Misaotra an’Andriamanitra lehibe noho ny nanomezany aina nahatratrarako ny fankalazana ny 500 taona ny REFORMA na FANAVAOZANA. Iza moa no nanampo fa raha vao nanomboka niditra tamin’ny asan’ny mpitandrina dia hahita izao fotoam-pifaliana izao. Nefa ny fotoana dia mitondra amin’ny lalana maro izay tsy ampoizina sady feno fahasoavana.

Fifaliana satria olona maro eran-tany no mahatsiaro ny zava-dehibe nentin’ny FANAVAOZANA eo amin’ny lafiny ara-mpiangonana . Mahatonga ahy hieritreritra sy handalina ny fivavahana arahina sy ny fampahafantarana  izay inoako. Indrindra moa ny hoe « Iza ity Andriamanitra inoako ? Ary ahoana ny fifandraisako aminy sy amin’ny olona manodidina ahy ? »

Fifaliana tokoa satria maro ny Fiangonana nandray anjara tamin’izany fankalazana izany an-koatrin’ny fanompoam-pivavahana isak’alahady. Tao ny fifaninana isakarazany na teatra na hira.Ny fampiratina maro samihafa. Ny tena nahavariana ahy dia ny famoaboasana lohateny maro mifandraika amin’ny Reforma nandritra ny volana maro. Ary indrindra ny boky maro nivoaka momba izany. Tsy mitsahatra ny fikaroana sy fandinihina

Ny Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta eto Frantsa niray hina tamin’ny fankalazana ity Jobily ity ,izay hahitana : Fiombonam-piangonana telo-polo (30), ary eo amin’ny valo-polo mahery eo (80) ny Fikambanam-pivavahana izay hahitana koa  diman-jato isa (500) miampy ny fikambanan’asa sy ny fivondronana ary ny asam-piangonana protestanta daholo.

Teto Strasbourg  ny 27-29 oktobra no nivorian’ny lafo valon’i Frantsa ary tao koa ny firenena akaiky toy :Beljika, Alemana . Misy koa ny vahiny avy lavitra. Protestants en Fête : Maro dia maro ny olona tonga. Indrindra koa ny tanora, ny ankizy, ny lehibe, ny zokiolona. Maro ny toerana voatondro hahazona mijery na mandray anjara.

Ny tiako ho marihina dia ny fanompoam-pivavahana ny alahady 29 oktobra nalefa mivanta tamin’ny Eurovision.Ny antokom-mpihira izay nisy olona 1000 dia efa niomana hatry ny ela.

Tao amin’ny Zenith Strasbourg no natao izany.Feno ilay toerana.Tamin’ny 8 ora maraina dia efa be olona na dia amin’ny 11 ora no nanomboka.

  • Tsotra dia tsotra ny fotoana. Roa ihany ny mpitandrina nanao akanjo pastoraly dia ny mpitoriteny sy ny mpampandray. Izay mety hahagaga ny maro. Nefa izay ny maha-protestanta. Ny toriteny na dia fohy aza dia mafonja tokoa.Nitory an’i Kristy fa tsy nanao dokadoka ny nitondra fanavaozana. ( Toriteny : Mikasika ilay Ray nandray ny zanany very ary koa ny amin’i Abela sy Kaina Lioka 15 andininy faha 15sns …)

Ny lohaten’ny fotoana moa dia nahompana tamin’ny hoe « « Vivre la Fraternité ».Nandray anjara tokoa ireo izay solon-tenan’ny Fondation John Bost . Toerana iray hikarakara ny handicapé any Bergerac.

  • Nahafinaritra koa ny nahita ilay pianiste malagasy izay efa nandray anjara tamin’ny PEF 2013 tao Paris.

Nialoha ny fanompoam-pivavahana dia nisy ny fiarahaban’ireo havana solon-tenan’ny mpiandraikitra  fivavahana hafa : ny Katolika, ny silamo, ny jodaisma, ny orthodoxa. Samy nirary ny soa indrindra.

Tao koa ny fanolorana ny loka ho an’ireo olona roa nanorona ny hira faneva « Qui es-tu mon frère ».

Tao koa ny fisaorana nataon’ireo syriana roa lahy izay tena nijaly tokoa rehefa niala tany amin’ny taniny satria nivezivezy am-bolana maro vao tafita.

Fifaliana tsy misy ohatrin’izany ny an’ny rehetra. Nahita malagasy maro ary dia tena faly tokoa.Ireo tao Strasbourg dia nandray andraikitra maro.

Ny fanamarihana farany ataoko dia ny hoe :

– maro isika no mihevitra fa tsy manam-pinoana ny olona aty. Nefa fijery ivelany ihany izany.Satria rehefa miasa sy mijoro na dia vitsy aza dia tena mahavita. Tsy mihoatra ny 2 millions ny isan’ny protestants eto Frantsa. Ary dia miandry ny asa.

– maro koa ny mihevitra fa rehefa lasa any am-pita ny malagasy dia manadino ny fivavahany amin’ny maha-kristiana azy.Fijery ivelany sy tombambana ihany izany.

Na iretsy voalohany na ny faharoa dia tsy tia misehoseho ka izay no tsy hahalalana azy.

Rehefa vita izany ny fankalazana dia tsy natao hipetrapetraka fa efa nandray fahasoavana lehibe ka manohy ny asa. Izay no tanjona. Homba anareo ny Tompo.Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.