TENY HO VAKIANA

ISAI 55 : 1-11

I JAONA 5 : 1-9

Marka 1 : 7-11

Raha hatramin’izay dia ny filazantsara no nakantsika fampianarana anio ny teny ho raisitsika dia izay hita ao amin’Isaia. Raha mamaky ny Isaia toko faha 55 isika dia fampitahana avy hatrany no hitantsika. Dia ny fampitahana an’Andriamanitra sy ny olona. Nasehon’izany avy hatrany ny tsy fitovizana raha mijery ny andininy faha 8 sy ny faha 9 isika. Voalaza eto fa tokony tsy hipetraka akory izany fampitahana izany, satria mifanalavitra loatra. Izao no voalaza ao : « Tahaka ny hahavon’ ny lanitra noho ny tany no hahavon’ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo » Isaia 55 : 9 Efa fantatra loatra izany koa nahoana indray no nampahatsiahivina.

Antony maro no azotsika haroso ho valiny. Ny voalohany dia satria jeren’ny olona amin’ny maso maha olombelona azy Andriamanitra. Ao amin’ny Genesisy rahateo moa Andriamanitra milaza hoe : » Andeha isika hamorona olona tahaka ny endritsika araka ny tarehintsika  » Genesisy 1 : 26 .raha izany dia manana maso, tongotra, tanana, sofina tahaka ny olombelona Andriamanitra. Manana toetra tahaka ny olombelona koa Andriamanitra ka mety ho faly tezitra, mety ho manenina, mety ho diso. Hoy ny olona indraindray : » Manaonao foana tahaka an’Andriamanitra nanao ny kary ». Dia nihevitra ny olona fa tsy dia hifankaiza amin’ny eritreriny ny eritrerin’Andriamanitra. Noho izany misy aza mihevitra mahafantatra ny fikasan’Andriamanitra sy ny ho fitondrany. Misy milaza tsy amim-piambahambana hoe : » Izao no nolazain’Andriamanitra ». Nahoana raha izany no tsy nilaina ny nampahatsiahy fa tsy mitovy mihintsy ny eritreritry ny olomblelona sy Andriamanitra. Tsy manana maso sy sofina hahafahany tena mahita izay mahasoa azy ny olombelona. « Nahoana hianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina ary ny vokatry ny fisasaranareo amin’izay tsy mahavoky. ? » Isaia 55 : 2 Be loatra ny rendrerendra tazany ka tsy hainy intsony ny mamantatra ny tsara sy ny ratsy. Be loatra ny feo mameno ny sofiny ka mila nanatongila ny sofina vao afaka mahaheno an’Andriamanitra. Mazàna manoro ny tsara Andriamanitra nefa tsy henoin’ny olombelona izany . « Mihainoa dia mihainoa Ahy ka hano izay tsara. » Isaia 55 : 2 Ary tsy vitan’izany ihany fa mitady izay heveriny hahasoa azy ny olombelona ka raha tsy azony izany dia lazainy ho miangatra an’Andriamanitra na tsy misy Andriamanitra. Ka izay no hampahatsiarovan’Andriamanitra azy fa hafa ny fandaharanan’Andriamanitra ho azy. Tiana ho fantatrin’ny olona fa mahafantatra be lavitra izay mahasoa azy Andriamanitra, mahafantatra mihoatra izay hevin’ny olona.

Mazana maninana an’Andriamanitra ny olona. Heveriny fa ny fahaizany dia ampy hitondrany ny fiainany. Efa hitany daholo ny zava-miafina rehetra eto an-tany koa tsy misy intsony hilana an’Andriamanitra. « Angamba ho tsy nisy akory izany Andriamanitra izany ho izy  » Ny mpitondra sambon-danitra iray hono niteny hoe : « Efa tafakatra aty an-danitra aho fa tsy nahita izany Andriamanitra izany. » Nefa ve tsy ho tahaka izao no ho fiteniny : « Ny niakarako taty amin’ny lanitra dia nahafantarako ny haben’ny fahaizan’Andriamanitra sy ny fahendreny. » Mbola mila fanpahatsiarovana ny olombelona. Tsara ho fantany fa ny ampaham-pahaizana kely hananany dia toy ny petina kely monja raha mihoatra amin’ny an’Andriamanitra. Ny teny nampiasaina eto amin’ity bokin’Isaia ity dia ny hoe : « Tahaka ny hahavon’ny lanitra amin’ny tany » Izany hoe tsy hita nohonoho. Hireharehan’ny olona ery ary hifaninanany ny honina eny any amin’ny habakabaka eny. Mbola tsy hita akory izay vita dia efa misy mivarotra sahady ny toerana eny. Ny manakarena moa dia efa nadeha teny amin’ny station orbitale iraisam-pirenena ny sasany. Dia betsaka ny mihevitra fa tsy ho ela dia handresy ny habakabaka ny olona. Tsy misy maharatsy izany saingy etsy andaniny dia teha-hilaza ny olona fa tsy misy Andriamanitra fa raha misy aza izy efa fantatra ny zava-miafiny. Ilaina ny mampahatsiahy ny maha avo loatra an’Andriamanitra noho izany. Ary moa tsy noho izany no nahatonga an’Andriamanitra hiteny hoe : »Na dia miakatra tahaka ny voromahery aza hianao, ka mametraka ny akaninao eny amin’ny kitana, dia havariko avy eny hianao hoy Jehovah  » Obadia 4

Ny mahafinaritra loatra dia ny eritreritr’Andriamanitra no avo ka tsy takatsika fa Izy kosa eto akaikitsika. Nahoana isika no tsy ho faly rehefa mandreha ny hoe : « Makanesa aty Amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra etana fa Izaho no hanome anareo fitsaharana ». Na ny hoe : « Mmitadiava an’i Jehovah dieny mbola hita Izy Miantsoa Azy dieny mbola akiky Izy. »