TENY HOVAKIANA

DEOTERONOMIA 30

KOLOSIANA 1 : 12-23

LIOKA 10 :25-37

Hatramin’ny andro naha-teto an-tany an’i Jesosy no nametrahan ny olona ny fanontaniana mikasika ny zava-misy aorinan’ny izao fiainana izao. Tahaka ny misy amin’izao fotoana izao ihany koa dia misy ny mino ny fisin’ny fiainana mandrakizay ary misy ny tsy mino. Betsaka tokoa ny manara-dia an’i Jesosy eny amin’ny toerana rehetra nalehany. Hita eny daholo na ny olon-tsotra, na ny fariseo, na ny mpanora-dalana , na ny sadiseo. Samy mpitondra fivavahana teo amin’ny Jiosy iretsy voalaza farany fa saingy tsy mitovy kosa ny heviny momba ny fiainana mandrakizay. Tao amin’ireo olona ireo indray mandeha dia misy mpanora-dalana iray izay te-hamandrika an’i Jesosy. Fantany tsara fa na inona na inona ny vali-teny hataon’i Jesosy dia mety hanafitohana ny antokon’olona iray amin’ireo manatrika teo Izy. “Ahoana, hoy izy tamin’i Jesosy, no hataoko handovako ny fiainana mandrakizay ? “

Azotsika an-tsaina ny ny fahanginan’ny rehetra niandry izay ho lazain’i Jesosy. Tsy namaly nivantana anefa Jesosy, fanotaniana no napetrany tamin’ilay mpanotany ary eto amin’ity tantara ity dia ilay mpahay lalàna ihany no nasainy namaly ny fanotaniany.

Mazàna koa isika no mametraka io fanotaniana io. “ Ahoana no hataoko mba handovako ny lanitra ?” Ny valiny matetika hataotsika dia ny hoe :”Rehefa tanterako ny didy folo dia handova ny fiainina mandrakizay aho.” Izay indrindra no nitarihin’i Jesosy ny resaka tamin’ilay mpahay lalàna :”Inona no voasoratra ao amin’ny lalàna”. Tahaka ilay mpahay lalàna isika dia mihambo ho nahavita izay nandidy ny lalàna. Nefa tsy ampy antsika izany, manahy foana isika fa mbola misy tsy vita ao ka sao tsy ho tonga any an-danitra. Tsy nofakafakaintsika ny lalàna fa heveritsika fa ny fampiarana azy ara-bakiteny dia ampy. Jesosy dia namitina ny lalàna amin’ny didy roa izay mitovy lanja dia :”. Ny fitiavana an ’Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana. Ary io famitinan’i Jesosy io no nolazan’ilay mpahay lalàna . Mitovy tsy misy valaka ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana namana. Raha mihira isika hoe : “Ho valin’ ny natao ny lanitrao ry Jesoa” . Io “natao” lazaitsika io dia tokony hihodina ao amin’ny fitiavana. Ny fitiavana ihany no hiantoka ny hahazotsika ny fiainana mandrakizay

Betsaka loatra ny resaka mikasika ity didy ity momba ny fitiavana namana ity ary na dia isika aza dia mametraka fanotaniana. Ao moa ny milaza fa raha tsy tiany ny tenany ahoana ny hitiavany ny hafa na ny namany. Misy indray izay mametraka fanotaniana tahaka ity mpahay lalàna ity ka manao hoe : “Iza ary ny namako ?” Jesosy raha nametrahan’ilay mpahay lalàna io fanotaniana io dia tantara (fanoharana) no nataony. Ary ity fanoharana ity izay i Lioka ihany no evanjelistra nitantara ary dia ny fanoharana ny amin’ny Samaritana tsara Fanahy.

Fampitaha no nataon’i Jesosy. Fampitaha amin’ny mpitondra fivavahana jiosy andaniny sy ilay samaritana ankilany. Tamin’ny Jiosy nihaino azy dia mandringa ny fampitahana satria raha asaina mifidy izay ho namany izy dia mazava ho azy fa iretsy mpitondra fivavahana jiosy (mpisorona sy levita) no ho fidiny. Satria Jiosy ireo no sady mpitondra fivavahana, ilay iray kosa samaritana izany hoe fahavalo. Izay nohezahan’ny Tompo nampisehona tamin’ny mpihaino azy amin’ity fanoharana ity dia ny hahatsapan’izy ireo fa ny fitiavana tsy voafetran’ny fihaviana na ny asa hatao na ny maha-pitondra fivavahana sy maha olo-tsotra na ny zava-mitranga aty ivelany fa zavatra niloatra avy ao anaty. Raha nanotanian’i Jesosy ilay mpahay lalàna hoe  :”Iza amin’izy telolahy no ataonao ho naman’ilay azon’ ny jiolahy” dia voatery namaly tsy sazoka hoe : “Ilay niantra azy”. Ary tsy afa-niala ireo rehetra nihaino teo fa ho namaly tahaka azy.

Raha isika kosa no mametraka ny fanotaniana hoe : “Iza no namako”. Inona no valiny. Ny mpiray fiaviana amiko, ny mitovy volo-koditra amiko, ny mpiray asa amiko, ny mpiray fiangonana amiko. Ahoana tokoa moa no hilazako fa i ranona iry izay efa mampiseho ny tsy fitiavany ahy no ho lazaiko ho namana. Nisy fihaonan’ny tanora protestanta lehibe tany Madagasikara.tamin’ny taona 1960 tany ho any izay nokarakarain’ny Farimbon’ asa ny tanora protestanta. Nahavory tanora be dia be avy amin’ny lafy valon’ny Nosy avy amin’ny Loterana, ny Anglikana sy ny Reformé. Ny teny faneva dia ny hoe « Iza no namako ? » Tsy nisy ohatr’izany ny fanapahan-kevitra. Fa rehefa tonga ny famaranana dia nisy fanompom-pivavahana roa ny iray tany amin’ny Anglikana Ambohimanoro ny iray tany amin’ny Fiangonana Ambatovinaky. Fahadisom-panatenana tsy nisy ohatr’izany no nahazo ny tanora satria very tao ilay maha-namana ka fanompom-pivavahana aza tsy azo niraisana akory.

Ho famaranana dia ampahatsiarovina fa eto amin’ity tantara ity dia notarihin’i Jesosy hijery ny zavatra misy ety an-tany ny mpihaino Azy. Tiany ho fantatra fa manomboka ety an-tany ny fiainana mandrakizay. Ilay mpahay lalàna no nasainy niteny fa ny fitiavana no miantoka an’io fianana mandrakizay io. Tsy vitan-dresaka fotsiny izany fa tsy maintsy iainana. Mety hiova amin’ny eritreritsika ny fetra sy ny fatran’ilay fitiavana nefa ny fahazotsika mihoatra io fatra sy fetra io no hiantoka ny fiainana mandrakizay ho antsika.