GALATIANA 5 : 13-18

Iza no tsy hihira sy ho faly rehefa mahazo fafafahana. Afaka aho satria tapaka ny gadra ka rava ny asa sy ny fomba rehetra nentina nanambaniana sy nanandevozana ahy. Olombelona ihany no nanao izany. Na dia isika olombelona aza, raha tsy izay minia mipika, tsy mankasitraka izany. Maika moa fa ilay Andriamanitra nahary tongotra aman-tanana sy nanao ny zava-boahariny, izay ny tsara indrindra dia isika olombelona. Nohariany ny ho mendrika ny olona tsirairay. Nefa ny olona ihany no nitondra fanimbana ny fiainany, ka nitondra fisarahana sy fanilikiliana rehefa tsy hahitany tombon-tsoa. Nefa nifanatona izy rehefa misy hirika hahazona tombony ara-karena ny fihavanana amin’ny hafa. Teraka noho izany ny hafetsena isankarazany.

Androany ny firenena malagasy dia mankalaza ny faha- 44 taona ny nahazoana fahaleovan-tena. Ary dia miarahaba azy ny rehetra amin’izany. Miara-paly amin’ny malagasy koa ny firenena hafa. Mitotorebika ny rehetra. Ary mampiseho amin’ny fomba maro samihafa ny hafaliany. Ny Fiangonana koa dia miara-paly amin’ny vahoaka. Ary mahatsiaro misaotra an’Andriamanitra manokana amin’ny fanompoam-pivavahana, manerana ny nosy. Tsaroana etona ny hira malaza tao ny « Misaora an’i Zanahary … » Androany koa dia mahavariana fa Andro iraisam-pirenenana manohatra ny fampijaliana.

Mahagaga ny hifanindrian’ireo fotoana ireo. Ary mahalasa fisainana lalina .Ary dia misy koa fanompoam-pivavahana izay ataon’ny Kristiana ny alahady akaiky an’io fotoana io hitondrana amam-bavaka ireo izay niharan’ny fampijaliana sy ny fianakaviany.

Ny fampijaliana dia maro karazany. Tsy ho voatanisa eto izany. Izay niharan’izany dia mahalala tsara ny fangirifirina ara-tsaina sy ara-batana. Feno tahotra sy mihorohoro ary raha tsy maty aza dia mitondra takaitra. Tena mampalahelo.

Amin’ny 26 jona dia mampahatsiaro ny fifaliany an’izao tonotolo izao ny firenena malagasy, nefa etsy an-daniny tsaroana koa ny fahoriana entin’ireo izay ampijaliana mihatra aman’aina . Zava-dehibe roa mifanohitra.

Ny teny nosoratana ho an’ny Galatiana eto dia miantefa amin’ny kristiana voalohany indrindra, fa tsy azo hahilika amin’ny hafa. Raha raisina amin’ny fetim-pirenenena ny fahafahana dia tsy mitovy hevitra loatra amin’ny hoe mahaleo-tena. Ny olona, na ny firenena mahaleo-tena dia tokony hahavita tena hampandroso ny vahoaka eo aminy.

Tsy miankina amin’ny firenena hafa. Nefa koa dia tsy mifandraika amin’ny fiainana an-davan’andro izany satria mila ny olona na firenena hafa, isika mba ho fampandrosona ny tany. Izany hoe : mifandray araka izay tandrifiny azy sy mahasoa azy ny tany samihafa, ohatra tsotra izany nefa azo hitarina. Raha miolonolona isika dia tsy mahavita tena fa very eo. Mila mifanavotra ny tany rehetra. Nefa dia tsy tanteraka izany, noho ny antony samihafa. Hany ka mbola ao ny tany mahantra sy mijaly, jereo ohatra ny ao atsimon’i Soudan noho ny herisetra sy ny fanitsakitsahana.

Ny fahafahana dia natao hifanompoana amin’ny fitiavana. Loha-teny lehibe miverimberina ao amin’ny Soratra Masina ny fitiavana. Nefa sarotra tanterahana. Ny fahasarotan’ny fampiarana azy no mahatonga izany. Heverina fa tsy vitan’ny miteny fotsiny hoe tiako ianao dia mandeha ho azy ny fiainana. Fa, mila kolokolina izany fitiavana izany. Mila fandeferana sy faharetana, fampihavanana. Ary famelan-keloka izay sarotra tanterahina koa, satria mila famolahan-tena.

Ny lalàna izay nomen’Andriamanitra ny olombelona dia voafintina amin’ny fehezan-teny hoe  » Tiava ny namanao tahaka ny tenanao ». N’aiza n’aiza aleha, n’inona n’inona atao dia ilaina ny fitiavana, ilay Fitiavana nomen’Andriamanitra. Raha tsy misy ny fitiavana dia tsy lasa lavitra ny fanatanterahana ny asa. Raha hampianatra isika nefa tsy tia manomana am-pitiavana ny fampianarana, na tsy tia manadiady, indrindra moa raha tsy mahazaka ny ankizy hampianarina dia ho sahirana satria toa lasa kapo-batana sy fanandevozana izany. Fa rehefa tiantsika kosa ireo dia feno fifaliana isan’andro ny fotoana hampianarana satria afaka nihoatra ny zavatra manakana ny fandrosoana isika. Tao koa ny vavaka nataontsika mba hampiova antsika ka ho vita soa ny zava-kinendry.

Ny and.fafa 15 dia milaza fa raha mifanohitra amin’ny fitiavana ny asa sy ny toetrantsika dia fandringanana sy fifampihinana no mitranga. Mifandrimpaka ny olona. Izany hoe :  » fahafatesana » no vokany. Tsy misy olona tokony ho tia ny fahafatesana.

Noho izany dia mankahery antsika ny tenin’ny Soratra Masina hoe » Mandehana araka ny Fanahy. Ary hampitandremana koa isika fa ny Fanahy mifanohitra amin’ny nofo. Tsy milaza akory izany fa ratsy ny nofo. Raha ratsy izy io, tsy notafin’Andriamanitra nofo ny olombelona. Fa saingy misy fetra. Ny nofo dia mety levona ohatra. Ny Fanahy maharitra mandrakizay. Ny fiarahan’izy roa ireo dia mampanahirana antsika amin’ny safidy ataontsika satria mandrirotra ny ao anaty, ary mandrirotra koa ny any ivelany. ( Ny and.19 dia milaza ny fampitandremana, raha tohizina ny vakiteny. Ary eo amin’ny and. 22 koa dia mifanohitra amin’izany ).

Voalaza fa raha tarihin’ny Fanahy isika dia tsy ambanin’ny lalàna. Izany hoe : ny herin’ny Fanahy dia ny Fanahin’Andriamanitra no mitantana sy manazava ny saintsika. Ary dia mandeha ho azy ny fanarahantsika ny lalàna. Ny lalàna dia natao koa hahasoa ny olombelona. Tsy mbola nisy lalàna nanao hoe : Mandehana mangalatra, na mamonoa olona. Tsy misy izany hoy isika. Nefa toa mbola misy firenena izay miafara amin’ny famomoana ny didim-pitsarana mivoaka ( peine de mort). Rentsika amin’ny filazam-baovao izany. Mahalasa eritreritra satria mifanohitra amin’ny Filazantsara. Mifanohitra amin’izay voalazan’i Paoly apostoly hoe  » Tiava ny namanao tahaka ny tenanao » (and.13). Tsy misy olombelona tompon’ny aina . Eny, fa na dia ny ahy aza. Andriamanitra irery ihany no tompon’ny aina.

Tandremana koa anefa ny fitenintenenana foana hoe : izay rehetra atao dia sitrapon’Andriamanitra satria izao no voalaza ao amin’ny Baiboly. Hitantsika fa feno tantaran’olona sy firenena maro ao, nefa dia tao ny rendrika noho ny fialonana, ny ady sy ny sisa. Nomen’Andriamanitra saina handinika sy Fanahy hendry ny olombelona, ka izay mankato izany no hahatsiaro ho afaka sy hahaleo-tena satria tsy eo amban’ny lalàna izy fa ny Fanahy masina no mitarika azy ary manaja ny lalàna hatrany raha tsy mifanohitra amin’nyy sitrapon’Andriamanitra izany.

Tompo iray ny Tompontsika dia Andriamanitra izay nanome an’i Jesosy Kristy Zanany nanafaka antsika tamin’ny fahotana ary nanome ny Famonjena maimaim-poana.

Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah Rain’i Jesosy Kristy ho Andriamaniny sy Tompo Mpamonjy azy