Alahady faharoa -Advento 2018

Filipiana 1 : 4 – 11

Ho feno ny vokatry ny fahamarinana

Paoly apostoly any am-pifatorana no manoratra ho an’ny Filipiana. Mitantara ny amin’ireto olona ireto izay tsaroany am-bavaka. Ataony am-pifaliana izany rehefa manao izany . Miray hina amin’ny fitoriana ny Filazantsara ny kristianina any Filipia mantsy hoy izy araka ny reny. Ambarany izany fitiavana izany eo amin’ny and. 8 «  Tia anareo rehetra tokoa aho amin’ny fitiavan’i Jesosy Kristy ». Mamporisika i Paoly ny amin’ny handrosona hatrany ho amin’ny fahalalana sy ny fahaizana mamantatra. Satria hanome fiainana vaovao ho an’ny tsirairay isan’andro. Ao anatin’izany ny fahadiovam-po.Miandoha amin’izany ny fanirina fahitsin’ny  fisainana  sy ny fihetsika . Mampivoitra ny fitiavana indrindra izay miteraka ny vokatry ny fahamarinana.

Raha dinihina ny tenin’i Paoly apostoly dia azo lazaina ve fa misy olona tsy mivavaka  am-pifaliana ve ?

Nefa ve moa tsy tokony ho azo ovaina izany .

Andao ary hivavaka ho an’ny tenantsika tsirairay.Ho anao , ho ahy na dia ao anatin’ny fahasarotam-piainana aza.Ka tsy hanome tsiny an’iza n’iza. Fa hivavaka am-pifaliana.

. Satria samy mbola velon’aina

Mivavaha :

ho anao

ho an’ny ray aman-dreninao na dia misy olana aza aminareo indraindray, satria heverinao fa tsy mety ny nataony taminao indray mandeha izay ka tsy hadinonao izany.

ho an’ny zanakao tsirairay satria tsy hitanao izay tena fitaizana atao noho ny fandrosoan’ny zava-manodidina azy ka mety hanimba azy. Ka tsy sahy miresaka  aminy akory ianao.

ho an’ny mpiray tam-po aminao na dia tsy mifankahazo aza ianareo satria misy tsy hifanarahana teo amin’ny fihaoanana na fifandraisan’ny fianakaviana.

ho an’ny zaobavinao sy zaodahinao sy ny zanany raha tsy mifampiditra an-trano aza ianareo satria tsy zakanao ny mahita olona izay tsy manaiky ny hevitrao

ho an’ny mpiray-tam-po amin’ny ray amandreny avy sy ny fianakaviany satria havanao koa ireny na dia tsy tianao aza.

ho an’y mpiray tam-po amin’ny zao-dahinao sy zaobavinao ary ny fianakavian’ireo satria tsy afa-miala amin’izy ireny ianao.

ho an’ny mpiara-miasa aminao izay heverinao fa mila voatsiary aminao isan’andro. Ka miteraka aretina aminao aza izany satria fitaintainana isan’andro no haterak’izany.

Ho an’ny olona tsy tianao ka mila ho hankahalainao  satria namono olona akaiky anao na ny havanao koa.

Ho an’izay heverinao fa nanao ratsy anao sy ny fianakavianao. Mivavaha ho azy fa aza manozona.

Ho an’ny mpitondra fanjakana.Tsy ny anao ihany fa ho an’ny rehetra satria tsy miaina irery eto amin’izao tontolo izao ianao.

Maro no azo tanisaina fa efa betsaka ireo fa ianao afaka mahita izay mifanandrify aminao.

Tsarovy fa i Paoly apostoly aza tany am-ponja no nivavaka ho an’ny Filipiana. Maro dia maro koa ny olona tsy malagasy fantatro tsy mitoetra eto Madagasikara fa mivavaka ho antsika malagasy. Lasa eritreritra aho any amin’izany. Zava-dehibe izany ary izany no atao hoe  ho feno ny vokatry ny fahamarinana. Tsy rehefa misy fahasoavana ihany no mivavaka amin’ny Tompo Jesosy Kristy. Handramo izay mifanandrify aminao fa hahita mamy ianao amin’ity Noely ity sy ny andro ho avy. Ary amin’izao fiandohan’ny  taom-baovao kristianina dia ny ADVENTO.