azo vakina koa Isaia 52:7-10 ; Hebreo 1 : 1- 6

Jaona 1 : 1-18

ANDRO lehibe ho an’ny kristiana ny fankalazana indray ny Noely. Ny filazantsaran’i Jaona dia manambara fa i Jesosy Kristy no “Ilay Mazava”.

Ny hazavana dia anisan’ny fototra iray mampijoro ny fiainan’ny olombelona na eo am-piasana na eo am-pisakafoanana. Eny fa na eo am-patorina aza dia misintona ny mazava mba hialana sasatra. Ka na hazavana azo amin’ny andro izany na avy amin’ny jiro isan-karazany dia mahasoa avokoa. Ary fifaliana tsy misy toa izany rehefa mandeha ao anatin’ny hazavana satria afaka amin’ny fandrika, na ny lavaka mety handratra. Afaka miroso malaky satria mahaleo-tena. Ary mitondra aina vaovao sy fanantenana izany.

Rehefa mifoha amin’ny maraina ny olombelona dia mahatsiaro ho sambatra mahita ny hazavana izay miposaka satria mbola velon’aina indray. Ary misaotra ilay Mpahary.

Ny andininy faha 12-13 : Fa izay rehetra nandray Azy ( ny Mazava) dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon’ny nofo, na ny sitrapon’ny olona, fa naterak’Andriamanitra dia milaza amintsika fa tsy ampy ilay fahazavan’ny andro nomena tamin’ny fahariana izao tontolo izao. Eny ilaina izany, fa kosa ilay Mazava mitondra aim-panahy ho antsika no voamarika eto. Io fahazavana io no mampahafantatra antsika fa tsy misy afa tsy Andriamanitra no afaka manazava antsika tamin’ny alalan’ny fahatongavan’ny Zanany ho nofo teto ambonin’ny tany. Izay hankalazaintsika androany.

Io fahazavana io no mandresy ny korontana misy eto an-tany raha mandray izany ny olona. Io fahazavana io koa no manome fahendrena sy fahiratan-tsaina ka mahatonga hadanjalanja ny teny havoakin’ny vava sy ny fihetsika koa mba tsy hampalahelo ny namana. Io fahazavana io no toy ny jiro mitari-dalana antsika tsy hisaraka amin’Andriamanitra.

Mahatsiaro ho kely dia kely isika eo anatrehan’ny fitiavan’Andriamanitra antsika satria tsy diso anjara. Nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Mazava. Tsy vidim-bola aman-karena izany fa maimaim-poana. Tahaka izany ny Famonjena izay natolony ho antsika ary tsy ho hay hadinoana izany. Ny Tenin’Andriamanitra izay efa tany am-piandohana dia manamafy an’izany.

Koa raha hiditra amin’ny taona vaovao 2006 indray izao voahary rehetra izao, indrindra isika olombelona dia tsarovy fa efa nomena antsika ny Mazava. Ary antenaina fa hitoetra ao anatin’ny fo sy ny saintsika ary ny fanahintsika izany, fa fahasoavana lehibe mandritra ny androm-piainantsika izany. Amena