Ireo mpampianatra teolojia malagasy sy vahiny.

Tamin’ny fotoana nianarako teny Ivato sy niasako tao Faravohitra ihany no holazaiko eto.

Kolejy Teolojika Ivato :1971 -1975

Efatra (4) taona ny fianarana fa saingy noho ny fahatapahan’ny fianarana rehetra  manerana ny Nosy nandritra ny herintaona noho ny tarehin-zavatra tamin’ny 1972 dia naharitra 5 taona izany.
Ramambasoa Joseph , mpitandrina. Izy no talen’ny Kolejy Teolojika teny Ivato. Nampianatra ny taranja Testamenta Vaovao rehetra sy ny teny Grika . Nahafaly azy ny nidirako nianatra teny saingy nanao condition izy dia ny tsy maintsy hipetrahanay mivady eny Ivato ao amin’ny Seminaire na dia mpiasam-panjakana aza ny lahy. Ary tsy mandray vatsim-pianarana avy amin’ny Fiangonana. Nekenay izany satria zava-dehibe ity fianarana ho mpitandrina ity.Na dia tao aza ny trano(pavillon) natokana ho an’ny mpivady izay sary hitanao etsy ambony.Mpianatra roa ihany izahay no nomena efitranom-pianarana roa avy mba hipetrahana .Tsy nisy ny lakozy fa voatery nanorina ho anay.Iretsy namanay dia nanao lakozy alan-trano nandritra ny 3 taona nianaran’izy mivady teny.Fa ny taona faefatra dia nomena pavillon rizareo.
Isa-maraina Ramambasoa Joseph dia miaraka taminay mpianatra manao fanompoam-pivavahana alohan’ny hianarana. Ny vadin’ny mpianatra dia manatrika io fotoana io koa. Somary tsy dia be teny io mpampianatra io ary natahotra azy daholo ny mpianatra. Roa taona ihany no naha-tale an’i Ramambasoa Joseph satria voafidy ho Filohan’ny mpiandraikitra Foibe FJKM izy. Ny Filohan’ny FJKM Moa no mahazatra antsika
SPINDLER Marc mpitandrina avy aty Alsace Lorraine. Misionera voatendrin’ny Fiangonana aty Frantsa hampianatra. Ny taranjan’ny Testamenta taloha no andraikiny ary nampianatra ny teny hebreo ho an’ny taona voalohany sy faharoa.Nampianatra ny homiletika koa izy sy Teolojia pratika. Niandraikitra koa ny Filozofia izy. Nahay teny malagasy tokoa izy. Somary moramora ny fiteniny fa tena lalina ny zavatra lazaina.Taminy no nisy ny fandikana boky teny frantsay ho amin’ny teny malagasy. Nataony isan-droavolana io. Samy nanana ny bokiny ny mpianatra ary nahitana soa tokoa. Roa taona ihany no nianarako taminy satria rehefa tonga ny fampandehanana ny vazaha hody (taona 1972) dia an’isan’izay tratran’izany izy. Teny Faravohitra izy no nipetraka niaraka tamin’ny vady aman-zanany.
PONS Jacques mpitandrina. Misionera avy amin’ny Eglise reformée de France.Nampianatra koa ny testamenta taloha ho an’ny taona faha-3 sy faha-4 ary ny homiletika ho azy ireo. Izaho moa tsy nampianariny satria rehefa tonga ny taona faha-3 dia lasa nody taty Frantsa koa izy.
Ireto misionera roa ireto dia nampiaiky ny olona ny fahaizany miteny malagasy. Ary ny fahaizana teny hafa. I PONS Jacques moa nahay tenim-pirenena maro ary havanana tamin’izany. Rehefa tonga taty Frantsa izy dia lasa Talen’ny Ecole Préparatoire de Théologie tao Montpellier. Taty aoriana dia nofoanana io satria efa saika nanana Faculté de Théologie ny tany Afrikana sy Madagasikara. Ny antsika dia nisy tokoa ireo malagasy izay nanohy fianarana tany Yaoundé nandram-pisokatry ny teny Faravohitra.
ZAKARIASY Albert mpitandrina. Efa nitondra fitandremana izy. Taorian’ny fianarany tany Madagascar dia nanohy ny fianarany tao amin’ny Faculté de théologie Protestante tao Montepellier izy ary niandraikitra ny Teolojia pratika. Nanararaotra koa izy rehefa tao Montpellier nianatra Psychologie ary nandalina ny psychologie de l’enfance ary dia nampianatra izany .Tsy naharitra koa izy fa voantso hanao ministra teo amin’ny fitondram-panjakana.
RAVELOARISAONA Jacques mpitandrina. Mambra tao amin’ny fitondram-piangonana.Nampianatra ny Tantaram-piangonana ary nikarakara ny « administration » teny Ivato . Taty aoriana dia Mpitandrina ny Fiangonana teo Ambohimanandray Ambohimanarina izy.
RATOVONARIVO mpampianatra vaovao.Namita ny fianarany tany Strasbourg sy Angleterre ary nody ka nandray ny fampianarana.Izy no nisolo ny toeran’i Spindler Marc sy PONS Jacques. Izy dia tsy mbola nitondra fiangonana tamin’izany fotoana izany. Fa taona vitsivitsy taty aoriana dia nandray fitandremana tao amin’ny FMTA Antranobiriky izy
RATIARIVELO Arianala mpampianatra vaovao. Nisolo an’i Ramambasoa Joseph tamin’ny naha-Tale. Nampianatra ny Testamenta vaovao izy ary ny teny Grika niandraikitra ny Filozofia.Vao nahavita ny fianarany tany Angleterre dia voatendry teny Ivato.Ary tsy nitondra fiangonana fa taty aoriana dia lasa « Aumonier des hôpitaux  » teny amin’ny toeram-pitsaboana tao Befelatanana izy.
Noho ny tsy fahampin’ny mpampianatra tamin’izany dia neken’ny Mpiandaikitra Foibe ny hampianaran’izy roa lahy avy hatrany. Tsy narahina ny fomba mahazatra eo amin’ny fitondrana ny mpiasam-piangonana. Izy koa tsy mbola nitondra Fitandremana fa tonga dia nampianatra satria tsy ampy ny mpampianatra.
Vokatry ny toe-zavatra tamin’ny 1972 dia nisy ny fahatapahan’ny fianarana.Ary mpampianatra roa (2) no tsy teo amin’ny toerany intsony.Niampy ny fanavaozavana ny Foibe FJKM dia lasa mpampianatra 4 no iray lasa.  Fahabangana lehibe ary sahiran-kevitra ny Foibe FJKM tamin’izany.
Koa nijery tamin’ireo mpitandrina teo Antananarivo mba hanao chargé de cours hamenona ny banga mandrapahita izay atao hanarenana izany.
RABEMILA Yvette mpitandrina anisan’izay nanampy. Tsy nandà ny andraikitra izy ary nandray ny teny Grika sy Testamenta vaovao ary nanohy ny Tantaram-piangonana koa . Izy irery no mpitandrina vehivavy niasa tao amin’ny Kolejy. Somary sarotra ny andraikiny satria tao anatin’ny fotoana naha Tonia mpanampy azy tao amin’ny Birao Foibe FJKM zy. Dia tsy maintsy noheverina ihany ny hitady olona hafa.
RALIBERA Daniel, mpitandrina tao Ambavahadimitafo no nalaina hampianatra ny Tantaram-piangonanana hisolo an’i Rabemila Yvette. Ary nitohy teny Faravohitra teny amin’ny Faculté de Théologie teny Faravohitra. Eny, nandrapikipin’ny masony aza.
WINKLER mpitandrina avy amin’ny Fiangonana any Allemagne. Nandray ny toerana hampianarana ny Testamenta vaovao izy. Roa taona ihany dia nody.
RAJAONAH Gabriel mpampianatra Teny malagasy malaza. Taona roa ihany no nianarako taminy. Satria efa tao amin’ny fahanterana izy no tsy salama tokoa . Ny zanany vavy ny nitondra azy nankeny Ivato. Saingy tsy naharaka intsony ny tenany.
RAJAONARISON mpampianatra Teny malagasy teny Ankatso no nisolo azy. Isam-bolana izy dia mitondra mpanoratra malagasy iray izay milaza ny asa sorany izay tiany ho zaraina amin’ny mpianatra ary hifanakalozan-kevitra izany.
Nahatsiaro fahasahiranana ny FJKM ary teo vao tonga saina fa tokony nanomana mpampianatra ihany satria tena tsy ampy ary sarotra ny ho avin’ny toeram-piofanana. Tsy nisy misionera tonga koa satria tapaka ny fifandraisana tamin’ny taty ivelany .

Tamin’ny Novambra 1975 aho no nivoaka ho mpitandrina ary tao amin’ny Fiangonana  Ankadifotsy FJKM no nitsofandrano tamin’izany ary voatendry teny Ambohimangidy Fiadanana.

Mandingana taona maro isika

Ny mpampianatra teny amin’ny Fakiolte Teolojika Faravohitra 1979 – 1982.

Teny Faravohitra no nahorina ny Faculté de Theologie protestanta  » voalohany. Teo an-tokon-tanim-piangonana izay misy ny tahirim-boky amin’izao fotoana.
FETY Michel, mpitandrina. Izy no Doyen voalohany tao amin’ny Faculté de Théologie Nampianatra ny Teolojia pratika, Filizofia, Psykolojia .
RALIBERA Daniel, mpitandrina tao Ambavahadimitafo dia nampianatra ny Tantaram-piangonana (Tsy nanajanona ny teny Ivato izy mandra-pahita hita olona hanohy izany)
RABEMANAHAKA Williberton mpitandrina tao Ankadifotsy. Nampianatra ny Oecuménisme .
RAKOTONIRAINY Johnson, mpitandrina tao Andrainarivo Nampianatra ny Dogmatika. Fatratra ny fampianarany ary mirana lalandava ny tarehiny. Tsahivina entoana fa nampianatra isaky ny alarobia maraina ny foto-pinoana izy tao amin’ny Fiangonana Anglikana tao Avaratranjoma. Marobe ny olona nanaraka ny fampianarany.
HELLER Mpitandrina avy any Suisse no nanaiky ho irahina hampianatra tao Faravohitra. Nijanona roa taona izy. Nilaina ny hisin’ny vahiny satria noho ny tsy fananana mpitandrina mpampianatra nanana ny Doctorat dia tsy maintsy nisy mpiantoka.Ka izany no nahatonga azy ary ny Faculté de Théologie tao Montpellier no mpiantoka ny fampianarana tamin’izany. Izay vao afaka nosokafana ny Faculté teny Faravohitra. Tao anatin’izay BOUTTIER Michel professeur de Théologie tao Montpellier sy GAILLARD Albert nifamdimby hitohizan’ny fisokafan’ny toerana sy ny fampianarana.
RABEMOLALY Fanomezana mpampianatra teny malagasy teny Ankatso. Nazoto ary fifaliana ho azy ny hampianatra ireo mpitandrina hianatra sy hivoaka voalohany ao amin’ny Faculté any aoriana.
RATSIMANDRESY Eliette mpampianatra Philosophie religieuse.
RANJEVA Yvette, mpampianatra teny anglisy.
Ramatoa iray izay ialako tsiny fa tsy tadidiko ny anarany dia mpampianatra teny Frantsay.Avy ao amin’ny Fiangonan’Ambavahadimitafo no nihaviny.
RAFENONIRINA Laza (Ramy Laza)Ingénieur de la Statistique. Noho izy nitety faritra maro dia maro teto Madagasikara noho ny asany dia nanampy ny mpianatra ny fahafantarana ny toerana izay hiasany rehefa handray ny toeram-piasany izy. Ka ny taranjan’ny « Contextualisation » no niandraiketany.
DARSOT RRAFENONIRINA Julia, mpandraharaha nandritra ny telo taona voalohany.

Marihina etona fa tsy nisy mpampianatra matihanina tamin’izany fotoana izany afa tsy FETY Michel, mpitandrina. Ireo vahiny dia ny DEFAP (Département Français d’Action Apostilique ) no niantoka azy ireo.

Niezaka mafy ny FJKM mba hisin’ny mpitandrina vita fianarana handimby sy hanohy ny asa eo amin’ny Fakiolte. Ireo mpianatra avy tao Ivato dia afaka nanohy fianarana teny Faravohitra ho an’izay manam-panirina tamin’izany.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.