Marka 1: 12-15

Lasa nankany an-tany efitra Jesosy raha vao vita batisa. Tsy ho ela dia hanatanteraka ny asa nanirahana azy Izy.  Tsy afaka nanda izany fa natosiky ny Fanahy. Noterena ve no dikan’izany ? Ny any an-tany efitra : Toerana heverina ho mangina tsy misy mpanelingelina. Nefa dia voalaza fa teo amin’ny bibi-dia Izy, ary nanompo Azy ireo anjely. Nandritra ny efa-polo (40) andro izany. Andeha hiomana ary tsy misaraka aminy  ny Fanahy.

Tsy voalaza izay zavatra nataon’i Satana eto ny amin’ny hoe nalaina fanahy Jesosy tahaka izay hita ao amin’ny filazantsaran’i Matio sy Lioka.

Voafetra ihany ho 40 andro. Fotoana hitokanana sy hieritreretana. Fotoana sarobidy satria izao tontolo izao manontolo no saha hiasan’i Jesosy. Lehibe dia lehibe ny toeram-piasana. Ny olona tsirairay no hovonjeny. Ny olona tsirairay anefa samy manana ny sainy, ny fombany, ny fihetsiny, ny finoany.

Amin’izao fotoanan’ny Karemy izao raha omena 40 andro hitokanana isika dia inona no hatao ?

Tandremana tsy ho fahazarana ny fitenenana hoe : hitory ny Filazantsara ho an’izao tontolo izao aho. Tsy misy mahavita izany fa ampahany ihany. Misy aza indraindray izay miala fotsiny.Tsy ny rehetra akory fa misy izany.

Ilaina io fitokanana io tsy ho fianarana asa fotsiny fa ho fandinihan-tena tanteraka. Fotoana hiatona kely na hampihenana ny asa hahazona mandinika ny lasa na ny asa vita mba hanarenana izay tsy mety.  Na dia heverina aza fa fotoana hararaotina hampahery dia fotoana mampiasa saina koa. Satria tsy maintsy miatrika ny zava nisy sy ny ho avy.

Maro dia maro ny olona na kristiana na tsy kristiana lasa eritreritra ny amin’ny fiainan’ny Fiangonana. Fa misy dia misy tokoa ny zavatra miseho mifanohitra amin’ny fitoriana ny Filazantsara. Ka mahatonga ny olona hiala na handao ny fiangonana ary miafara amin’ny fanorenana fiangonan-kafa aza. Na manaraka fikambanana izay manambaka.

Amin’izao fotoanan’ny Karemy izao no hiaraka handini-tena ny Fiangonana. Vitsivitsy ihany no fanamarihana atao eto fa anao mpamaky ny manohy azy satria mety hahita zavatra hafa koa ianao.

Ahoana ny fifandraisana amin’ny olona ao am-piangonana sy ny any ivelan’ny fiangonana ? Diso hevitra isika raha milaza fa mifankahazo daholo ny ao. Satria na dia heverina ho tsara aza ny teny alahatra dia indraindray miteraka fananfintohinana ho an’ny hafa.

Iza avy moa ireto olona mifankahita isaky ny fiaraha-mivavaka na alahady na andavan’andro ? Vonona hiara-miasa  ve ? Ao ny manam-pahaizana, ao ny tsy nahavita fianarana na tsy nianatra akory aza ka ny manoratra na mamaky teny aza tsy hay. Ao ny mahantra sy ny manan-karena. Amin’izao fotoana izao dia tena milalao vola ny tena manan-karena. Na ny fizotry ny fiainana’ny fiangonana aza dia eo am-pelatanany amin’ny toerana sasany.  Izy no mibaiko na dia ny hira sy litorjia atao aza. Nahalasa eritreritra ahy ity teny vao reko tamin’ny herinandro ity hoe « aza atao maina ny tananao rehefa miarahaba ny lehibe ianao ! ». Hanky va re !

Ahoana no atao amin’ny fomba fiteny fa hita matetika izao fa misy teny mahamenatra ny  mivoaka ny vava indraindray. Izay tsy mba manao izany dia heverina ho tsy inona na hasaina mihataka. Ny fomba fiteny indrindra no mahatonga ny adilahy voalohany ao amin’ny Fiangonana na any amin’ny toeram-piasana  na any am-pianarana na ao an-tokan-trano. Ary dia manaraka ny ady sisa hafa rehetra ary ao anatin’izany ny fitondran-tena tsy mendrika. Hoy koa ity teny reko ity vao haingana : «  avelao eo aloha ny vavaka fa handao hampiseho sandry fa efa mankaleo ity fanenjehana ity ». Hakona aho raha nahare izany !

Maro dia maro ny te ho mpitory ny Filazantsara. Misy anefa  izay mihevitra fa ny fahaizany miteny no tena izy. Ilaina ny fahaizana miteny fa tsy izany no atao hakana ny fon’ny olona. Tsy ny hahababo ny fon’ny olona aminao akory no hitorianao teny na hanaovanao ny asan’ny Fiangonana. Takonana amin’izay fisarihana ho tia anao ny olona dia ampina kely teny ao amin’ny Soratra Masina mba hanaitaitra.  Mamitaka ny olona izany ary miteraka vokadratsy tsy ho ela.

Ary ahoana ny amin’ireo izay tsy  mety mifampiarahaba. Fa milonjolojo.  Misy ireo izay miavonavona satria tsy tafaveriny hono ny vidin’ny frais ny taxibe   izay nosamboriny tamin’ny iray volana.

Inona moa ireo bibidia teo amin’i Jesosy fa tsy ireo eritreritra izay nampiseho ny fahasarotan’ny asa. Nampahafantarina Azy fa tsy maintsy hiatrika an’izy ireny.  Satria sarotra ny asa. Tsy hoe Zanak’Andriamanitra dia misosa ho azy ny asany. Satria rehefa dinihina ny soratra rehetra ao amin’ny Baiboly dia hitanao fa ao ambadiky ny tsara no hahitana koa ny lafiratsiny. Ka ilaina ny hitandremana sy miomana mba tsy hanaonao foana.

Nomen’Andriamanitra fotoana ny olona tsirairay hahazony mandini-tena. Toy ny karemy izay fotoana fohy (5mn) ao anatin’ny indray andro. Fa saingy ny olona no mahalala ny antony tsy hanaovana izany. Mba hanilihina amin’ny hafa foana ny zavatra tsy mety ka manimba ny fiainan’ny Fiangonana sy ny firenena. Hany ka mandrava tsikelikely fa tsy manarina. Nefa dia nomen’Andriamanitra asa tsara tokoa hikolokolo ny tany sy izao tontolo izao.  Izany no Fitiavan’Andriamanitra ny olona tsirairay avy. Izany no hamelona indray ny tany sy izao tontolo izao.

Efa niainana ve izany andron’ny karemy izany ? Ny Tompo homba anao amin’ny asa sarotra izay ho hatrehina.