Amin’ity herinandro masina 2018 ity andeha hiara-dia amin’ny famakiana ny bokin’i Joela mpaminany. Efatra (4) monja ny toko ao amin’ny bokiny  ao amin’ny Testamenta taloha. Noho izany dia nolazaina fa Mpaminany kely izy.Mafonja anefa ny voalaza ao anaty boky. Na dia atao aza fa misy hifandraisany amin’ny zavatra mitranga any amin’ny tany sasany eto amin’izao tontolo izao. Tsy milaza izany akory fa efa naminany ny amin’ny tany sy firenentsika Joela ohatra. Fa ny zavatra tamin’ny androny no toriny ary nanao ohatra maro izy ny amin’izany. Izay no tena maha-mpanoratra mahay ny nanoratra ny bokin’i Joela. Afaka mamaky ny Baiboly ny olona rehetra tsy ankanavaka mba hahalalana koa ny fanampin’ny tantara sy tsy ho hadino. Satria mety hahazo ny rehetra ny toa izao.

                                   Alatsinainy 26 Marsa 2018

                                        Joela 1 : 1 – 12

                                     Ho avy ny fijaliana

Ireo zokiolona no hitenenan’i Joela. Ireo  olon-kendry. Manana andraikitra voalohany eo amin’ny fitondrana amin’ny fanoroan-kevitra.Amin’ny fitantana ny firenena  tamin’izany fotoana izany. Adidy lehibe izany.

Mihainoa fa aza variana hoy Joela. Diniho ny maha-zokiolona. Ny tany rehetra izay voalazany eto dia ny tany izay fantatra koa tamin’izany fotoana izany satria tsy mbola voafaritra tsara tahaka amin’izao androntsika izao. Hita amin’ny firenena sasatsany ny zavatra mitranga eto. Manadina ny zokiolona i Joela  raha efa nisy toa izao tany tamin’ny fotoanan’ireo razam-be . Lazao  ny zanaka sy ny taranaka mifandimby : Ny amin’ny loza mitranga. Sao hadino ka miverina noho ny tsy fitandremana no antony ilazany izany.

Inona io tantara hampitaina io : ny fahavalo mananika ny tany sy ny loza haterak’izany, dia tsy inona fa ireo andiam-bibikely mamono. Ny andiam-bibikely koa anefa dia mety ho ny miaramila manafika satria tsy nisy mpanjaka tamin’izany fotoana izany fa ny mpisorona no nitantana ny vahoaka.

Ireo bibikely ireo dia mihinana ny voly : Andininy faha 4 :

Izay sisan’ny kijeja (chenilles)

Dia nohanin’ny koraika, (sauterelles)

Ary izay sisan’ny koraika

Dia nohanin’ny valalavao, (hannetons)

Ary izay sisan’ny valalavao

Dia nohanin’ny sompanga. (criquets)

Mihinana ny voly tsy mijanona ny bibikely. Tahaka ny firenena mahery sady tsy hita an’isa.Tsy misy maharesy azy satria : ny nifiny dia nifin’ny lion-dahy, ny vazany dia vazan’ny liom-bavy (and.5).

Maty ny sahan’ny voaloboka, tsy misy intsony ny divay,ny voly rehetra ka tsy misy atao fanatitra intsony. Ny fototsakafo dia rava : ny vary izany. Notapatapahiny ny aviavy, nokikisany sy nohendahiny tanteraka,tonga fotsy ny rantsany. Rava ny saha. Maina ny diloilo. Majifa ny vokatry ny tany. Misaona ny tany fambolena. Milaza fahafatesana izany ary miatrika fahafatesana ny firenena. Mbola misy antenaina ve ?

Miampy izany ny hain-tany

Maina sy malazo ny hazo rehetra any an-tsaha.

Ity soratra ity dia nofaranan’i Joela mpaminany amin’ny hoe « Malazo ny fifalian’ny zanak’olombelona ». Misy dikan-teny toa izao koa milaza izany « Maty ny fifaliana ao amin’ny zanak’olombelona ».

Misaona ny tany sy ny mpisorona.  Potika izay nolalovan’ny fahavalon’ny firenena. Tsy niantra  izy ireny. Izay hahamosarena ny olona no nataony. Na ny zavatra tsara aza dia nesorina tsy ho am-bavan’ny firenena intsony (and.5b).

Aoka tsy ho diso hevitra isika ka hilaza fa efa naminany tamin’ny firenentsika Joela. Fa zavatra nisy no tantarainy. Ary mampitandrina ny taranaka mifandimby izy mba tsy ho varimbariana ny amin’ny loza mihantona eo an-doha. Ahoana no nandresena ny karazam-pahavalo rehetra tsy hanapotika ny tany sy ny firenena sy ny harena tamin’andron’i Joela ? Ary ahoana amin’izay tany iharan’izany ankehitriny ?

                                        Talata 27 mars 2018

                                            Joela 1 : 13 – 20

                                          Andro maha-ory

Mbola mitohy ny toritenin’i Joela mpaminany. Miteny mivantana amin’ireo mpisorona izy. Toy ny manao hoe : tonga ny fotoana hivorianareo sy ny vahoaka. Ao anatin’ny fisaonana ny tany.Tsy misy na dia iray aza tsy hitomany mahita izao loza izao. Ny alina ho mampalahelo.

Indrisy hoy Joela, manakaiky dia manakaiky ny fandravana. Tsy miafina amintsika ny fahaverezana ny hanin-kohanina. Na ao an-tranon’Andriamanitra aza dia tsy hahitana fifaliana intsony fa foana ny fitehirizan-tsakafo rehetra.

Tsy ny olona ihany no iharan’ny loza fa ny biby koa, ny omby, ny osy, ny ondry.Toa mahalala koa izy ireo ny zavatra mihatra amin’ny tany ary ho ringana koa koa.

Eo amin’ny and.19 dia mampiakatra vavaka i Joela. Mitaraina. Tsy misy na inona na inona intsony satria main’ny afo ny voly. Na ny rano hamonona ny afo aza efa ritra. Fongotra tanteraka ny zava-maniry rehetra. Na ny biby aza toa miandrandra ny lanitra miantso vonjy. Mainka fa ny mpisorona sy ny vahoaka ? Inona no atao ? Aiza no misy ny famonjena.

Ho ao an-tsaina fa tamin’ny fotoana naminaniany ireo atao hoe mpaminany kely roambinifolo dia tsy nitsahatra ny ady teo amin’ny firenena .Ary nanjaka ny fahavalo.

                                   Alarobia 28 marsa 2018

                                        Joela 2: 1 – 17

Eto izany dia tonga ny fotoan’andro lehibe dia ny ady.Izay hampitahan’i Joela amin’ny Andron’ny Tompo. Tonga ny fahavalo. Raha zatra mijery « film » sy « bande dessinée » misy ireny mpiady ireny ianao dia tsy misy valaka amin’izany no zavatra mitranga eto.

Rehefa tonga ny fahavalo hamono sy hanapotika dia maizina ny tany na dia atao aza hoe misy masoandro eny amin’ny lanitra. Firenena matanjaka ary tsy misy toa azy no hanafika. Izay handalovany dia hianjera avokoa.

Ireo andiam-bibikely mantsy dia ampitahana amin’ny olona.Nefa raha ny marina dia ny olona tokoa no hanafika eto.Vatan-dehilahy avy amin’ny firenena mahery. « mitondra afo handorona izy ireo. Misy afo eo alohany sy aoriany koa aiza no hanoherana azy.Ny zavatra tsara rehetra teo alohany dia ho potika daholo.  Ny tarehiny dia toa ny tarehin-tsoavaly vonona ny handripaka, migorodona ny kalesiny. Ny soavaly ny nampiasaina tamin’izany, efa voalamina hiady, mananika ny mpiady, tsy vaky laharana,tsy misy mihemotra na dia ao aza ny lefona,miditra eo am-baravarakely ».

Eo anoloan’izany dia raiki-tahotra ny firenena (and.6). Mivaloarika ny tarehy. Kivy tanteraka, diso fanantenana. Ny fahavalo dia tsy matahotra ny ho faty(7).

Eo amin’ny and.12 -17 dia miteny amin’ny zanak’Israely i Joela mba hiverenany amin’Andriamanitra. Izao no lazainy : aza mihatsaravelatsihy, miverena, triaro ny fonareo,miantsoa fivoriana masina, antsoy ny zokiolona sy ny ankizy,ary ny zaza minono. Aza misaratsaraka .Ny rehetra miaraka amin’ny mpisorona hiteny hoe « Iantrao ny olonao, ry TOMPO Ô ! » mba tsy hitenenan’ny olona fa nafoin’ny TOMPO ny olony.