Ity ny tantara mampalahelo faha-4. Nisy raim-pianakaviana iray izay tena nanankarena. Tsy nisy olana ny  trano nipetrahana fa toa ny lapa. Tao daholo ny nilaina rehetra, ny efitra malalaka ho azy mivady sy ny efitra tsirairay ho an’ny zanaka. Nisy olona mpanampy tamin’ny fikarakarana ny trano : fanadiovana, fanaovan-tsakafo ary nisy jaridaina mahafinaritra ny tokotany. Nitsiriritra daholo izay nahita izany. Nahavita fianarana ambony dia ambony ny zanaka rehefa niha-lehibe.Tao ny mpitsabo, ny mpampianatra , ny lehiben’ny banky, ny miaramila ambony grady, ary nisy hatramin’ny mpitsara nikoizana ny fahaizany. Izany rehetra izany dia toa milaza fa tsara taiza ireo zanaka ary tafita. Somary nirehareha aza izy mivady ny amin’izany. Tao koa ny fananana fiarakodia tsy dia misy firy eo an-tanana. Afaka nanao fizahan-tany any amin’izay tiany rizareo. Nandeha ny andro, ny volana ary ny taona.

Indray andro tonga ny huissier nanolotra taratsy fa misy fiantsoan’ny tribonaly ny raim-pianakaviana izay efa lehibe taona ihany izao taty aoriana. Nandeha ny raharaha teny amin’ny tribonaly ary nafeniny ny zanany izany. Afa tsy ny vadiny sy ny zanany miasa amin’ny banky. Tonga koa ny fisavana tao an-trano avy amin’ny manam-pahefana nalefan’ny tribonaly. Afaka fotoana vitsivitsy dia nandeha tamin’ny haino aman-jery ny raharaha.Tsy nisy izay tsy nahalala ka akory ny fahatairana sy hagagan’ny maro. Indrindra ny olona tao amin’ny fiangonana nisy azy.

Nisy fianakaviana iray izay mantsy izay nitory fa ny tany hipetrahan’ilay mpanakarena dia tsy azy fa nataony an-tery mba ho azy tamin’ny tompony.Ary noroahany ilay tompony. Noho ireto olo-mahantra dia tsy sahy nanao na inona na inona.Fa izao ela aty aoriana vao mihetsika. Nafana ny ady teny amin’ny tribonaly. Maro ny olona tonga mijery rehefa mandeha ity raharaha ity. Samy te-hahalala ny marina. Afaka herin-taona dia voalazan’ny tribonaly fa diso ilay mpanakarena satria nanao hosoka no nandainga. Sarotra ilay raharaha fa voaporofo ihany fa nanana ny zony ilay fianakaviana nitaraina.

Nandritra ny ady teny amin’ny tribonaly dia nitady ny fomba hanamarinan-tena ilay mpanakarena.  Ary namory ny zanany ny amin’izay tokony atao. Rehefa teo daholo dia ilay zanany mpitsara nihaino dia nihaino.

Niala tsiny izy fa tsy afaka miala amin’izay marina indrindra ny amin’ny fisin’ny porofo mazava. Tsy nety nivory tamin’ny fianakaviany intsony taty aoriana. Satria heveriny fa amin’ny maha-pitsara azy dia tsy maintsy manaraka ny lalàna izy. Raha mety ny nataon’ny raiko dia ho afaka izy.Raha tsy mety dia tsy maintsy hampiarina ny lalàna. Izay koa no nitaizany anay hatramin’izay. Fa dia mahagaga ny fitiavan’ny raiko harena tamin’ny fomba tsy mety hoy izy.

Ilay rainy sy ilay rahalahiny miasa amin’ny banky dia nitady hevitra mba tsy ho voarohirohy amin’izao zavatra izao.  Niadivan’izy mianaka ireo ilay mpitsara satria mba fianakaviana ihany nefa tsy mety hanavotra azy. Toy izao no navalin’ilay zanany : Zava-dehibe ny nampianaranao anay ny fahamarinana, ny fanajana ny asa, ny fiarovana ny madinika sy ny voambaka ka tsy afaka mivadika amin’izany aho satria efa nianiana hanaja ny lalàna eo amin’ny fampiaharana azy.

Tezitra mafy ilay ray, sy rahahalahy ka nanao vava tsy misy ohatrin’izany. Tezitra koa ny renin’ilay mpitsara fa hoe tsy mba mahalala fa fianakaviana ireo sady ray niteraka, no rahalahy mpiray tam-po amin’ny tena.

Nahatsiaro ny tantaran’i Zakaiosy ilay mpitsara fa tamin’ny andron’i Jesosy rehefa nahita fa tsy nety ny natao dia niaiky teo anatrehan’ny Tompo i Zakaiosy  fa diso. Ary niezaka hanonitra ny halatra rehetra nataony tamin’ny famorian-ketra.

Ny fiafaran’ny tantara moa dia niditra am-ponja ilay mpanakarena sy ny zanany lahy iray.  Namidy ny ankamaroan’ny fananana handoavana ny sazy. Na dia teo aza ny naha-kristiana ilay mpanakarena  dia nifanohitra amin’ny Filazantsara ny zavatra nataony. Nitana ny amin’izay maha-izy azy tokoa ilay mpitsara na dia sarotra taminy aza izany. Raha nandika ny lalàna izy dia  nibitaka tamin’ny faharatsiany ny rainy sy rahalahany. Ary betsaka ny olon-dratsy afamaina ka tena loza tokoa izany.