TENY vakina

Jona : 3

1 Korintiana 7:29-31

Marka 1 : 14-20

Amoron-dranomasina toerana ialam-boly. Hitaninana andro na hanorenana trano fasika ho an’ny ankizy.Hanamainana ny tena rehefa avy milomano ary hialan-tsasatra. Io toerana io no voatondro hanomboan’i Jesosy ny fanatonan’ny olona, rehefa avy tany an-efitra efa-polo andro. Teo no niandoha ny fiantsoana olona vitsivitsy. Mila olona Izy ? Asa tsy mandeha irery ny Azy ! Zava-dehibe io eo amin’ ny teolojia protestanta ny fifandrasan’Andriamanitra sy ny olona.Porofon’izany ity tantara fohy ity. Jesosy no manatona sy miantso. Izy no nandray ny finiavana. Tsy miandry an-draomombelona Izy fa mialoha lalana.Indreo lehilahy voafantina teo amin’ny asany, no nantsoiny :  » Andeha fa ataoko mpanarato olona ianareo ».

Teny manaitra sy feno fampananantenana. Tsy nametra-panontaniana na i Simona, na i Andrea, na i Jakoba, na i Jaona. Napetrak’izy efa-dafy ny harato, nilaozany ny asany ary nanaraka an’i Jesosy izy. Fahasahiana lehibe izany, ary fahatokisana lalina.Hanarato olona no tanjona. Ho tanteraka ve izany sa tsia ? Olona ve no hanatsipazana harato ary dia ho sintonina ao ? Ny olona angaha moa ao anaty rano no mitoetra  ? Fantatr’izy efa dahy ve ny tantaran’i Jona ? Sa ahoana ?

I Jona dia tena sahirana rehefa namaly ny fiantsoan’Andriamanitra azy.Hitondra ny Teny any Ninive. Farany dia izy indray no tafiditra ao anatin’ny hazadrano.

Betsaka ny karazana harato mahatarika ny olona satria natao ho amin’izany. Ny haraton’ny fisotrona zava mahamamo (tafahoatra) izay heverina indraindray fa mariky ny maha mana-kaja. Mahamenatra ny tsy misotro rehefa asain’ny olona hoy ny tsy mahatohitra. Ka tsy te- hiavaka amin’ny hafa. Toy izany koa ny fifoana sigara, eny miafara amin’ny rongony sy ny zava-mahadomelina hafa aza. Santionana harato mamingotra izany ary mamitaka izay tratrany Mino aho fa misy ohatra hafa azonao hanampiana izany.

Fa ny haraton’i Jesosy dia hafa kely : ny Tenany sy ny Teniny. Tsy mora ho an’izay voantso ny manatanteraka izany. Eny fa na dia tsy nandà aza izy efa-dahy dia ho hitantsika amin’ny tantara any aoriana fa voasedra mafy izy ireo tamin’ny fanarahana ny Tompo Jesosy. Ary indraindray dia kivy tahaka an’i Jona. Ary dia nisy ireo izay nitsaoka ka tsy nahalala ny Tompo intsony teo amin’ny fotoana sarotra. Hitanao eo amin’ny toriteny manaraka ny adi-mafy manjo ny marary ohatra. Izy efa dahy ireto koa dia nanana izay nampiavaka azy satria nanjohy hatrany ny Tompo ka sahirana tamin’ny fotoana sarotra.

Ny kristiana dia samy nahare ny feon’ny Tompo niantso Azy. Nefa dia mbola be ny mametra-panontaniana ny amin’izany. Ny fiantsoana dia ho amin’ny asa maro fa tsy ho amin’ny maha-mpitandrina ihany. Ny fanambaranao ny tenin’Andriamanitra dia amin’ny teny tsotra isan’andro. Mety eo amin’ny hahitan’ny hafa fotsiny fa mitoetra ao anatinao ny fahendren’Andriamanitra. Maty ho ny fahitan’ny olona fa mahalala ny hitsiny sy ny rariny ianao, ary tsy mano ambanin-javatra ny famonjen’Andriamanitra. Eo amin’ny toerana izay misy anao dia afaka mifandray aminao Jesosy Kristy. Tsy eo an-tranom-piangonana ihany no hahazona mitarika ny olona ho an’Andriamanitra fa n’aiza n’aiza eny fa na dia eny amoron’ny ranomasina aza. Andriamanitra anie hanafy hery anao mba hanarahanao Azy . Amena !