TENY ho vakiana

Marka : 14

Ary hoy izy taminy( Petera, Jakoba, Jaona) : Fadiranovana loatra ny Fanahiko toy ny efa ho faty ; mitoera eto, ka miareta tory

Ary nony nandroso kelikely, niankohoka tamin’ny tany ka nivavaka mba hialan’izany ora izany aminy, raha azo atao.

Ary samy nandao Azy izy rehetra ka nandositra. Mihamafy ny lalàna hijoran’i Jesosy. Efa fantany fa hisy hamadika Azy. Inona ary no ataony ? Andeha hitsaoka sy hamaly izany ? Tsy niezaka niaro-tena na nikoan-doha hitady vaha-olana.

Ny naha-maika Azy dia ny hivavaka. Izany hoe : hiresaka amin’ Andriamanitra Rainy. Efa mafy ny ady dia mbola mahita fotoana hivavahana ihany Jesosy. Eny, miresaka amin’ny Rainy sisa no azony atao, mba esorina izao kapoaka izao, raha misy hevitra.

Maro koa ny olona manana kapoaka mangidy tsy hahitana vaha-olana ary mampite -hitomany. Jesosy rehefa nivavaka dia tsemboka ary toa ny rà no nivoaka taminy. Mafy izany. Misy mety manoro hevitra hoe : mankanesa amin’ny dokotera, na ny mpitsara, na ny mpitandrina, na ny diakona, na ny mpiandry, na ny mpampianatra, eny na dia ny mpivarotra sy ny saofera aza. Tsy misy mahadiso izany raha afaka manampy izy ireny ary isaorana azy ny fandavan-tenany. Nefa dia tsara raha afaka atolotra an’ Andriamanitra ny olana.

Tsarovy fa any ho any misy olona mitalaho mandohalika mivavaka fa :

Tondraky ny rano ny tanàna ary very daholo ny fananana , ny fianakaviana sasany lasan’ny rano ary tsy fantatra izay hahitana ny fatiny.

Tratrin’ny doro-tanety ny tanana ary kila, tsy misy azo raisina intsony ny zavatra rehetra naorina, fa lasa vovoka. Teraka ny vehivavy ka tsy nampoizina ny zaza fa misy tsy mety kely ny vatany, ary toa harian’ny fianakaviana eo ilay reny, fa tsy zakan’ny havana ny mijery azy. Nanala ain’olona noho ny fisotrona zava-mahamamo, fa tsy nahatsindrin-fo Tsy mahita asa, na tsy nahavita fianarana ka eson’ny namana ary satria marary ny teny re, dia saika namono tena. Setrasetrain’ny olona ny toka-trano ka rava. Tsy mody an-trano ny ankizy, fa efa mahaleo-tena ary tsy fantatra izay misy azy ireo.

Nangalarin’ny olona ny fananana satria sendran’ny mpisoloky Tsy mana-kohanina fa nidiran-trosa be. Very ny fahasalamana noho ny aretina. Namoy hava tiana. Mikorontana sy miady ny tany sasany.

Ao anatin’ny fangirifirina dia mahatsiaro miantso an’ Andriamanitra ny olona. Ary Jesosy Kristy dia miara-mivavaka aminy, miara-mitolona aminy ary miaritra amin’ny fiharetan-tory na dia tsy mahatanty izany aza ny olona.

Ny zoma masina natao hahatsiarovana ny lalàna nijoran’ny Tompo teo amin’ny fitondrana ny hajo fijaliana. Maro ireo fijaliana izay voatanisa etsy ambony, ary mety mbola ho ampianao aza angamba. Teo amin’ny hazo fijaliana no nohombona ny fahotantsika ary nentin’ny Tompo izany, mba hanavotana antsika. Ny fandalovan’i Jesosy teo amin’ny fahoriana amin’ny maha- olona no nahatonga Azy hahatsapa ny fahoriantsika koa. Amin’ny alalany no hanatonantsika an’Andriamanitra, hilazantsika ny fahoriantsika. Fa isika dia natao ho rahalahin’ny Tompo, satria zanaka natsangana amin’ny alalan’I Jesosy Kristy Zanak’ Andriamanitra tokana.

Manokanà ary fotoana hahazonao miresaka amin’Andriamanitra, fa vonona hihaino anao Ilay nahary anao. Mba hazava indray ny lalana hijoran’ny zanak’olombelona. Raha miara-mivavaka moa isika amin’ny fahatsorana, inona no tsy hamalin’Andriamanitra izany vavaka izany. Indraindray zavatra tsy ampoizinao no valim-bavaka ho anao ary hahasoa anao izany. Aza hadino ny mivavaka ho an’ireo izay mitory ny Filazantsara ka tratran’ny fanenjehana.

Hitsinjo anareo anie ny Tompo, na ny lavitra na ny akaiky. Amena