Marka 11 : 1-10

Inoako fa tsy isaky ny mankalaza ny alahadin’ny sampan-drofia ny kristiana vao hiteny hoe : Hosana, Hosana ho an’ny zanak’i Davida. Efa tsy eto ambonin’ny tany intsony mantsy Jesosy ka tsy hiazakazaka ho an’i Jerosalema ny rehetra. Fa amin’ny toerana misy ny tsirairay dia azo hilazana izany.

Hosana dia manana dikany roa ao amin’ny Soratra Masina : 1° Vonjeo izahay 2° Hisaorana anie ny Tompo na hotahiana anie ny Tompo.

Vonjeo izahay. Izany no teny atao amin’i zanak’i Davida isan’andro dia Jesosy Kristy izay efa maty nefa nitsangana tamin’ny maty mba hitondra Famonjena ho an’izao tontolo izao. Vonjena amin’ny inona  raha ny fiainana andavan’andro fotsiny izao ?

Vonjena amin’ny ady !

Amin’ny ady satria io no miteraka fahantrana mafy ho an’izay tratrany. Na tany na olona. Maro ny mitsao-ponenana. Maro no maty izay tsy ny mampiasa fitaovam-piadina ihany fa ny olon-tsotra.

Ady eo ambony latabatra izay mihitatra ho tena ady eo amin’ny firenena maro. Samy momba izay tiany sy hahazony tombontsoa. Izany dia vokatry ny fitadiavan-karena.

Hany ka maro ny tsy manan-kohanina. Na dia ny tany ambolena aza tsy misy.Na ny rano hosotroina sy hampanirina ny voly aza tsy misy. Ary matetika tsy tompon’ny tany intsony ny tena.

Ny ady sy ny fahantrana dia miteraka aretina maro. Ao ny aretina tsy resin’ny fanafody fa ao izay mitranga isan’andro ary tsy mbola hita ny hanafoanana azy. Amin’ny tany miady zara raha misy fanafody. Mandady ny olona vao mahita.

Vonjena amin’ny halatra !

Isan-karazany ny halatra .Hatrany amin’ny kely indrindra sy lehibe indrindra. Halatra any an-trano, any an-tsena toy ny mpangarom-paosy, any am-piasana, any am-pianarana, any amin’ny toeram-pitsaboana.

Ao koa ny halatra  fanana, tany, trano. Ny halatra olona ka hamidy na atao takalon’aina. Ny halatra amin’ny fanaovana hosoka taratasy maro. Ny halatra rehefa misy ny fifidianana.

Vonjena amin’ny fifandraisan’ny olona !

Manomboka eo amin’ny  fianakaviana tsy mifanara-tsaina. Tsy misy fifanajana intsony. Tsy misy fankatoavana.Samy manao azy ho lehibe.Ka misy zanaka mamono ray aman-dreny aza. Mahavariana ilay hoe : tsy mifandevina raha maty.

Vonjena amin’ny fiovaovan’ny toetran’andro !

Ny toetranadro izay miovaova ary miteraka loza toy ny rivo-doza, ny hay tany, ny fisin’ny biby manimba ny saha toy ny valala, ny tantely mpamono izay misy anan-kilometatra maro no halavany rehfa miara-dia,ny tany mihotsaka, ny safo-drano.

Vonjena amin’ny Fitoriana ny Filazantsara ?

Misy dia misy tokoa ny fiangonana mivaona.Ka tsy mijoro amin’y tena fotoriana ny Filazantsara.Fa misy izay manao ny fiangonana hahazona vola be. Ao ny manao fetsifetsy ka manao risoriso aza amin’ny asa fanompoana. Na mampanantena zavatra tsy hisy mihitsy.Ary toa tsy hita izay maha vavolombelon’i Kristy azy. Samy mahalala fa misy izany fa dia samy manakipy ny masony. Izay miteny dia voahenjika.

Vonjena amin’ny vola !!

Ny vola no lasa andriamanitra. Mivavaka amin’ny vola fa tsy mivavaka amin’Andriamanitra Tompon’ny aina intsony. Ny atsasany an’ny olona fa ny atsasany mody atao hoe ho an’ny asan’Andriamanitra nefa mivily lalana.Andriamanitra tsy mila ny volan’ny olombelona fa ny olombelona no mila vola.  Maro dia maro no voasaringotra amin’izany na dia ny kristiana aza.

Noho izany na dia hidradradra hitady vonjy aza ny olombelona dia kely finoana aho ny hahitany izany. Satria efa nomen’Andriamanitra saina hisafidy ny ratsy sy ny tsara.Nefa dia mifidy ny ratsy ka izy ihany no mamono ny tenany sy ny fireneny ary ny fiangonany ary izao tontolo izao.

Moa ve dia mihevitra isika fa apetraka ao anaty vilany ny vary ho masaka dia ho masaka ho azy eo. Mila afo na zavatra hafa. Fa tsy Andriamanitra no hankao an-dakozia ka hanamasaka ny vary. Tahaka izany koa. Raha maloto ny tanana, tsy Andriamanitra no hanadio azy fa ny olona.Efa nomena kofafa sy fitaovana. Misy aza manao fandotoana ary atao fanahiniana. Raha resin’ny kolikoly ny maro tsy Andriamanitra no hamonjy anao ka hoe aiza ity vola fa tsy mety izao.Fantarao fa tsy mety fa dia atao ihany. Sy ny sisa maro samihafa.

Tompon’andraikitra amin’izay ataontsika isika fa tsy ilaina ny manilika amin’Amin’Andriamanitra ka miteny lalandava hoe : Tsy mahalala an’Andriamanitra angaha ireo.

Ireo famonjena rehetra tadiavintsika mba hivaha etsy ambony dia isika olombelona no handrasan’Andriamanitra hamaha izany fa tsy anao toy ny kamo ka hiandry lava eo.Andriamanitra koa miandry anao hiasa. Hampiasao ny hery izay efa nomeny anao dia ho voavonjy amin’izay tadiavinao ianao.Nomeny saina maranitra ianao ka aza matoritory.

Hosana : Isaorana ny Tompo !

Isaorana ny Tompo satria nomeny aina ho velona isan’andro ary manome toky izy fa hiara-dia aminao. Fa raha mivily lalana ny olombelona dia manalavitr’azy.

Isaorana ny Tompo fa efa nampahitratra ny masonao Izy ka mety ho jamba intsony. Hosana ! Hosana ! Eran-tany.