Joela 4 : 18 – 21

Raha mbola mihiratra ny masonao ka afaka mamaky izao soratra izao dia tsarovy fa tia anao ny TOMPO. Nomeny anao hatrany ny fahavelomana ka mitoetra eo anilan’ireo olon-tianao, ny fianakavianao, ny mpiara-belona aminao. Lehibe noho ny soa ataontsika amin’ny olona izany. Tsy misy takalony fa namela heloka ny TOMPO. Tsy vao izao fa efa ela fa angamba tsy renao na tsy tsapanao raha tsy anio. Koa miarahaba anao miara-misaotra an’Andriamanitra mitantana ny diantsika na dia ao aza ny zava-tsarotra lalovana eo amin’ny fiainana tsindraindray.Izany zava-tsarotra izany dia efa voalazantsika araka ny niarahantsika tamin’ny JOELA mpaminany na mpitoriteny nandritra ny herinandro masina.

Koa andeha hijery ny famaranana ny toriteny isika.

Somary mifanohitra ny tenin’i Joela satria lazainy ny zava-doza hahazo ny tany Ejipta dia ny hain-tany izay hiteraka fahasimbana lehibe. Matetika izay no fisainan’ny olombelona mihevitra fa tsy maintsy misy valiny ny ratsy ataon’ny fahavalo. Izay koa no tandremana amin’ny lazain’ny mpitoriteny rehetra tsy hanafangaro ny fomba famalian’Andriamanitra sy ny famalian’ny olombelona.Mahagaga ilay fomba fisainan’ny olombelona.Izay no mahatonga ny maro hihevitra fa Andriamanitra no mandefa loza amin’ny olona.

Fa raha mijery ny fahaveloman’ilay firenena voahitsakitsaka isika dia ho variana satria na dia kely aza ny fanantenana dia avy ny fotoana hijorona.Hialana amin’ny fahafatesana.

Izao no voalazan’i Joela « Hipoipoitra ranom-boaloboka ny tendrombohitra. Ny voaloboka mantsy no voly tena maniry tsara any amin’ny faritr’i Joda iny no sady talaky andro amin’ny tolak’andro ka mandrombona ny voaloboka.Io koa no fisotro amin’ny taom-pifaliana rehetra. Handrika ronono ny havoana. Velona koa ny biby fiompy, ary amin’ireo izany hanome ronono dia hitondra sakafom-pivelomana izany. Hisy loharano hivaoka avy ao amin’ny tranon’ny TOMPO. Misy dikany roa dia ny rano tena rano izay ilain’ny olona, ho sotroina satria raha tsy misy ny rano dia fahafatesana no hita. Fa ny loharano faharoa dia ny hipoiran’ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny tempoly.Teny mitondra sy mizara fanantenana. Koa na ny rano tsotra na ny teny dia samy hanalana ny fahamainana nandalovana tamin’ny fotoan-tsarotra sy ny ho avy. Hiparitaka izany satria tsy azo fihininina na tazonina ho an’ny tena fa ho an’ny rehetra. Ny tempoly mantsy dia heverina fa fialofan’ny olona mitady famonjena.Nefa tonga ny andro hivelaran’izany famonjena izany ho an’izao tontolo izao. Ka izao tontolo izao velona sy miaina.

Ankehitriny dia maro ny zavatra mandidona antsika amin’ny andavan’andro.Mety hampianjera na hanindry antsika tsy ho tafarina ka toy ny maty. Nefa ity bokin’i Joela ity dia mampahatsiaro antsika Fanantenana lehibe. Ny olombelona  ihany no mahatonga ny fiainana ho tsara na ratsy. Ny fiverenana amin’Andriamanitra dia zava-dehibe. Izany hoe ny fanovana ny toetra sy ny fomba tsy mety.Raha mbola tsy miova ireo dia mbola mitoetra ao amin’ny fahafatesana ary tsy hahita fifaliana.

Ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty no torina ? Tsy rehefa mikipy ny maso vao miaina izany fa dieny izao. Izay tsy inona fa ny fihatsaran’ny fiainan’ny tsirairay ka niteraka fifaliana ho azy izany. Ny mpamitaka iala amin’ny fitaka, ny mpamono olona iala amin’ny famonoana olona, ny mpangalatra iala amin’ny fangalarana, ny Fiangonana hijoro amin’ny maha-fiangonana azy sao fianganana maty feo sy maty eny am-pandehanana ka tsy misy hahitana izay maha-mpanaraka an’i Kristy azy,  ny mpitondra fanjakana sy manam-pahefana hitondra araka ny marina sy ny rariny, ny mpisotro zava-mahamamo diso tafahoatra dia hiala amin’izany, ny mpandroba hiala amin’ny fandrobana,ny mpanendaka iala amin’ny fanendahana, ny mpampianatra hampianatra amin’ny fahendrena,ny mpitsabo tsy handray kolikoly vao hitsabo, ny fitsarana tsy hanadino fa mbola misy mpitsara marina ambony noho izy dia Andriamanitra…

Raha mbola mifikitra amin’ny zavatra tsy mety fa mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra dia mitoetra ao amin’ny fahafatesana. Fa ny fanapahan-kevitra hiala amin’izany dia mampiditra ny fiainana ao aminao.Ny fiainana mandrakizay.  Tsy misy afaka manao izany eo amin’ny toeranao afa tsy ianao ihany.

Raha tiana hipoipoitra indray ny ranom-boaloboka, sy handriaka ny ronono, ary ho feno rano ny lohasaha dia irio  ny fahavelomana ao amin’Andriamanitra.

Fa izay mino dia maty ao aminy, ary izay mino dia velona ao Aminy. Fa ny Andriamanitry ny mpino dia Andriamanitra velona.Eny, velona tokoa ny Tompo.