Alakamisy  masina

                                                              Joela 2 : 18  – 27

                                                           Miara misakafo isika

Ny fotoanan’ny Alakamisy masina dia nafantoka amin’ny fahatsiarovana ny niarahan’i Jesosy niara-nisakafo tamin’ireo mpianany. Nizara ny mofo sy divay izy hilazana ny tenany sy ny rany. Ny sakafo izay omena dia kely raha dinihina satria mofo ihany.Saingy sakafo mahavelona satria mifono ny Tenin’Andriamanitra.Teny feno hamamina sy fitiavana no atolotry ny Tompo Jesosy izay manaraka azy.

Miverina indray amin’ny bokin’i JOELA isika . Hita taratra ao izany teny mamy izany rehefa nandalo loza ny firenena. Nanao teny fampanantenana hampitraka ny vahoaka ny TOMPO. Miantra Izy (and.18).Tonga Izy hamonjy  ary  handefa varimbazaha sy ranom-boaloboka ary diloilo vaovao. Ho voky ianareo hoy Izy. Tonga ny teny  mamelombelona ny tena sy fanahy.Hihiratra indray ny masoandro.Na ny fahavalo izay tena mahery tamin’ny ady aza dia horoahiny (and.20). Teny mahatoky no ho tanterahiny « aza matahotra , mifalia sy miravoravoa »(and.21).Na dia ny biby aza tsy tokony hatahotra intsony.Omeny koa ny lohaorana.Ho feno vary ny famoloana(and.24). Izay rehetra nohanin’ny valala dia honeran’ny TOMPO (and.25). Lasa izany ny haizina, ny hakivina. Miverina ny fahazavana. Tonga ny sakafo mahavelona avy amin’ny TOMPO. Mitsiry ny voly.Mitsiry ny fanantenana ao am-pon’ny olona. Teny toa ny sakafo hamelona, teny feno fitiavana.Izany no zarain’ny TOMPO. Resy ny fahavalo, maty ny andiam-bibikely.

Talohan’ny hisamborana azy no nanao  ny fanasana Jesosy.  Nantsoiny ny mpianatra mba hihinana miaraka Aminy.Ary indrindra hampita izao fizarana ny mofon’aina izao.

Ny mpianatra  sy  ny mpanara-dia an’i Jesosy dia tsy natao hamihina ho antsika irery izany mofon’aina izany fa hizara izany.

Hizara izany ho an’ireo izay eo ankilantsika, ho an’ny namana, ho an’ny fianakaviana, ho an’ny firenena satria maro no resin’ny hakivina noho ny zavatra sarotra mitranga eo amin’ny fiainany ka ohatrin’ny sompanga mihinana ny voly izay hananany.

Hizara izany ho an’ireo mahantra izay tsy manana toerana hatoriana akory fa mivezivezy en an-dalambe.Na dia mangataka aza dia itsoahan’ny maro.

Hizara izany ho an’ny mpitsao-mponenana satria ao anatin’ny ady ny taniny. Potika ary tsy misy azo raisina ny fananana sy ny voly.

Raha nizara mofo ho an’ny olona dimy arivo Jesosy ka voky ny vahoaka na dia kely aza izany mofo izany.Dia voky ny vahoaka satria mofo nahatsapana ny hafenoin’ny fitiavan’Andriamanitra tamin’ny fizarana izany. Koa ataovy am-pitiavana izay rehetra ataonao.Fa hitondra fahavelomana ho an’ny hafa izany.Izany no hafatry ny Soratra Masina ho anao androany sy amin’ny andro ho avy rehetra. Ho hitanao ny fiovana lehibe raha manatanteraka izany ianao.Ho anao, ho an’ny manodidina anao, ho an’izao tontolo izao.Andramo ary.

                                                           Zoma masina 2018

                                                             Joela 3

                                                            Ny andro farany: fijaliana

Ny Zoma masina kosa dia fotoana hahatsiarovana ny nanjo an’i Jesosy nanomboka teo amin’ny fikasana hisamborana azy sy ny nahafatesany teo ambony hazofijaliana. Matetika ny vakiteny mikasika izany no atao mandritra ny fotoam-pivavahana. Misy manao izany tantara izany amin’ny alalan’ny hira manontolo.
Ny zavatra nitranga dia nampalahelo.Nefa fotoana nahitana koa ny finoan’i Jesosy hanatanteraka hatramin’ny farany ny asa izay nanirahana azy. Nifanjevo ao ny fahazavana sy ny haizina.
Andeha hiverina amin’ny bokin’i JOELA. Zavatra roa lehibe mifanohitra no hita amin’ity toko faha-3 ity.
Ny andininy 1- 2 dia hahitana ny firotsahan’ny Fanahy Masina amin’ny nofo rehetra. Samy manana anjara amin’izany daholo ny olona tsy an-kanavaka. Manamafy izany fa tsy tamin’ny Pentekosta akory vao latsaka ny Fanahy.Fa efa nisy hatramin’ny ela.Eny talohan’ny andro nahaveloman’i Joela mpaminany. Ny Fanahy izay mirotsaka dia hampitory teny ny zanakalahy sy ny zanakavavy. Ny Tenin’Andriamanitra no holazaina.Eny fa na ny mpanompolahy na mpanompovavy izay ataon’ny olona tsinontsinona aza dia handray izany herin’ny Fanahy izany koa. Tsy nisy niangarana.
Ny andininy 3-4 dia nampiseho ny zavatra izay mitranga teny an-danitra. Tsy dia tsara ny andro tamin’izany. Ny masoandro sy ny volana tsy tsara jerena toy ny haizina sy ra ary setroka. Fotoana mampitebiteby ary hatahorana ny fahafatesana aza
Ny andininy -5 dia manome fanatenanana.Izay rehetra miantso ny anaran’ny TOMPO dia ho voavotra.
Saika tahaka izany no niseho rehefa nohombohona teo amin’ny hajofijaliana Jesosy. Nanatrika teo ny vahoaka sy ny fianakaviany . Ratsy ny andro.Ny haizina nandrakotra ny tany manontolo. Nihovitovitra ny tany.Nihamaizina ny masoandro. Tao antin’izany rehetra izany no niantso ny Rainy Jesosy: « Ray ô eo an-tananao no atolotro ny fanahiko ».Teny izay noraisiny tao amin’ny hiran’ny Salamo(31.5). Ny vahoaka rehetra nanatona nijery ny zavatra niseho ary dia nitehi-tratra avy eo.Fa ny naman’i Jesosy sy ny fianakaviany dia mbola nijanona teny lavidavitra. Fa tao anatin’izany rehetra izany koa no naharenesana ny fanemkem-pinoan’ilay kapiteny niteny hoe: « Marina tokoa fa Zanak’Andriamanitra io Lehilahy io » (Marka 15:39). Natoky ny TOMPO JESOSY fa miverina any amin’ny Ray ny fanahiny. Mahagaga fa maharitra hatramin’izao ny fahatsiarovana ny tantaran’i Jesosy.Ary mampita izany amin’ny taranaka mandimby ny adidin’ny kristiana. Isaorana ny Tompo.

                                                             Asabotsy 31 marsa 2018

                                                              Joela 4: 1- 17

                                                              Ny fahafatesana

Ny asabotsy kosa dia fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy. Maty ny Tompo. Ny Fiangonana dia tsy manao fanompoam-pivavahana ny fotoanan’ny asabotsy. Fa samy mandinika any am-po any ny zavatra niseho.Tahaka ny fisin’ny fahafatesana eo amin’ny fianakaviana iray. Misy fotoana hanginana sy hieritreretana.
Izay koa no mahatonga ny kristiana tsy hanao fety amin’io andro io. Na hankalaza mariazy. Fa mangina.Ny fandevenana afaka atao.
Mangina satria tsy takatry ny saina ny anton’ny fahafatesana. Mandratra ny fo sy saina. Taty aoriana vao nazava fa noho ny famonjena ho an’izao tontolo izao no namoizan’i Jesosy Kristy ny ainy. Ary dia miomana amin’ny fiandrandrana ny Paska ho amin’ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty.
Ho an’ny Fiangonana , Ity fahatsiarovana ny fahafatesan’i Jesosy ity koa dia hiarahana amin’ireo olona marobe eran-tany namoy hava-malala. Noho ny antony samihafa:
– ao ny efa lehibe ka mifarana ny taona hivelomany eto an-tany.
– ao ny vao teraka ka tsy niaina afa tsy segondra fotsiny teto an-tany.
– ao ny maty noho ny aretina.
– ao ny maty noho ny herisetra isakarazany.
– ao ny tsy hita faty
– ao ny namono tena …
Izany antony rehetra izany dia miteraka alahelo sy ranomaso. Ilaina fahanginana.Ary matetika dia miverina ao an-tsaina ny loza izay nisy teo amin’ny fiainan’izy ireo.
Raha miverina eo amin’ny bokin’i JOELA isika dia ho hita ao fa miteraka fahafatesana ho an’ny olona sy ny firenena iray ohatra ireto voalaza ireto. Joela 4 andininy 1- 8
– ny fielezan’ny firenena tany amin’ny tany hafa.Lasa voazarazara ny mponina.
– ny fizarazarana ny tany.
– ny fanakalozana olona tamin’ny alalan’ny antsapaka.
– ny fivarotan’olona.
– ny fangalarana ny haren’ny tany.
– ny fakana ny fanaka ho an’ny toeram-pivavahana hafa.
– ny famindrana tany ny olona ho lavitra ny taniny.
Izany rehetra izany dia hiteraka ady mba hanavotana ny firenena (andininy 9 – 17).
Ny toriteny ataon’i JOELA dia mbola marina amin’izao androntsika izao.Jereo ny fiainana eto amin’izao tontolo izao dia mazava ho anao izany. Mandiniha sy mieritrereta.