Ity no tantara mampalahelo entina hieritreretana amin’izao Karemy faha-4.

« Nisy mpivady niteraka fito. Efa manana zafikely maro. Miandry ny zafiafy. Efa lehibe tokoa izy mivady raha izany no jerena. Ary nahay niara-monina tamin’ny manodidina.

Indray andro tsy nampoizina dia nampivory ny fianakaviana izy mivady fa tsy mifanaraka ary hisaraka. Nohazavain-drizareo ny antony. Samy nanampy azy ireo ny olona mba tsy hanatanteraha izany. Tahaka izany koa ireo zanaka. Efa ho misy amam-bola ihany izany fifampiraharahan’ny rehetra izany no atao.Ilay Ramatoa moa dia tsy hisy iresahana mihitsy  fa nijanona amin’ny fanapahan-keviny fa andao ny tokan-tranony.

Kanjo, narary ilay Rangahy, nandeha tany amin’ny mpitsabo. Rehefa vita ny « analyse » rehetra sy ny « radio » dia nambaran’ny dokotera fa tena voa mafy izy ary sarotra ny fitsaboana.  Indrindra moa efa lehibe izy. Nazavain’ny dokotera fa haharitra ny fitsaboana. Misy ny fanafody am-bava fa tsy ampy. Fa hisy koa ny « chimiothérapie ».

Nandritra ny fotoana hitsaboana ilay Rangahy dia nanapakevitra ilay Ramatoa fa hijanona hikarakara azy. Noho izany dia faly Rangahy sy ny fianakaviana. Nandeha ny fotoana sy ny andro.Tena nikarakara tokoa ilay Ramatoa.Ilay Rangahy aza gaga.Satria tsy noheveriny fa misy fandavan-tena toa izao. Izany rehetra izany dia noheveriny fa be fitiavana ilay Ramatoa ary tena mbola tia azy. Naharitra roa taona ilay fitsaboana. Ary dia nilaza ny dokotera fa sitrana ilay Rangaha.Fa isan-taona kosa dia mila atao « contrôle ». Mila koa fakan-drivotra kely raha azo atao hoy ilay mpitsabo. Hafaliana moa izany na ny an’ilay Rangaha na ny an’ilay Ramatoa.

Niresaka tamin’ilay Ramatoa i Rangahy ka nanao sosokevitra fa tsara raha mampilaza izao vaovao lehibe amin’ny ankizy sy ny havana ary ny namana.Ary asiana korana tsotsotra. Teo anefa dia nahavariana ny fihetsiky Ramatoa. Tsy mandà ny korana sy ny ankizy ary ny havana aho satria tsy azontsika hialana ireo. Fa ny namana dia tsy ekeko. Nahoana kosa hoy ilay Rangaha. Satria sao mamitaka azy ireo isika hoy ilay Ramatoa. Dia nandeha teo ny resaka nanahirana. Naharitra ora maro sady feno alahelo.

Tsy ho tantaraiko anao mpamaky eto ny fifanakalozan-kevitry rizareo. Fa niafara tamin’izao. Hoy ilay Ramatoa : « Tsy hoe nikarakara anao aho dia heverinao fa tia anao.Tsy nisy intsony izany tato anatiko. Hafa ny atao hoe fitiavana, ary hafa ny fandavan-tena hanao soa. Izay azo atao amin’ny olona mila izany. Tsara raha nanampy anao ny nataoko mba hiverenan’ny fahasalamanao. Fa izaho tsy hijanona fa andeha satria efa salama izao ianao». Taitra mafy Rangahy ary saika nianjera izy satria tafatsangana tampoka no tafapetraka indray. Maizina taminy ny tany aman-danitra. Fa nahoana hoy izy. Efa tara izy ity hoy Ramatoa fa efa ela aho no nanaitra anao mba handinika ny tsy mety amin’ny fifandraisantsika fa tsy nety ianao. Tsy misy olona afaka miara-miaina raha mihamaty tsikelikely ny fifandraisany.

Tsy nisy ny korana, tsy nisy ny filazana ny vaovao afa-tsy tamin’ireo taranany ihany. Niova ny fiainan’ilay Rangahy satria izy irery sisa no tao an-trano. Lasa eritreritra mafy izy. Ramatoa lasa tany amin’ny tanana hafa nipetraka irery koa.

Afaka volana vitsivitsy dia namory ireo zanany ilay Rangahy nilaza fa toa variana tamin’ny zavatra maro izy. Nananatra sy nanafatrafatra ny zanany izy mba hifampihaino fa tsy manana ny marina hatrany akory ny tena. Afaka dimy volana dia nandao ity tany ilay Rangahy.

Tantara mampalahelo satria zavatra maro no nitranga ary tsy voatanisa eto.Fa natao hieritrertana koa amin’izao fotoanan’ny Karemy izao. Dieny mbola nomena fotoana hanovana izay tsy mety dia ataovy fa sao hanenenana. Ny lasa tsy miverina intsony.

Na dia tao aza ny naha-kristiana azy mivady, na dia tao aza ny zanany marobe dia niafara tamin’ny fisarahana ihany ny fiainany.

Ahoana hoy ny Soratra Masina ny amin’ny fanambadiana ? Ahoana hoy ny litorjia eo amin’ny fifanekena ? Tsy misy olona afaka miteny fa fantany tsara i Ranona. Fa tsara koa ny maka fotoana handinihan-tena tsindraindray .Tsy eo amin’ny tokan-trano ihany fa amin’ny lafiny maro rehetra.

Alohan’ny hitsarana azy mivady dia samia mandinika ny tena tsirairay. Tsy misy antony tokony hitsarantsika azy. Fa rizareo ihany no mahalala ny fifampitondrany sy ny fitiavana nananany.

Tsy hametraka teny ao amin’ny Soratra Masina aho androany fa mbola hiverina ary miverina tsy mitsahatra ny fahasarotan’ny atao hoe « FITIAVANA ».