Misy mangataka amin’ny fizahan-teny ny hisin’ny tantara mampalahelo. Ka dia ireto misy telo atolotro ho anareo mikasika ny Reny.

 Misaotra an’Andriamanitra aho fa mbola velona ny reniko. Izay ny voalohan-teniko.

Reny iray ihany ny ahy fa saingy miovaova isan’andro ny fahitako azy ary mahonena.

Ampahafantariko anao ny reniko.

Izy ilay Ramatoa tonga vao maraina eo amin’ny toeran-panariana fako.Misava izay rehetra ao anaty dababe. Mamaoka mamaoka. Mirotsaka ao mihitsy aza. Mifidy izay ambon-tsakafo tsy ilain’ny tompony intsony. Marikoditra aho mieritreritra izany. Menatra tokoa nefa tsy manan-kohanina intsony. Ny mpandalo mihazakazaka tsy hijery ary manao hoe : « loza izany.Tena tsy mety ».Izay no haverimbrin’izy ireo isan’andro. Aiza ary izy no hahita sakafo ?  He, olona io reniko io ka mahatsiaro noana tahaka anao.

Izy ilay Ramatoa hitanao mivezivezy eo an-dalam-be tsy lavitra anareo. Mihataka haingana ny olona raha vao mahita azy. Mitsetsy tanana mantsy izy na dia tsy tokony ataony aza izany. Feno harina ny tarehiny.Tsy hidiram-pihogo ny volony efa taona maro izay.Tsy nahita rano hisasana izy ka mamofona. Ny hohony lava dia lava.Ny tongony vakivaky. Mitomany aho rehefa mahita azy. Very asa  izy.Namidiny ny fananany. Narahin-trosa izy.Lasa nahantra tanteraka. Nangataka fanampiana izy fa tsy nisy na iray aza afaka namonjy. Hoy mantsy ny mpandalo  « ny tenany aza tsy voakarakarany ka aiza no hanampina azy ! » Indrisy ny fahoriana mafy nihatra taminy no nahatonga azy toa izao. Raha fantatrao mantsy fa olona ange io reniko io.

Izy ilay Ramatoa, handalovanao isan’andro rehefa andeha hiasa ianao. Mipetraka eo amin’ny sisin-trano amoron’arabe. Manolotra ny tanana. Mangataka isaky ny misy mpandalo. Tontolo andro miandry fiantrana. Ny akanjo rovidrovitra. Misy mpandalo aza manao hoe : « mikisana fa aza mibahana ». Oadray olona anie io reniko io.

Tahatahaka izay ny reniko. Maro ny mitsaoka rehefa mahita azy.Tsy mahazaka ny voatantarako teo. Fa saingy izy no reniko ka tiako izy. Na dia mahantra  sy very saina aza izy indraindray dia tiako. Ampatoriko ao amin’ilay trano boritra izy amin’ny alina. Safosafoko ny lohany sy ny tanany mba hampitony azy. Horiko izy raha vizana. Na inona lazain’ny olona mahita azy dia tsara tarehy izy satria reniko.  Horokorohoko izy satria tena mamiko fa io irery no reniko. Tsy mahamenatra ahy ny milaza fa io no reniko.  Misaotra an’Andriamanitra aho fa mbola velona izy. Tratry ny fety koa ianao ry Neny. Ho ela velona e. Mbola ho tafita isika ! Mba tsarovy ary io reniko io.