Marka 13: 33-37
Maherihery ihany ny teny notantarain’i Marka ho nolazain’’i Jesosy eto amin’ity fanoharana ity. Nefa dia toa izany ny fampianarana nataon’i Jesosy tamin’ireo mpianatra izay nanaraka azy. Fanoharana mahalasa eritreritra no sady mampanontany tena. Toa mampatahotra aza.
Milaza ny andro farany alohan’ny fahafatesana ve no tian’i Jesosy lazaina ? Satria milaza izy fa tsy misy mahafantatra ny andro na ny ora. Azo ampiana koa aza hoe : tsy misy mahafantatra ny taona. Raha izany dia isaky ny segondra dia mety hitranga izany « fotoana » lazainy izany araka ny olona tsirairay.
Amin’izao fotoana izao dia feno fanahina ihany ny amin’ny fandehan’ny fiainana eto an-tany noho ny zavatra maro mitranga ny olombelona. Ary tsy azo tohaina. Tahaka ny rano hatopatopan’ny onja mahery ka mety hanafotra izay tandrifin’izany. Maro koa ny olona hatraiza hatraiza ny mitady famonjena, na mitady mpamonjy aza.
Ny fara-teny amin’ireto andininy ireto dia hoe « miambena ». Tsy tokony ho resin’ny torimaso. Tahaka ireo mpianatra nivavaka niaraka tamin’i Jesosy tamin’ny ora farany izay resin’ny torimaso fa vizana.Tsy nahatraka intsony.
Maro ny mandika ny teny hoe « miambena » amin’ny hoe: miareta-tory ary dia mivavaha. Ao moa ny sasany ny milaza an’izany hoe : manao rojom-bavaka ary tsy mitsahatra mihitsy. Nefa indraindray dia tsy mahatody hatramin’ny farany. Ny tena nanokan-tena ho amin’izany dia ireo izay tsy mitsahatra mivavaka mandritra ny alina. Ary misy ireo ora hifohazana amin’ny alina hivavahana.Toa ireo reliziozy.  Ny fotoana tena mampifantoka tsara dia ny amin’ny 11 ora alina ka hatramin’ny 4 ora maraina. N’aiza n’aiza misy manao izany. Fotoanan’ny fahanginana ary dia mifantoka tsara ny saina sy fanahy ary ny tena ary ny fo manatanteraka izany. Manandrama ange. Fa ho tsapanao ny fifaliana raisina sy ny hery.
Iza moa no asain’i Jesosy hiambina  fa tsy isika kristiana? Ny fiambenana dia ny fanarahana an’i Jesosy Kristy amin’ny fanohizana ny asany izay napetrany ho an’ny tsirairay. Ny fanoharana dia manamafy izany: « nozarainy ny asa mandrapihaviny ». Nisy koa ny mpiambina ny tanana. Tsy natao hoe : hanakana ny olona tsy hiditra akory fa handray izay miroso hiaraka amin’ny kristiana satria lalam-baovao no hidirany. Izay no tsy tokony hanakanan’ny kristiana ny olona miditra ho fiangonana satria toa izao sy izao ilay olona. Tsy anjarantsika ny mitsara azy. Ny Tompo Andriamanitra no mahita ny ao am-pony. Tahaka ny hoe : tsy ekena ny hanaovan’ny olona iray ho diakona satria niteraka tsy manambady ny zanany vavy. Moa ve izy io tsy mba zanak’Andriamanitra ? Na koa ny olona te hanadiady ny amin’ny fiangonana dia efa ihalana. Na koa tsy hita miangona isak’alahady dia heverina fa tsy ao intsony. Maro ny sakana atao nefa tsy izany no asa amin’ny maha-mpiambina. Ny mpiambina dia mampandroso ny olona manatona an’Andriamanitra. Ary atao amin’ny fahatsoram-po.
Na dia atao aza hoe mitovy ny asa niantson’Andriamanitra ny tsirairay amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly dia samy manatanteraka izany satria samy manana ny talentany hanatanterahana izany. Tokony hifaly isika amin’ny fahaizan’ny hafa. Satria ny anao izay nomen’Andriamanitra anao dia tsy latsaka noho izany fa saingy tsy hitanao. Izany no atao hoe « Miambena ». Ary matoky ny Tompo fa hanatanteraka izany ianao. Tsy voatery ho mpitandrina daholo, na diakona daholo, na mpitendy zava-maneno daholo, na mpihira daholo. Fa maro ny asa hiraisana nefa kosa misy izay nomen’Andriamanitra anao manokana. Na dia atao aza hoe kelikely finoana ianao ka manahy ny amin’izany. Eny fa na dia malaindaina aza ianao. Mangataha ny herin’Andriamanitra hanome hery anao. Fa mamaly vavaka izy.
Indraindray aho dia gaga rehefa ataon’ny olona hoe: anareo mpitandrina izany. Tsia! Ianao koa  dia manana izay maha-izy azy anao amin’ny fanarahana an’i Kristy. Mety aza olona tsy fantatrao akory fa sendra nifanena taminao teo am-piandrasana taxibe no namoaka teny iray izay tsy nampoizinao ka nanome hery anao.Tsy tongatonga foana izany. Fa natao hanainga anao handroso, hiasa. Hany ka na ianao aza somary taitra ihany nahare ilay teny.
Miambena ka tanteraho ny niantson’Andriamanitra anao. Tanteraho amin’ny fanesorana ny ratsy ao am-po. Ny fialonana sy ny lolom-po izay maningotra ny fiainanao ka tsy hahitanao fifaliana. Diovy ny tenanao amin’ny fanapahan-kevitra fa hiova ianao ary ho hapetrakao amin’izay ny fisandohana ny hafa mba hampanankarena anao. Izay harena mora lo ka matetika mitarika ho amin’ny teny tsara lahatra mba haminganana ny hafa. Indrindra moa ny fanaovana ny vola ho toy ny andriamanitra kely. Ka hanandevozana sy hampijaliana olona maro. Ataovy lohalaharana ny fitiavana an’Andriamanitra sy olona hafa. Izay tsy mana-pitiavana no mahantra indrindra na dia heveriny fa feno famirapiratana amin’ny voninahiny izay mety lo koa izy. Aza mitarika na manery ny hafa ho amin’ny ratsy fa miverina aminao izany amin’ny fotoana tsy ampoizinao. Maro dia maro ny fomba mbola azo hanatanterahana ny hoe « Miambena » . Ireo voatanisa etsy dia hialao fa sakana tsy hahatanterahana ny fanarahana an’i Kristy. Tsy misy afaka hiteny hoe efa « Miambina aho » ary nohitsahako ny olona manelingelina ahy. Tsy misy mahalala izany. Andriamanitra mahita ny zavatra mitranga rehetra. Tsy mila vavolombelona izy.  fa Izy sy ianao no hifanatrika.Miambena fa tsy kivy sy miala nenina Andriamanitra ka mampahatsiaro izao teny eto amin’ny Marka izao. Mampahatsiaro ny kristiana rehetra. Mampahatsiaro ny kristiana malagasy sao manakipy ny masony ka tsy mahita sy tsy mahatsapa ny harem-pahasoavana ao anatiny nomen’Andriamanitra azy. Ka manakalo izany amin’ny harena mandalo sy mahafaty.
Hitondra fahazavana sy fanapahan-kevitra vaovao voadio eo amin’ny fiainanao izao ny fidirana amin’ny alahadin’ny advento 2017 izao indray. Ko tazanao fa tsy lavitra anao Andriamanitra. Ho Azy  irery ny voninahitra.