FIANGONANA PROTESTANTA MALAGASY ATY AN-DAFY

SAMPANA VEHIVAVY KRISTIANA –FPMA

Fivoriana tao ATHIS MONS- Lysea Saint Charles-Asabotsy 23 septambra 2017

                                              Fandinihina Soratra Masina                                                                 

Miarahaba sy misaotra anareo tonga nanatrika ity fotoana ity.

Ny tenin’ny Soratra Masina nomen’ny mpiandraikitra ny fotoana ho dinihina dia ny bokin’i JOSOA 2 : 1 – 24 ; 6 : 16 – 27.

Tantara malaza ny mikasika an’i Rahaba, sy ny tananan’i Jeriko. Lohateny lehibe maro no azo sintonina avy ao ary tsy ho vita ao anatin’ny fotoana fohy.Fa mila herin-taona izany. Koa ialan-tsiny. Antenaiko fa efa samy namaky azy tany an-trano daholo ianareo. Na tamin’ny teny malagasy na teny hafa dia tsy maninona mba ho fantatrareo mialoha ny tantara satria fohy ny fotoanantsika. Na izany aza dia ho vakintsika miaraka ihany ny dikateny farany nalaina tamin’ny Baiboly Protestanta – Antananarivo,Edisiona 2011.

Samia milaza teny iray izay noheverinareo fa nanaitra anareo tamin’ny vakiteny.

Manohy isika ary :

Ireto avy ny anaran-tany na olona voatanisa ao :

Sitima – Josoa – Nona- Jeriko – Rahaba- Jordana –Ravehivavy-  Ejipta – Amorita – Sihona – Oga – Israely

Marihina kosa fa ny hoe : RAVEHIVAVY milaza an’i Rahaba dia hita amin’ireto andininy ireto : Ravehivavy ( andininy faha- 4,6,8,15,16,21. Miverina in-6(enina) Misy koa ireo lehilahy roa : mpisafo tany (and.1)  – roa lahy (and 2 , 16,17,21,22,23 ) – Misy olona ( and.2, 19) – lehilahy ( and.3,4)-  izy(and.4) olona(maro- and.7)  Ireo dia tsy fantatra anarana.Misy teny hafa koa ilazana ny olona sasany tao amin’ny tantara. Iraka (and.3) – mpanjaka (and.2) – mponina (and.9) – ankohonan’ny raiko (and.12)- raiko, reniko, anadahiko, rahavaviko (and.13,18)- izay rehetra (and.19) – mpanenjika (and.22)

Tsara jerena koa ny matoateny rehetra hampahazava tsara ny texta : Anjaranao izany ny mikaroka azy izao…. ?

 

HO ZARAINA 3 (telo) NY FANDINIHINA NY TEXTA.

1 . RAHABA JANGA

And 1 – and 7 : Ny anarana hoe RAHABA : midika hoe : ilay nanafina. Jereo impiry miverina ny anarana Rahaba. Rahaba dia voalaza ho « janga ». Izao no voalaza amin’ ny Rakibolana-Rakipahalalana-Akademia malagasy momba io. Edisiona Antananarivo 2005(pejy 559)

janga (Rakibolana)-ft

  • Salama tsara tsy marofy ; afaka aretina : efa janga tsy misy ahiana intsony ilay zaza.
  • (loha) Miranga ary mitraka tsara : Tsy dia sarotra avahana izy roalahy kambana satria ny iray somary janga loha.
  • Jangajanga : Mpanaram-po sy mpiliba amin’ny fitondran-tena tsy mendrika.Toy ny fahalianana eo amin’ny firaisan’ny nofo : Niova fo ka tonga olom-banona ilay vehivavy janga fahiny.

Tratra nampiantrano mpisafotany i Rahaba. Nikaroka ny mpisafotany ny manampahefana

Ny mpanoratra dia tsy mampiasa mihitsy ny teny hoe :Mijangajanga, sy fijangajangana .Fa ny teny hoe « janga» ihany. Nandry tao an-tranon’i Rahaba mantsy ny mpisafotany. Ka izay ve no nahatonga ilay mpanoratra nanamafy ny hoe janga satria namantana tao amin’i Rahaba izy ireo ? Mora kokoa amin’izy ireo ny hidirana ao noho ny any an-kafa. Io teny hoe : « nandry » io no maha-« pejoratif » ny teny hoe : janga eto. Matetika misy amin’ny olona janga  mahalala zavatra betsaka eo amin’ny fanjakana. Ireny koa no hampiasain’ny fahavalo hamandrihana. Izany hoe : toy ny fitaovana na ho an’ny mpanafika na ny tafihina. Ny mpisafotany dia manao ny fomba rehetra hahitany izay zavatra tadiaviny sy hanatanteraka izay nanirahana azy.

Rahaba sy ny mpisafotany dia nifankahazo. Niaro ny mpisafotany Rahaba. Moa ve izany mpamadika ny fireneny izy ? Ny fampiasana io teny io dia mampahatsiaro an’i Jodasy izay midika hoe : fankalazana – louange.

And 8- and 11 :Ny finoan’i Rahaba.

Ny finoany dia miseho amin’ny alalan’ny fahatokisana.

Ny and.11b « Ny TOMPO Andriamanitrareo,Izy no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy ety amin’ny tany ambany : Io fehezan-teny io no fanekem-pinoan’i Rahaba. Ny fiandohan’ny fanekem-pinoana kristiana dia voamarika amin’io fiteny –lanitra sy ny tany- any am-boalohany. Lasa nanaraka ny finoan’ny mpisafotany Rahaba. Raha noheverina ho mijoro ilay vehivavy janga dia eto kosa dia miondrika izy mampiseho fa niova izy ary teraka ny fiovam-po. Tsy miondrika eo anatrehan’ny mpisafotany fa eo anatrehan’Andriamanitra mpahary ny lanitra sy ny tany.

And 12 – and 13 : Ny fitalahoan’i Rahaba sy ny fianianany.

Eo anatrehan’ny fahafatesana dia mitady vonjy. And 12 : miangavy anareo …. Araka ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amiko sy ny havako(ireo olo-tiako).Ny fiangavian’i Rahaba dia toa ny fametrahana ny fahavelomany eo am-pelatanan’ireo mpisafotany.Ho azy sy ny fianakaviany manontolo no nangatahany famindram-po.

  1. RAHABA SY NY TSIAMBARATELO

And 14 : Ny faneken’izy roa lahy ny fianianana –Ny ainay no ho faty hisolo anareo raha tsy ambaranareo izao raharahanay izao hoy ireo mantsy an-dRavehivavy.

Ny fianianiana ? Hita eo amin’ny fiainan’ny tsirairay. Ohatra eo amin’ny fitiavana hafenina, eo amin’ny mpiasa ara-pahasalamana, eo amin’ny mpiasan’ny fitsarana, eo amin’ny mpitandro filaminana, eo amin’ny mpitondra fanjakana sy ny maro hafa …..

And 14 – and 21 : Ny and14b no valin’ny  fanekena ny fianianana ataon’ny mpisafo-tany .Eo amin’ny and 15 : ny fanampin’i Rahaba ireo roa lahy hitsaoka any an-tendrombohitra.Any no miafina mandritra ny telo (3) andro. Nolazain’ireo mpisafotany koa ny fomba atao rehefa hanafika . I Rahaba ihany no mahalala izany.

And 22 – and 24 : Ny zava-misy dia ny fanantenan’ny mpisafotany ny fandreseny.

Ahoana no hahatonga ny fandresena ?

Rahaba no nahatonga ny tsiambaratelo satria te-ho velona izy. Amin’ny teny frantsay tsiambaratelo dia midika hoe : «  secret.  »

Ny «  secret » dia heverina fa zavatra tsara.Nefa toa tsy izay.  Mety ho marina kanefa ny fandalinana  azy dia hahitana fa tena manaitra no ao. Mety hampitahotra sy hahafaty. Zavatra tsy tsara. Izany no hanafenana azy.Tsy azo zaraina fa olona roa ihany. Eto dia ny an-daniny sy ankilany . Rehefa mihoatra ny olona roa no mahalala izay nafenina dia tsy « secret » intsony. Misy ilay atao hoe secret partagé efa tsy secret intsony.Raha ianao tsy mahatana ny zavamiafina iza no hitazona ny anao.

Ny teny manamarika ny secret eto : nafenina : and.4,6,25 -Nohidina and 5,7 (Ohatra : nidina toa ny nalevina tany am-pasana ilay tsiambaratelo) -Hateloana : and 16, 22 (mifandraika ny hateloana an’i Jonasy tao an-kibon’ny hazandrano, na Jesosy tao am-pasana.Iza no mahalala izay nitranga tao)Rehefa tonga ny hateloana dia tsy nampoizina ny zavatra niseho.Jonasy velona, naloan’ny hazandrano.Jesosy naloan’ny fasana. Hakona ny rehetra nahare izany.

Ny « Secret de la confession » dia fampiasa eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana. Tamin’ny taon-jato faha-11 dia tsy nety intsony ny pretra izay sady dokotera ny hilaza  izay tsiambaratelon’ny mpikonfesy amin’ny fanjakana raha sendra misy hilazana izany. Satria ny Oniversite dia an’ny Fiangonana katolika tamin’izany taty Eoropa.Tsy afaka ho mpitsabo raha tsy vita batisa.  Dia nisaraka ny asan’ny pretra sy dokotera eo amin’ny lafiny « secret de la confession ».

Ny –«  Secret professionnel »- dia ho an’ny rehetra .Na izany aza dia tratran’io ihany koa ny mpiasa mpiangonana rehetra.

Tsy tanteraka ny tsiambaratelo na ny secret raha tsy manao fianianana izy roa.Izay no mahatonga ny fotoana hanaovana finianianana eo anatrehan’Andriamanitra (ho an’ny mpiandraikitra asa ao amin’ny Fiangonana) sy eo anatrehan’ny Fanjakana na izay misolo azy.

(Dinganina izany ny toko faha-3 ka hatramin’ny toko faha.6 : 15)

  1. RAHABA SY NY FANAVOTANA

Josoa 6 : 16 – 27

And.16 : Ny fomba fiady : Ny fanakorana ! « Chant ou cri de guerre ». Mifangaro hikika, ary mampiseho ny hery. Manao ny aina tsy ho zavatra. Fitarihana sy famporisihana hiady.

And 17 – izay rehetra miaraka aminy (Rahaba) ao an-tranony dia ho havotana. Satria nanafina  ny iraka .

Marihina ny filazana ny : Ny herin’ny feo : and 20 Ny feon’ny olona sy ny feon’anjomara no mitambatra. Misy ny mpikaroka amin’ny tantara milaza fa efa nirodana talohan’io ny manda. Fa ny mpanoratra no nanampy izany taty aoriana.

Nentina nivoaka ny tobin’ny Israely Rahaba sy izay rehetra azy sy tao aminy. Natokana izy ireo- Mitoetra eo amin’ny Israely and 25. Ny valisoa ho an’i Rahaba : dia ny tsy nanavahana azy fa nakambana tamin’ilay firenena mpanafika. Fankahasitrahana sy Fiarovana izany-

Nohafarana koa anefa ny Israely tsy hikasika izay zavatra voaozona.Izay nodorana teo am-panafihina. Satria hahatonga loza ho an’ny tobin’ny Israely izany. Afa-tsy ny volamena, sy volafotsy, sy varahina sy vy ihany.

Ny and 27 dia manamafy ny fianianan’i Josoa : fanajan’i Josoa ny fanekena.

—————————————————————————————————–

 FANAMARIHANA

  • Ny janga sy fijangajangana ao amin’ny Soratra MasinaT.T- Ny janga sy ny miaramila-Ny janga sy fijangajangana amin’izao fotoana. Ny fijangajangana sy ny fananana vady maro. Eto amin’ny tany misy antsika na tany nihaviatsika.Ny any Dago ?
  • Ao amin’ny Testamenta taloha indrindra indrindra . Ny « mijangajanga » ilazana olona na firenena iray na ny firenen’Andriamanitra ka manaraka fivavahana hafa. Miala amin’ilay Tompo Andriamanitra izay Andriamanitra tokana an’ny Hebreo na ny Israely.
  • Matio 5 : 27- 28 «Efa renareo fa voalaza hoe -Aza mijangajanga- Fa izaho hoy Jesosy milaza hoe « Fa izay rehetra mijery vehivavy ka mitsiriritra azy dia efa mijangajanga aminy tao am-pony sahady »- Tamin’ny fotoana nampianaran’i Jesosy teo an-tendrombohitra no nilazany an’io. Ary mitohy etsy ambany.
  • Matio 5 :32 « Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy ».Tamin’izany fotoana izany dia ny lehilahy no manapaka na hisaraka na tsia amin’ny vadiny izy ?!
  • Jaona 4 : Ilay vehivavy Samaritana. Tanatara malaza ary malaky miteny ny olona fa nijangajanaga izy . Na dia voalazan’i Jesosy aza fa nanana vady 5 nifandimby izy dia tsy nilaza Izy fa nijangajanga ilay Samaritana.
  • Jaona 8 : 7 Fa rehefa nampianatra Jesosy, dia tonga ny Fariseo sy ny Mpanora-dalana dia hoy Jesosy « Izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy ». Mbola ireo mpahay lalàna ihany no tenenin’i Jesosy eto.

Rahaba nandray ny fahavalo– Nahoana noho izy no nandray ny mpisafo-tany. Izay heverina fa fahavalo satria haka sy handroba  ny tanin’ny tena. Hitantsika fa tamin’ny ady lehibe faharoa dia nanavotra olona maro koa ny vehivavy izay lazaina mpijangajanga. Mpamadika ve ? Nefa dia nahavita soa lavitra izay milaza ny tenany ho tena mpivavaka. Nahoana no nofidin’Andriamanitra izy ?Vitsy no milaza ny tantaran’izy ireny.

Ny lainga nataon’i Rahaba no nahavotra azy. Mety ve ny mandainga ? Ahoana amin’ny Didy 10 (folo) ( Aza hadino fa i –Jakoba—izay niova ho Israely ny anarany dia nanambaka koa)

Ny tsiambaratelo na secret eo amin’ny Fiangonana, mpitandrina, diakona, mpiandraikitra- Maro ny naman’ireo no te hahalala ny secret izay raisin’izy ireo. Ary misy ny mamandrika mba hahazona izany. Tsy ny zavatra rehetra akory no lazaina ny namana. Na dia akaiky anao aza izy.Eo amin’ny fiainana andavan’andro

Ny fanavotana : Na dia heverina ho ratsy aza Rahaba dia noraisin’ilay firenena nofidin’Andriamanitra hiditra ao Kanana. Tsy mba voahilika . Koa ahoana isika kristiana ny amin’ny fandraisana ao-mpiangonana ny olona izay heverina fa tsy mitovy amintsika. Sao dia lany andro manamarin-tena ny kristiana.  Fantara ve fa na dia ny ratsy indrindra afaka miova fo. Ny fanenjehana ny olona tsy mitovy amin’ny tena : mpijangajanga, misara-bady-ny mpanao tokatrano maso, ny lahy manambady lahy na vavy manambady vavy – ny  miteraka tsy manambady- mpangalatra, mamo lava. Hatraiza ny fandraisantsika ny asa nataon’i Rahaba.

B – Fehiny

Inona no asan’ny Fiangonana amin’ny fanampiana ireny olona toy an-RAHABA sy ny hafa ? Hitantsika ny zavatra mitranga ao amin’ny firenentsika. Ny documentaire nandeha tamin’ny televisiona tsy manafina izany momba ireo rahavavintsika mivaro-tena.

Nahoana Andriamanitra no nifidy an’i Rahaba ?

Ahoana ny fipetraky ny lainga na ny fanambakana eo amin’ny kristiana ? Ahoana no hahenointsika ny amin’ny lainga eo amin’ny firenena ? Ny lainga anisan’ny miteraka ny tsolotra isa-karazany ? Ary tsy mety hitsahatra.

Maro ny firenena mandromba tany amin’izao fotoana izao. Amin’ny fomba isakarazany ? Miteraka ady ? Ahoana no ataon’ny kristiana handresena izany ?

Ny tantaran’i RAHABA dia tantara mampieritreritra. Azo hatao tantara an-dapihazo aza. Saingy tsy izany no mahamaika fa ny hoe « Ary izaho mba ahoana eo anatrehan’izany.Izaho izay nandray fahasoavana maro sy feno tamin’ny Tompo Andriamanitra.Ahoana no ataoko amin’izay nofidin’Andriamanitra ahy ?

Fifaliana ny fandresen’i Josoa. Ary nahatana koa ny teny nomeny. Tsy nivadika tamin’ny tenin’ny Iraka sy Rahaba. Izay koa no takin’Andriamanitra amin’ny manam-pahefana. Manao ny marina mba hahasoa ny vahoaka. Fa izay nanao ny zavatra voarara dia nianjeran’ny fahafatesana. Fahafatesana ara-nofo sy ara-panahy.  

Ny fandinihina ny Soratra Masina dia tsy ampy raha tsy arahina asa. Moa ve ny sampana vehivavy kristiana eto amin’ny FPMA vonona ny hiasa. Asa ampiova ny fiainany sy ny fiainan’ny hafa.Izany no fanarahana an’i Kristy fa tsy vitan’ny resadresaka fotsiny.