Naneno ny lakolosin’ny fahaleovantena

Natao veloma ny vahiny nitantana ny tena

Voaomana ny hiram-pirenena

Niara-niredona ny vahoaka sesehena

Nitotorebika satria masina ny firenena

Avia Rahavako andeha andihy

Tendreo ny lokanga sy ny valiha

Eto an-kianja mampiakara fifaliana

Hampandositra ilay fahoriana