TENY ho vakiana

JOBA toko 1 sy faha-2

Fahiny ela be no nitranga ny tantaran’i Joba. Ohatrin’ny angano sisa ny fahenona azy. Olona nalaza sy nanakarena i Joba. Iza no nahatoraka azy ? Harena re izao. Ao ny zanaka folo : Fito lahy sy telo vavy. Ny biby fiompy dia tsy hay lazaina ny isany. Ny

mpanompo koa dia marobe.

Tsy hadinon’i Joba ny nanao fanatitra satria natahotra tamin’ny toetran’ireo zanany sao dia nisy tsy nety ny nataon’ireo. Olona tena mpanara-dalàna koa izy. Ka manatanteraka izay tokony hatao mba tsy ho voaheloka na hana-tsiny. Marina sy mahitsy tokoa i Joba.

Inona ary no nahatonga ireto loza nitranga tampoka teo ? Voalohany : ringana ny omby sy ny borikivavy. Faharoa : may kilan’ny afo avy any an-danitra ny ondry sy ny mpanompo. Fahatelo : nisy namono ny rameva ary voan’ny lela-tsabatra koa ny mpanompo. Faha-efatra : simban’ny rivo-doza mahery ny trano ary maty tao ny zatovo rehetra. Fahoriana nisesy . Matanja saina i Joba raha tsy lasa adala amin’ireo loza nandrim-paka ireo.

Ary inona koa no idiran’i Satana eto ? Ny zava- kasain’i Satana aza dia mampihoro-koditra. Ny ain’i Joba sisa no tsy azo fongorana. Mahay makà- sika ery. Tsapao ange i Joba hoy izy fa ho hitanao ry Andriamanitra fa hivadika io. !

Mazava sy mahagaga ny tenin’Andriamanitra fa matoky an’i Joba Izy. Mahalasa fisainana izany.

Eny hoy aho, niaina tao anatin’ny fananana lehibe, sy ny fikoranana ary ny hery i Joba. Nefa dia very tampoka izany. Ringana tsy nisy avokoa. Rehefa voalaza tamin’i Joba ny loza rehetra nitranga dia nitsangana izy.

Mahavariana izany. Ao anatin’ny loza sy ny fahoriana no nitsangana izy. Ny olona mitanondrika raha tratran’izao. Notriariny ny lambany. Nanaratra ny lohany izy. Ary dia nihankohoka. Teo izy vao nandray fitenenana : Nitanjaka no nivoahako tany an-kibon’i Neny, ary mitanjaka no hiverenako any. Andriamanitra no nanome, ary Andriamanitra no manaisotra.Isaorana anie ny anaran’i Tompo.

Inona no misongadina eto amin’ny tantara :

Matoa voalaza ny toerana sy ny anarana dia tena nitranga tokoa io tantara io sady nisy tokoa ilay olona. Zava-dehibe izany ny anarana omena. Ilay teny hoe “Oza”, dia mifandraika amin’ny hoe “hazo”. Ny hazo moa dia atao fanoharana ny olona ao amin’ ny Soratra Masina. Ny anarana Joba dia hahitana ny foto-teny(racine) iraisan’ny fitiavana sy ny fankahalana.

Manao inona eto ireo biby marobe : Ny ondry aman-osy ve tsy mampahatsiaro ireo tany Betlehema tamin’ny fotona nahaterahan’ ;Jesosy. Ny rameva ve tsy mampahatsiahy antsika ny herin’io biby io izay maharitra tsy misotro rano mihoatra ny iray volana satria mamakivaky ny tany hay. Ny omby dia mampakatra ny lohany sy ny tandrony ka mihandrandra ny lanitra,. Ny boriky hahatsiarovana an’i Jesosy nitaigina zana boriky. Biby nanompo ny Zanak’Andriamanitra. Biby mahay manongilan-tsofina. Izany hoe : mihaino sy mankato ny Teny.

Any amin’ny faran’ny tantaran’I joba dia nahazo zanaka hafa indray. Ny telo vavy dia hitansika ny anarany hoe : Jemima, Kezia, Kerena-hapoka.

Azo lazaina fa revo tamin’ireo fananany sy ny fikorananan’ny zanany ary ny heriny i Joba. Ka na dia tao aza ny fanajany ny lalanà dia toa tsy feno tanteraka ny fiainany. Ny olombelona raha mbola tsy mahatsiaro ho olona sy mahatsiaro ilay nahary azy dia tahaka ny biby. Izany hoe : tsy mbola nifoha tanteraka ho babon’Andriamanitra.

Rehefa tonga teo amin’ny fiovana i Joba. Izany hoe teo amin’ilay fotoana nitsanganany dia lasa olom-baovao izy. Notriariny ny lambany izay mariky ny harena , naratany ny lohany kanefa ny volon-doha dia mariky ny hery sy ny tanjaka. Ary dia niankohoka izy toa miverina tahaka ny tany-anaty kibo. Milaza amintsika izany fa misy ny fiovana ary tonga olona vao ho hateraka indray. Ny teny hoe nitsangana eto dia manambara ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty amin’ny teny hebreo. Tsy natao fotsiny eo io, fa manan-danja tokoa eo amin’ity toko ity.

Izany no mahagaga antsika rehefa mahita an’i Joba sy ny vadiny miresaka. Manizinginzina ’ilay vadiny fa mbola marina tokoa rangaha. Nefa dia izao no mitranga. Miampy ny aretin-koditra. Ary hoy ilay ramatoa hoe :Mahafoiza an’Andriamanitra, dia aoka ho faty. Ny fisian’ireto olona roa ireto dia mampahatsiaro koa ny tantaran’i Adama sy Eva. Tsy nampihontsina an’i Rangaha izany, fa vao maika nampijoro azy tao anatin’izao fahoriana izao ka niteny hoe : Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin’Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa ?

Voatsindrona hatrany amin’ny lalina indrindra i rangaha, any anatin’ny fanahiny ary any no hanomboka ny fiovany.

Tahaka ny zaza mihohoka ao an-kibon-dreniny ê( position foetale). Niverina toa hatrany an-bohoka. Ireo zavatra nitranga dia nandalo fotoana maro, ary nanova azy ka teraka indray izy. Mbola tao anatin’ny tsy fahatsiarovan-tena.

Tadidinao ve ny tenin’i Nikodemosy tamin’i Jesosy hoe : Ataon’ ny olona ahoana ny hateraka indray, moa mbola afaka miverina any an-kibon-dreninny indray va izy ?

Taon-jato maro ny elanelan’i Joba sy Nikodemosy, fa Andriamanitra iray ihany no hivahany sy inoany ? Ary Andriamanintsika taty aoriana, satria Andriamanitr’i Jesosy Kristy.

Eo amin’izao fahateraham-baovao izao dia tsy hiteny toa ilay ramatoa i Rangaha fa hanao hoe : Mitenena tsara( tsofy-rano i ) an’Andriamanitra ianao, ka miova. Ary koa hoe : Moa tsy ny Fahazavana (soa) koa no raintsika avy amin’ Andriamanitra, ka aoka ho lavintsika ny fahamaizinana ( rastsy).

Izay vao feno ny fahatanterahan’i Joba, rehefa tonga tao an-tsainy ireo ary nahatsapa izany ny fanahiny. Tonga olom-boahary vaovao indray izy. Tsy voatery hisy loza vao hahatsiaro ny olona fa zava-boahary noharian’Andriamanitra izy.

Any amin’ny toko farany amin’ny boky dia hahintantsika ny fahasambaran’i Joba rehefa sitrana ara panahy izy sy nanan-zanaka hafa indray izy. Ry havana noforon’Andriamanitra hatrany am-bohoka ny olona tsirairay, ary novonjeny tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Aoka ho tia Azy tahaka an’i Joba isika ary hifikitra Aminy mandritra ny fiainantsika. Fa ny fahasitranantsika ara-panahy no hahatonga antsika ho tia an’Andriamanitra Mpahary. Amena.