Azo vakina Isaia 61 : 1-3 ary andininy 10-11. Ary koa Tesaloniana Voalohany toko faha-5 and.16-24

Jaona 1 :and.6-8 sy 19-28

NA dia ny fampahafantarana an’i Jesosy Kristy ho Zanak’Andriamanitra aza dia tsy mirotoroto, fa miandalàna. Lazain’ity filazantsara ity fa Jaona dia vavolombelona hanambara ny Mazava izay tsy iza fa ilay Zanak’Andriamanitra ho avy tsy ho ela.

Tamin’ny andron’i Jaona dia nisalasala be ihany ny olona. Ary nametra-panontaniana hoe : “Iza moa ianao ?”. Mila mihataka kely vao tena mahatakatra ny tian’i Jaona ho lazaina, na koa taona maromaro aty aoriana , eny mety ho taon-jato aza ny an’ny sasany.

Ilay Mesia handrasana dia efa nomen’ny olona ireto anarana ireto sahady : toy ny hoe : “Elia ?”, “Ilay Mpaminany ?” . Tsy mahagaga izany satria ny olombelona dia maika hanamarina ny zavatra reny sy hitany. Ary mailaka hampita izany amin’ny hafa. Ny andininy faha-22 dia manamafy izany “mba hitondranay valiny ho any amin’izay naniraka anay”.

Elia dia lehilahy nalaza ao amin’ny Testamenta Taloha. Nolazaina koa ho mpaminany izy. Ny asa sy ny teniny dia nanaitra sy nahavariana ny olona. Ary rehefa misy zava-baovao dia tsy tanà i ra-olombelona fa misisika ny hamantatra haingana ny toe-zavatra mitranga. Heverin’ny olona koa fa ny mpaminany ihany no manana fifandraisana kokoa amin’Andriamanitra.

Nanindry mafy i Jaona, fa samihafa izy sy Jesosy Kristy izay ho avy. Ny asany dia ny mitory ny Tenin’Andriamanitra, milaza fa ho avy ny Zanak’Andriamanitra izay Mpamonjy izao tontolo izao. Ary tsy tokony afangaro Aminy izy. Deraina ny eritreritr’i Jaona satria manaja ny hafa izy ary manaja koa ny tenany. Tsy misandoka. Miala tanteraka ao amin’ny fitaky ny fakam-panahy izy. Satria raha mihaino ny tenin’ireto olona ireto izy dia mety ho revo ny vahoaka ka miandry fotsiny ny hahalatsa-bava an’i Jaona hilaza fa izy no ilay handrasana. Tsy nekeny anefa izany hevitra izany. Tsy afaka maka ny toeran’ny Tompo izy.

Amin’izao andro iainantsika izao koa dia maro be ireo tia manindrahindra ny mpitoriteny. Hany ka ao ireo izay mila hivavaka amin’izy ireny fa tsy mahare intsony ny hafatra avy amin’ny Soratra Masina. Ho tsarovana fa ny Baiboly dia voadika amin’ny fitenenana maro, ary voasoratra tamin’ny hebreo sy ny grika tany am-piandohana. Jesosy tsy nahalala hafa tsy ny testamenta taloha ihany.

Manana adidy mavesatra ny mpitory ny Teny. Izay voalaza ao amin’ny Isaia 61 : 1-3 dia manambara izany : “Hitondra Teny soa mahafaly, hamehy ny torotoro fo, hanafaka ny babo”. Eny ny hebreo dia nahatsiaro nangirifiry tamin’izany fotoana izany satria tao anatin’ny fahababoana ary niandry fanavotana. Betsaka ny zavatra nianjady tamin’ny fiainan’izy ireo ary mila tsy ho zaka. Niandry izay hanafahana azy izy ireo.

Ankehitriny koa ho an’ireo izay mahatsiaro ho mangirifiry noho ny vidim-piainana, na noho ny tsy fahasalamana, na noho ny fahafatesana, na noho ny fahaverezan’ny harena dia maro no tonga eo amin’ny famoizam-po, ka mitady fanavotana.

Anjaran’ny kristiana tsirairay no mifampitondra mba hahamaivana izay mianjady amin’ny hafa. An-koatrin’ny vavaka sy ny fihainona ny Tenin’Andriamanitra dia maro ny asa azo atao. Toy ny fanampiana samihafa. Izany dia ho tandremana tsy hiandrasana hisy valiny fa atao am-pitiavana. Ary tsy hisy faneriterena.

Rehefa mahare sy mandray ny Tenin’Andriamnitra ny olona amin’ny fomba samihafa dia hitsimoka indray ny fifaliana ao anatiny. Hijoro indray izy izay efa nahatsiaro ho resy. Hoy ny ao amin’ny epistilin’ny Tesaloniana voalohany toko faha 5 and:21 hoe “Fantaro ny zavatra rehetra, hajony mafy izay tsara.” Indro ny Fahazavana efa nomena anao hatramin’ny ela. Tsy very izany fa ao anatinao. Amena.