Alahady 1- Advento 2018

Jeremia 38 : 14 – 16

1 Tesaloniana 3: 12 – 4:2

Tao anatin’ny fahoriana mafy ny firenena Israely  izay nizara roa noho ny ady : dia ny any Avaratra ny Israely ary any any Atsimo ny Joda. Firenena iray vaky roa. Maro ny olona no nitsaoka tany ivelany ary nisy dia nisy ny lasa lavitra. Nisy aza izay tonga tany amin’ny tanin’ny romana na tany amin’ny tanin’ny grika. Very fanantenana ny mponina tao Israely sy Joda. Nisy dia nisy koa ny mpanjaka izay maty. Tao an-trano maizina i Jeremia mpaminany. Nahatsiaro nagirifiry ny olona sisa tafajanona tao.

Mafy dia mafy ny ady tamin’ny Kaldeana satria saika ringana avokoa ny tanàna. Izao no voalaza eo :

and . 4 «  ity tanàna ity sy ny lapan’ny mpanjakan’ny  Joda, izay noravana tamin’ny tovon-tany sy ny sabatra, raha nandroso hiady tamin’ny Kaldeana izy ka nameno ny trano tamin’ny fatin’olona izay novonoiko tamin’ny fahatezerako sy ny fahavinirakao, sady nanafenako ny tavako tamin’ity tanàna ity noho ny faharatsiany rehetra, dia indro

and. 10  « Eto amin’ity tany ity izay ataonareo hoe rava ka tsy misy olona na biby fiompy intsony  dia eto amin’ny tananàn’ny Joda sy lalamben’i Jerosaleman izay efa lao ka tsy misy olona na mponina  na biby fiompy  no mbola … »

Tsy tongatonga ho azy ny teny nampitondrain’Andriamanitra an’i Jeremia hoe «  Ny Tompo no fahamarinantsika ». Tsy navelan’Andriamintra ho irery Israely sy Joda na dia nampitsangam-bolo aza ny zavatra nitranga.

Heverintsika izay mamaky ny texta fa kapoka ho fanafaizan’Andriamanitra no nahatonga izao fahoriana izao. Saingy tsy izany no izy fa vokatry ny tsy fahaizan’ny mpitondra  ny fanjakana arak’izay tokony ho izy.Tao ny tsy fanarahana ny Lalàna. Tao ny fiheverana ho tsy maty manota.Tao ny nanao tsinontsinona ny madinika.Tao ny nanapatra ny fahefany. Tao ny fiadina toerana hitondra ny fanjakana  tamin’izany fotoana izany. Maro ny mpanjaka nianjera ary tsy naharitra teo amin’ny toerany.  Tsy nilamina ny tany . Tsy nahay nifanaraka sy nihavana ny olona teo an-toerana ka mora tamin’ny fahavalo ny nandromba sy nanapotika.  Maro ny trano voadotra sy nirehitra. Mosarena izay olona tsy maty. Lasan’ny mpamabo ny tany sy ny fananana rehetra. Hoy isika hoe : dia nojeren’Andriamanitra fotsiny izany fa tsy namonjy Izy. Fahadisoan-kevitra izay satria  nomen’Andriamanitra saina handinika sy haka fanapahan-kevitra ny olombelona fa misy ny madihi-doha tsy hanaja izany. Tsy hitan’ny vahoaka Andriamanitra fa ny fanaparana ny fitaovam-piadina no heveriny fa hanavotra azy. Takon’ny herin’ny olombelona Andriamanitra. Takon’ny fitiavan-tena.Ary amin’izao fotoana hiainantsika izao dia takon’ny fitiavam-bola sy ny fitiavan-kely Andriamanitra. Hany simba tanteraka ny firenena miaina ao anatin’izany.

Tao anatin’izany fahaverezan’ny fanantenana izany no nanirahan’Andriamanitra an’i Jeremia hiteny hoe : lazao amin’ny olona « Ny Tompo no fahamarinantsika ». Satria ho avy Izy hanarina ny simba. Hanatsara. Izany tsy milaza fa toy ny mpanao mazia Andriamanitra dia ho lasa sambatra vetivety eo ny tany .Fa mila ny fiezahan’ny tsirairay Izy.

Toa izay mantsy no voalazan’ny teny nampitondraina an’i Jeremia eo amin’ny and. 11 … mbola handrenesana indray ny feo mifaly sy miravoravo, dia ny feon’ny mpampakatra sy ny an’ny ampakarina ary ny feon’izay miteny hoe : miderà an’Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, fa Tsara Izy…  fa hataoko tonga tahaka ny tany aloha ny fahatsarany hoy ny Tompo. »

Toy izay no teny fampanantenana nomen’Andriamanitra ho an’ny mponina.

Ny teny izay mamaivay dia misy valiny hatrany izay efa tsikaritra eo amin’ny andininy faha -6 : «  indro, hotanterahiko tokoa ny fanasitranana azy, eny, hositraniko izy, ary hasehoko aminy ny harenan’ny fiadanana sy ny fahamarinana … »

Mahagaga sy mahery izany Tenin’Andriamanitra izany.Izy no hanasitrana ary vonona ny hanao izany izy. Koa raha tiana ho tanteraka izany dia tsy maintsy miverina Aminy ny olona.Ary misy izay takin’Andriamanitra amin’ny rehetra, indrindra ho antsika , mba hahatanteraka izany dia izay voalazan’i Paoly apostoly ao amin’ny 1 Tesaloniana 3 and. 12 «  hampitombo sy hampandroso anareo amin’ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra anie ny Tompo. »  Asa sarotra io takin’Andriamanitra io satria ny fitiavana no mampisy fandriham-pahalemana sy fiadanana. Firifiry moa no nanozona  olona na dia ny namany akaiky sy ny havany aza. Ary hamafisina eto fa raha tsy tanteraka izany dia noho izao antony izao and 6 «  noho ny fanaovana saina hifetsy ny rahalahy … » and  7 « Tsy niantso antsika ho amin’ny fahalotoana Andriamanitra fa amin’ny fahamasinana ».

Mila fanapahan-kevitra sy fahavononana  ny fialana amin’ny hafetsena. Miala amin’ny asa ratsy rehetra sy ny saina ratsy rehetra.

Ny fitiavan’Andriamanitra no manatanteraka ny famonjena izao tontolo izao. Iza moa no tsy manahy ny amin’ny ampitso ny amin’izay hita sy re hatrany. Betsaka aza ny mamoy fo.

Misy diso hevitra ka milaza fa efa voasoritra ao amin’ny Soratra Masina  ny tantaran’i Mdagasikara. Aiza re izany! Ny firenena      rehetra dia samy manana ny tantarany ary miakina amin’ny vahoaka sy ny mpitondra ao no mahatsara na ratsy ny tany sy ny firenena. Natao hampieritreritra antsika ireny tantara ireny. Raha tsy manaraka ny sitrapon’Andriamanitra isika fa manao hafetsena amin’ny mpiara-belona amintsika dia manokatra ny varavaran’ny firenena sy ny tany  ho an’ny fahavalo, ary misy amin’ny mponina ihany no manao azy ho fahavalo. Satria ilay hafetsena dia hahitana ny fitiavan-kely, ny fialonana, ary ny fifikirana amin’ny ratsy, ny fiavonavonana.

Koa na hivavaka sy hiangona isan’andro aza dia tsy handaitra izany raha tsy miala tanteraka amin’ny izany. Izay vao ho tanteraka ny feo mifaly sy ravoravo eny an-tanàna sy eny an-dalàmbe. Miaina sy mifikitra amin’ny fahatsoram-po ny tsirairay vao misy ny fifaliana. Lalan-tsarotra no takina amin’ny kristianina fa tsy fampisehoana ivelany. Misy aza tsy kristianina tia ny rahalahiny mihoatra noho izay asehon’ny kristianina.Saino sy diniho.

Matoa voatahiry sy natao ho vakintsika ny zavatra mitranga ao amin’ny Baiboly dia hahazona mieritreritra sy mandinika. Ny fahafantarana ny tantara koa ny mampandroso. Kay ve efa nisy izany ka tsy tokony atao intsony.

Mahereza manatona ny Tompo ary aza avela Izy raha tsy manampy anao hiova. Raha tsy izany dia tsy tokony hindrana ny  tenin’ i Jeremia hoe «  Ny Tompo no fahamarinantsika ».  Tsy hoe ho avy ny Krismasy dia lasa paradisa ny tany. Tsy hahita fifaliana ianao  raha tsy vonona ny hiova fo tanteraka. Zavatra ivelany mandalo fotsiny ny ravaka eran’ny tànana sy any am-piangonana .Sy ny fetifety mamirapiratra indrindra raha diso tafahoatra izany. Ny fifaliana dia ao amin’ny fanarahana ny sitrapon’Andriamanitra ary izay no mahatonga ny fahamarinany.Misy olona  miandry anao hihavana aminy mba hanatsarana ny fiainanao sy ny azy. Raha Andriamanitra aza vonona hanatsara ny fiainan’izao tontolo izao , asa izay hevitrao raha mbola hitoetra ao amin’ny faharatsiana no mahafaly anao ka hanilika ny fahasimbana amin’ny hafa hatrany.

Mila famolahan-tena avy  amin’ny tsirairay  ny hahazoko sy ianao  miteny hoe « Ny Tompo no fahamarinantsika ».  Teny avy amin’Andriamanitra  io fa tsy an’ny olombelona akory.