TENY HOVAKIANA

GENESISY 18 : 16-33

KOLOSIANA 2 : 1-19

LIOKA 11 :1-13

Mahagaga antsika ny mahita an’i Jesosy eto amin’ity Filazantsara an’i Lioka ity mivavaka. Raha Andriamanitra Jesosy nilainy ve ny mivavaka ? Nefa dia nivavaka matetika, sy maharitra Jesosy. Tsy nampianatra nivavaka fotsiny Izy, na koa nampiseho ny fomba fivavaka fa nangataka nivantana tamin’Andriamanitra Rainy koa.

Amin’izao fotoana izao dia toa mahazo vahana indray ny vavaka indrindra eto Madagasikara , nefa betsaka koa no mahatsiaro ny tsy ilana azy intsony. Tsy vitsy no efa azon’ny fisainana ankehitriny izay mihevitra fa tsy tokony hangatahana amin’Andriamanitra ny hanatanteraka izay anjaranao. Ao koa ny milaza fa fomba fisaina efa nilaozan’ny toetr’andro ny vavaka. Manoloana izany dia miteny tahaka ny mpianatry Jesosy isika ka manao hoe :  » Mampianara anay hivavaka, hataovy fantatray fa ny vavaka kristiana tsy mitovy amin’ny vavaka fanaon’ny hafa.

Tsy nandà ny fangatahan’ny mpianatra ny Tompo. ary dia ny « Rainay izay any an-danitra » fa izany moa no mahazatra antsika ilazana azy no narosony ho an’ny mpianatra. Vavaka manana ny maha-izy azy ho an’izay mitady vavaka modely.

Ny fanotaniana mipetraka dia ny hoe : « Hatao inona ary io vavaka io. Vavaka hatao tsianjery ve ka hijanona tsy hiova amin’io voarakitra ao min’ny Filazantsara io. Jesosy ao amin’ny Filazantsaran’i Matio dia nanakina ny vavaka lava reny sy miverimberina fanao ny jentilisa. Ny manao pli-vava ny vavaka na dia ny vavaka tsara indrindra aza dia tsy mivavaka akory. Tsy milaza izany akory hoe tsy tokony hatao ny vavaka nampianarin’ny Tompo. Mba hahatonga azy ho vavaka tonga lafatra dia tsy maintsy fantatra sy iainana izay voalazany. Mizara roa ny fisaina. Misy ny mihevitra fa tokony ho tafiditra mihitsy ao anatin’ny litorjia ny vavaka nampianarin’ny Tompo, ka raha fanompom-pivavahana tsy misy « Rainay izay any an-danitra » dia tsy fanompom-pivavahana. Ao indray ny mihevitra fa natao ihany ho fakana tahaka amin’ny vavaka hatao izy, ka hijerena izay tokony hangatahana sy ny fomba fangataka azy.

Tsara marihina ihany fa misy tsy hitovizany izay hita ao amin’ny Matio sy Lioka. Nafohezin’ny Lioka ny vavaka ka tsy nolazainy ny hoe : « Hatao anie ny sitraponao…  » sy ny hoe : « …fa manafaha anay amin’ny ratsy » Raha raisina fa tsy tsy azo hiadi-kevitra izay voalaza ao amin’ny Filazantsara dia heverina izany fa nataon’ny Tompo ho vavaka modely ihany ny nomeny ny mpianatra. Misy fiangonana sasany mampifandimby ny « Rainay izay any an-danitra » araka ny voalazan’i Lioka sy ny voalazan’i Matio.

Fa andeha ho jeretsika izay voalaza ao anatiny. Fangatahana fito no hitatsika ao. Ny telo natao ho an’Andriamanitra ny efatra natao ho an’ny olona. Ny hoe  : « fa Anao ny fanjakana… » dia hita ao amin’ny Filazantsara araka an’i Matio fa tsy hita kosa ato amin’ny Lioka. Noho izany dia famaranana ihany ny vavaka nampianarin’ny Tompo ireo teny ireo. Raha izany dia tena feno sy tanteraka ny « Rainay izay any an-danitra » satria ny isa fito dia mampiseho fahatanterahana raha ny Soratra Masina no jerena.

Izay tokony ho marihina dia ny fahitana fa manomboka amin’ny fangatahana mikasika an’Andriamanitra ny vavaka. Marina loatra fa tokony ho izany no izy, saingy tsy izany no miseho matetika fa avy hatrany dia ny mitanisa ny fangatahana ho an’ny tena no mahamaika. Ny nampianarin’i Jesosy dia ny hijerena voalohany ny momba an’Andriamanitra sy ny fifandraisantsika Aminy vao ny fangatahana ho antsika. Hitatsika izany ao amin’ny didy folo, ka ireo didy voalohandoany dia mikasika an’Andriamanitra, ny mikasika antsika olombelona manaraka ao aoriana.

Singanitsika ihany amin’izay voalaza mikasika an’Andriamanitra ny hoe : « Rainay » Izany no nanomboka ny vavaka. Toa manambara fa ny kristiana rehetra dia iray ihany satria samy miantso an’Andriamanitra ho Ray. Ny hanambatra ny rehetra ho iray noho izany no antony ny vavaka. Fa manambara koa izany fa tsy mety ny mangataka ho an’ny tena fotsiny, fa irina koa izay hangatahana mba ho an’ny hafa koa. Raha Jesosy no miteny hoe :Rainay » dia manambara izany fa tena zanak’Andriamanitra isika ary mpiara-mandova amin’ I Kristy.

Raha midina indray isika dia gaga raha mandreha ny hoe  : hohamasinina anie ny Anaranao. Fa moa ve tsy efa masina rahateo Andriamanitra ary inona no azotsika hatao mba namasina ny anarany indray ? Ny mpandinika sasany dia mihevitra fa ny maha-hafa mihintsy ny Anaran’Andriamanitra no tiana ho lazaina. Raha izany ny hangatahatsika amin’Andriamanitra dia ny hahatonga ny anarany tsy ho ampitovitsika amin-javatra hafa. Ho tonga anie ny fanjakanao. Fa inona moa ity fanjakan’Andriamanitra ity ? Ny fangatahana ny fanjakan’Andriamanitra ho tonga dia ny fanirina an’Andriamanitra ho Mpanjaka tokana. Nefa moa Andriamanitra dia namela ny olona ho tompon’ny safidy, noho izany ny hahatonga an’Andriamanitra ho mpanjaka dia miankina betsaka amin’ny olona. Ny mangataka ny hanampiana antsika hahazoantsika hampanjaka Azy no fangatahana hatao raha mivavaka hoe : « Ho tonga anie ny fanjakanao isika ». Ny hoe hatao anie ny sitraponao dia tsy ao amin’i Lioka fa ao amin’ny Matio. Raha atotaly izay mikasika an’Andriamanitra ao amin’ny vavaka dia ny hahatonga ny fikasan’Andriamanitra ho tonga fikasatsika.

Rehefa vita izany dia afaka amin’izay mangataka isika ho antsika olombelona. Jesosy dia manoro hevitra antsika ireto : ny hanina, ny famelan-keloka ary ny fahafahana mandresy ny fakam-panahy. Omeo anay isan’andro izay hanina sahaza ho anay. Raha miteny hoe « anay » isika dia apetratsika ao anatin’izany daholo ny olona rehetra. Sahaza satria misy mahazo ny mihoatra ka arina fotsiny ary misy ny tsy mihinan-kanina akory ao amin’ny indray andro.

Ny famelan-keloka dia lehibe tokoa matoa napetrak’i Jesosy tokony hivavahana ary tsy vitan’izany fa betsaka ny andininy ao amin’ny Filazantsara niresahan’i Jesosy izany (Lioka 23/34, 6/36, Matio 11/19, 26/28, 6/14, 18/23.35, Marka 11/26) Ny fifalianan’Andriamanitra mamela ny fahotantsika dia tokony ho tsapatsika amin’ny famelana ny heloky ny hafa. Ny Kristiana hoy ity ankizy iray dia izay mamela heloka. Koa dina ifanaovana amin’Andriamanitra noho izany ity vavaka ity. Tsy vitsy no mihevitra fa ny fakam-panahy lehibe mahatonga antsika hanao an’Andriamanitra ho tsy misy ihany ka handaoazatsika azy no voalaza eto. Nefa ireo fakam-panahy kely tsy toa inona moa tsy efa fandaozantsika an’Andriamanitra ve ? Ary isan’andro dia maro ireny no mitarika antsika. Izany no nahatonga an’i Jesosy hampivavaka antsika mba tsy ho latsaka ao amin’izany fakam-panahy izany isika. Ny fangatahana faha-efatra natao ho an’ny olona dia tsy voalazan’i Lioka fa Matio kosa no nilaza azy dia ny hoe :…fa manafaha anay amin’ny ratsy ».

Mino aho faho jery hafa no hahitanao manomboka izao ny « Rainay izay any an’andanitra ». Fa inona no harena mety hangatahatsika amin’Andriamanitra ? Tsy inona fa ny Fanahiny. Fa heveriko fa mahafehy izay angatahina rehetra ao amin’ny Vavaka nampianarin’ny Tompo izany. « Ampidino aminay ny Fanahinao Masina Tompo »