Alahady faharoa ny Advento 2017

Marka 1 : 1- 8

Jesosy dia efa tovolahy vonona ny hiasa no hita ato amin’ity bokin’i Marka ity. Feno hery sy tanjaka ary tsy misalasala ny hanatanteraka izay nanirahin’Andriamanitra azy. Marihina fa taorian’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty no voasoratra ny bokin’i Marka.Taorian’ny Paska izany ary tamin’izay fotoana izay no nahatonga ny anarany hoe : Jesosy Kristy.

Tsy nahamaika an’i Marka ny hilaza fa toy izao no fomba nahaterahany izay hita ao amin’ny bokin’i Matio. Fa tonga dia hoe « Toa izao ny niandohan’ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra ».

Na dia voalaza fa Zanak’Andriamanitra aza Izy dia natao batisa ihany. Nandritra ny fotoana niasany dia maro ny vahoaka nanaraka azy na dia atao aza hoe te hijery fotsiny izay zavatra nataony. Satria nahagaga ny olona ihany ny naharenesana sy nahitana ny fanasitranana ireo izay narary. Tao koa ny fanozongozonana ny finoany tamin’ny nakan’ny devoly fanahy azy. Nisy koa ny fanakianana azy satria nandika ny andro Sabata tamin’ny fanasitranana marary. Sy ny zavatra hafa maro.

Ny voalohany tamin’ny asan’i Jesosy Kristy ato amin’ny bokin’i Marka dia ny niantson’ny mpianatra. Nanomboka tamin’ny efatra ary fotoana vitsy taorian’izay dia feno roambinifolo (Marka 3 : 13-16).

Nanaraka ny Zanak’Andriamanitra ireo na dia tsy mbola fantany mazava aza ny amin’i Jesosy. Anisan’ny zava-dehibe ny fanarahan’ireo mpianatra ireo an’i Jesosy. Ary mbola zava-dehibe koa ho antsika kristiana izay manaraka azy. Na dia indraindray aza tsy mbola tena mazava amintsika ny amin’ity Zanak’Andriamanitra ity.

Satria rehefa mihevitra isika fa hoe Zanak’Andriamanitra izy dia ho nilamina ny fiainany. Nefa tsy dia izany loatra no nitranga. Satria niharan’ny fanenjehana izy tamin’ny asa nataony satria tsy neken’ny Fariseo sy ny mpanoradalàana izany. No nisy koa fialonana. Tsy teo ambon’ny hazo fijaliana ihany izy no nijaly fa nandritra ny androm-piainany. Ary ny bokin’i Marka dia manamafy izany fa efa nisy aty am-piandohan’ny boky ny tetika ny hamonoana an’i Jesosy (Marka «3 :6). Ary dia niafara tamin’izany tokoa ny fiainany na dia nisy aza ny filazana ny fitsanganany tamin’ny maty. Izay nosoratana taty aoriana tao amin’ny bokin’i Marka.

Araka ny tantara koa dia ireo mpianatra izay nanaraka azy dia maty tao anatin’ny fijaliana.

Moa ve tsy manamarina tokoa izay voalaza ao amin’ny Matio hoe  « sambatra ianareo raha haratsin’ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny Amiko » – (Matio 5 : 11. Io dia fampianaran’i Jesosy).

Koa tsy tokony ho gaga ny kristiana raha enjehina raha mitory ny Filazantsara izay tsy inona fa ny Vaovao Mahafaly ihany. Mifanohitra tokoa amin’izay tokony ho izy satria ny milaza fifaliana indray no mety ho voahenjika na henjehina tokoa. Diso lalana ny mpitory ny Filazantsara raha mihevitra fa natao hahazona voninahitra ny hanaovana izany ary ho hindrahindrain’ny olona. Misy asa lehibe ny an’ny mpitory ny Filazantsara rehetra. Asa sarotra satria tsy voatery hanaiky izany ny rehetra. Firy moa ny mpitory ny Filazantsara any amin’ny tany sasany izay maty na migadra. Any amin’ny tany milamina dia sambatra ny mpitory ny Filazantsara satria mandry eo ivohan’ny vato, tsy misy mpanelingelina. Ary somary fitaka ihany izany satria hita fa tsy kely lalana ny ratsy ka misy ny mivaona.

Tsy mitovy tokoa ny Vaovao Mahafaly ao amin’ny Soratra Masina sy ny vaovao mahafaly amin’ny andavan’andro. Ny Vaovao Mahafaly na ny Filazantsara dia tokana ihany : Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra izay tonga hamonjy izao tontolo izao.

Fa ny vaovao mahafaly hafa dia mety ny fahitana asa hamelomana ny ankohonana, ny fitsidihana tany maro eto amin’zao tontolo izao, ny fahazona loka tamin’ny fifaninana isakarazany, ny firaisan-tsainan’ny fianakaviana, ny tany milamina, ny fahafahana mianatra, ny fahasitranana, ny fanana talenta isakarazany, ny fahatonagavana eny amin’ny volana…

Nefa izany rehetra izany sy ny hafa dia tsy mahafa-po. Eny fa ny harena aza tsy mahasolo ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy.

Fa rehefa tonga ny fahatokisanao an’i Jesosy Kristy amin’ny alalan’ny fihainoanao ny teniny sy fandinihanao izany dia ho mazava aminao ny antony hanarahanao Azy. Mety ho androany, mety ho rahampitso, mety ho afaka herin-taona na mihoatra nefa koa mety tsy hanaiky azy koa ianao. Safidinao izany.

Izay no nahatonga ny fisin’i Jaona Mpanao batsisa hampiomana ny olona. Izay no nahatonga ny Fanahy Masina nirotsaka tamin’i Jesosy teo amin’ny fotoanan’ny batisany. Izay no nahatonga azy hampianatra ireo mpianatra izay hanaraka Azy. Mandeha miandalana ny zava-drehetra. Ny Fanahy Masina no miasa ao anatin’ny tsirairay fa tsy misy azo terena.

Amiko dia ny Filazantsara no hiandohan’ny Soratra Masina izay hampianarina voalohany. Fa tsy ny faharian’izao tontolo izao akory. Nandritra ny fotoana niainany Jesosy dia nampianatra Izy. Ary ahoana ny fampianarana ataon’ny kristiana tsirairay  momba an’ity Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra ity ?Indrindra amin’izao fotoana mampirongatra maro ny karazam-pivavahana. Ka misy aza sahy milaza fa izy no Fanahy Masina ary mahavita hatramin’ny mampitsangana ny maty.  Mahazendana ny maheno izany satria misy tokoa ny maka ny toeran’ny Zanak’Andriamanitra. Koa mahaiza mandinika ny lalana hizorana sao voafitaka.  Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.