Araka ny tantara dia nihira RASALAMA martiora alohan’ny handefonana azy. Nanana hery lehibe tokoa izy teo amin’ny fanatanterahana izany.Raha lefonina moa ve maty vetivety eo ? Tsy fantatra na hafirina no hahatapitra ny aina. Moa ve ny tsy hieritreretana izany no nahatonga azy hihira sa antony hafa ? Tahaka ny mivavaka indroa tokoa rehefa mihira.

  • Ny hira hoe : (FFPM 540)

Hitako ny lalan-tsara

..Ka hizorako izao . ; .

Azoko ny famonjena

Ka hotanako tokoa

.. Manampia . ; .

Ry Fanahy Masina…..

Izany no hira farany nivaoka tao amin’ny vavan’i RASALAMA.Fa ny tenany manontolo no nanatanteraka izany.

Ny fiandohan’ny hira dia mampahatsiaro ny filazantsaran’i Jaona 14 : 6 : « Izaho no lalana, sy fahamarianana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako » hoy Jesosy tamin’i Tomasy.

Nitory ny finoany an’i Jesosy Kristy RASALAMA. Ary nijoro ho vavolombelona tamin’izany. Fantany izay inoany.

  • Mampahatsiaro koa :

ny tantaran’ny Zanak’Israely rehefa lasa tany am-pahababoana ka tsarovan’i Davida tamin’ny hira maro noforonony ka nohirain’ny vahoaka.

  • Jesosy :

Rehefa teo ambonin’ny hazo fijaliana dia nihira sy nivavaka

Araka ny filazantsaran’i Matio toko faha 27 andininy faha 46 b dia izao no voalaza : « ELy,Ely, lamà sabaktany ? Nalaina tao amin’ny Salamo faha 22 andiny 1 (voalohany) : « Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, nahoana no dia mahafoy ahy Ianao ?

Araka ny filazantsaran’i Marka dia izao no voalaza, toko faha 15 andininy 34b : « ELy,Ely, lamà sabaktany ? Io koa dia nalaina tao amin’ny Salamo faha 22andiny 1 (voalohany) : « Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, nahoana no dia mahafoy ahy Ianao ?

Araka ny filazantsaran’i Lioka dia izao no voalaza ,toko faha 23 andiny faha 46 « Ray ô eo an-tananao no atolotro ny fanahiko » rehefa niteny izany Izy dia afaka ny ainy.Io dia nalaina tao amin’ny Salamo faha 31 andininy faha 5 : « Eo an-tananao no atolotro ny fanahiko ; fa efa nanavotra ahy Ianao, Tompo ô, Andriamanitry ny fahamarinana !

Ao amin’ny filazantsaran’i Jaona dia toa izao,  toko faha 19 andininy faha 24 : « Nozarainy ny fitafiako ary nanaovany antsapaka ny akanjoko » izay nalaina tamin’ny Salamo faha 22 andininy faha 18.

Ny mahasamihafa ity teny ity amin’ny an’i Matio sy Marka ary Lioka dia « ny miaramila no niteny azy.Nampahatsiaro izay voalaza fa tanteraka ny teny ao amin’ny Salamo ».Fa na izany aza ao amin’i filazantsaran’i Jaona dia niteny izao teny izao Jesosy « mangetaheta aho  Toko 19 andininy faha28 ».

I Matio sy Marka dia mitovy filazana. Nangataka tamin’ny Rainy izy mba hanala izao kapoaka mangidy izao. Izany hoe : nahatsiaro izy fa mafy ady. Mahavariana ihany ny filazana hoe : efa natao hisolo antsika teo amin’ny hazo fijaliana, ary nitondra ny arentitsika sy ny fahotantsika. Izany no nahafatesany mba ho famonjena antsika. Nefa rehefa jerena araka ireo teny eo ambony ireo ny fizotran’izany dia mafy ny nanjo azy.  Mafy ny miatrika ny fahafatesana. Ary tsy izay rehetra mangataka no ho velona akory. Jesosy tsy nahazo valiny tamin’izany fa maty ary nohomboana teo ambony hazo fijaliana. Izay no fomba fanamelohana tamin’izany fotoana izany. Ireo izay mpandalo nahare azy nihira dia nihevitra azy ho nirediredy aza.

  • Fa eo amin’ny fiainana an-davan’androntsika :

Tsy vitsy ny olona mihira eo anoloan’ny fahafatesana. Heveriko fa hevitra diso ihany ny ilazana fa rehefa mino dia tsy matahotra ny fahafatesana. Na hoe efa lehibe amin’ny taona ny tena dia tsy matahotra izany intsony. Jesosy aza nangataka ny hanalana ny kapoaka teo aminy.

Rehefa mieritreritra sy nandinika ireo izay nandao ity tany ity aho dia sarotra ny fahafatesana. Na dia atao aza hoe tsy nisy ny fanenjehana tahaka ny tamin’ny andron’i RASALAMA sy JESOSY.

Raha mijery ny fangatahana nataon’i Hezekia mpanjaka : Jereo 2 Mpanjaka 8 : 1 – 6. Indrindra ny andininy faha 6 hoe « Ary hampiako dimy amby folo taona ny andronao, sady hamonjy anao sy ity tanana ity … » . Nahazo valim-bavaka ny mpanjaka Hezekia. Efa kivy izy vao nahazo valiny.

Fa misy ireo izay miadivarotra tahaka an’i Hezekia fa tsy mahita valiny. Nisy ary ireo izay tena nijaly vao maty.Na dia ny fialan’aina aza dia mafy satria misy ny tena mitrena. Ny maty tampoka moa dia vetivety nefa tsy fantatsika izay miseho amin’ny tena. Na marary izany na tsia !

Ny Salamo moa dia hiran’ny Zanak’Israely ary avy ao no nankana ny ankamaroan’ny hira kristiana. Taranaka an-jato taona maro nifandimby no mihira ireny tononkiran’ny Salamo ireny. Maharitra izy ireny ka raha ampitahaina amin’ny hiram-pivavahana hafa izay noforonina taty aoriana izay toa mandalo vetivety.

Rehefa zahana ao amin’ny fihirana ny mpanoratra ny hira nohirain’i RASALAMA dia voalaza fa «  Hira maintimolaly ». Izany hoe hira malagasy efa tena ela dia ela nefa tsy mety lefy laza.

Ireny Hira maintimolaly ireny koa dia heveriko fa tafiditra ao amin’ilay hoe « ireo Reforme » hankalazaina koa amin’ity taona ity eran-tany .Satria ny kristiana ao amin’ny firenena tsirairay mantsy dia nandray anjara amin’izany na dia taty aoriana ela  aza no nidiran’ny fivavahana kristiana tao Madagasikara.  « Ireo  Réforme » dia tsy mitsahatra satria mihavao isan’andro ny olombelona eo amin’ny alalan’ny fitarihin’ny Fanahy Masina azy. Anisan’ny nitarika izany i RASALAMA tamin’ny alalan’izao hira izao. An’Andriamanitra irery ny voninahitra.