Raha vao nitsaika ny ora voalohany amin’ny 1 janoary dia nanomboka,ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2018. « Miarahaba nahatratra ny taona e »
Tao ny nifandray tanana.Tao ny nifanoroka.Tao ny nifamihina.Tao koa ny nitomany satria diboky ny hafaliana.
Tsy misy toa izany koa ny fiantsona an-telefona. Ny fandefasana sms sy ny mailaka.
Tsy ny rehetra no afaka manao izany fa misy ny miandry ny andro ho tena mazava ary manatanteraka ny fiarahabana amin’ny alalan’ny famangiana an-tokan-trano.Faly tokoa ary feno tsikitsiky rehefa tafahoana. Mahafinaritra.
Tsy misy toa izany ny 1 janoary ho an’ny maro fa ohatrin’ny hoe lasa lanitra ny tany.
Ho an’ny mpiara-miasa dia tsy latsa-danja ny fifampiarahabana any am-piasana. No manantena fiovana ny lehibe.
Na izany aza dia misy tsy arak’izay hiheverana azy. Satria na ao amin’ny samy fianakaviana aza, na samy mpinamana, na samy mpiara-miasa dia tsikaritra eny ihany ny fiarahabana tsy sazoka.Tena sadaikatra. Satria misy zavatra manakana ao an-tsaina. Satria tsy tena miova ho amin’ny fitiavana ny fo sy saina fa mbola mitapisaka ao ny zavatra manamaizina ny fo sy saina. Nefa dia miarahaba ihany satria koa tsy te-ho ratsy eo anatrehan’ny hafa.
Efa nandia andro vitsivitsy amin’ny taona eto am-panoratana. Ka inona no tena vaovao tsapanao ? Tena vaovao tokoa ? Heverina fa marina izay. Fa tsapa ihany ilay tarazoka tsy mety ialana. Miverina ny mifangariganrika, ny milanjalanja, ny miavonavona, ny fosafosa, ny fankahasiahana hampiady, ny tsy firaharahina …
Raha mbola voafatotr’ireo dia aza heverina fa ho sambatra amin’ity taona ity satria hanaikitra ny ao anatin’ny tena ireo ka hiteraka alahelo , aretina, fahafatesana mety ho ara-nofo na ara-panahy.Ianao ihany no manome fifaliana ho anao raha tianao izany.
Aza manao hoe : ho jerena izany amin’ny manaraka sao tsy misy ny manaraka.
Fa izao: Ity taona vaovao ity dia araka ny diary kristiana.Maro ny manaraka azy.Fa amin’ny tany hafa dia daty hafa ny taom-baovaony.
Ny antsika malagasy dia misy telo ny taom-baovao.
Ity arahan’ny krsitiana marobe ary ny taom-baovao malagasy.Toa misy anankiroa aza no hankalazaina.Tsy maninona izany.Fa ny tiako ho lazaina dia in-telo ny malagasy ny mikorana amin’ny tao-baovao. Tsy misy izay maharatsy azy. Fa inona no tena fifaliana nentiny sy ny maha-vaovao azy.
Ny taona ve no mitondra vaovao sa ny olona tsirairay no mahatonga azy ho vaovao sy olom-baovao ka ho tsiriritin’ny mpiara-belona sy ny firenena hafa. Manana fotoana in-telo isika hamadibadihana ny hoe taom-baovao. Tena izy marina tokoa ve ?
Ny Fanahy Masina no manazava ny fanahinao hahatsapanao fa tsy tompon’ny taona vaovao isika fa an’izay nanome. Fotoana nomen’ny Mpahary hanatsarana ny lesoka rehetra eto amin’ny tanintsika. Ary misy akony hatrany ivelany ny fihetsika rehetra izay atao.
Mamerina sy manolotra ny fiarahabana nahatratra ny taona ho anao ny mpanoratra eto amin’ny Tsodrano. Julia Darsot sy Laza Rafenonirina (Ramy-Laza).