia amin’ny tany heverina fa milamina aza dia nisy ny olona very ka tsy fantatra izay nihafarany na ela vao fantatra. Nisy dia nisy ary mbola misy ny olona naratra ara- panahy sy ara-batana ary ara-tsaina noho ny antony maro samihafa izay tsy takatry ny saintsika.
Tao ny tatry ny aretina izay sarotra notsaboina ary miantso vonjy amin’izay manampy azy. Tao izay manana kilema ka voahilikilika aza. Mbola tao ny fanavakavahana samihafa.
Hoy aho :
Inona no zavatra tadidy ho tsara teto amin’ny firenentsika ? Nisy dia nisy tokoa ny lanonana samihafa nankalazana olo- malaza, na sekoly, na fifaninanana, na toerana, na tsangambato, na zavatra nitranga teo amin’ny tantara…
Inona no zavatra tadidy ho tsara teo amin’ny fivavahana sy ny Fiangonana maro samihafa. Sa mirohotra any daholo raha vao misy finoana vaovao mitranga.
Hoy aho:
Miarahaba anao miditra amin’izao taona vaovao 2019 izao. Miarahaba anao satria mbola velon’aina noho ny fitiavan’Andriamanitra ka afaka hiriariha indray amin’ny andro ho avy.
Inona ary no tanjona ho anao amin’ity taona ity ?
Inona no azonao atao mba hampiova ho tsara ny fiainanao? Ny fiainan’ny firenenao ? Ny fiainan’izao tontolo izao?
Tsy ampy ny hoe mivavaka. Ilaina izany nefa tsy ampy. Ilaina ny fandraisanao anjara ka miandry anao hiasa Andriamanitra. Raha maloto ny tranonao sy ny tokotaninao, tsy Andriamanitra no hanadray kifafa hanadio izany fa ianao. Raha maloto ny tanananao tsy Andriamanitra no hanala ny zaoridira eny amin’ny arabe.Raha maloto ka feno vovoka, na fotaka na tsikoko ny tenanao tsy Andriamanitra no hanondraka rano anao mba hadio ianao.
Raha mikorontana ny firenena tsy Andriamanitra no hitondra anao hiady fa efa nomeny saina sy fahendrena ianao handamina izany. Na dia ao amin’ny tantara hita ao amin’ny Baiboly aza dia zara raha mandray anjara Andriamanitra fa avelany ny olona hitantana ny fiainany satria tompon’andraikitra amin’izay zavatra nomena azy ny olombelona. Anjarany ny mikarakara sy miahy izay napetraka taminy : izao tontolo izao sy ny olona.
Ny olombelona ihany matetika no te hampiseho ny heriny ka manapatra izany amin’ny namana.
Koa amin’izao fiandohan’ny taona izao manàna finiavana hanatsara izay tsy mety ao aminao satria raha tehirizinao izany dia hanimba anao. Esory ny fo lentika sy feno fialonana sy ny hafetsena rehetra. Ataovy voalohany ny fitiavana na dia sarotra aza izany. Mivavaha tsy ho an’ny malagasy ihany fa ho an’ny olona rehetra, ho an’izao tontolo izao.
Tsarovy ireo fianakaviana nanana ny maty noho ny herisetra.
Ho feno fifaliana sy fiadanana ianao raha manaiky ny sitrapon’Andriamanitra no manjaka ao am-ponao ka tsy avelanao hanapaka anao ny ratsy fa ny Fanahy Masin’Andriamanitra.
Ho soa sy ho tsara ity taona 2019 ity ho anao sy ho an’ny rehetra tsy ankanavaka.