Alim-bavaka 26 JONA 2017.

Ny ACAT : Action Chrétienne pour l’Abolition de la Torture et la peine de mort et de l’exclusion-ary nampina ny droit d’asile- no manolotra ny lohateny ao amin’ny epistilin’ny Romana 12 :12.

Ampahatsihavina fa vehivavy protestanta anankiroa : Edith du Tertre sy Hélène Engel no nanorina io fikambanana ACAT io tamin’ny 16 jona 1974. Nanatrika ny valandresaka  nataon’i pasitera Tulio Vinay mikasika ny fampijaliana ireo olona nigadra  tany Vietnam tamin’izany fotoana izany. Gaga izy roa vavy fa tsy dia nahataitra ny olona, eny fa na ny Fiangonana aza dia moana tamin’izany fotoana izany. Ka nanao antso avo indrindra ny kristiana tsy ankanavaka izy roa vavy ireo ary dia mitohy ny asa mandrak’ankehitriny. Maimaim-poana ny nanaovany ny asa. Maro ny nanaraka azy roa vavy.Raha nisy vola azo dia natao hanampina ny hetsika rehetra amin’ny fanavotana ireo nigadra izay nijaly loatra sy ny fifandraisana amin’ny fianakaviana. Toy izao ireo teny tsy mety hadino nanairan’izy roa vavy hoe « Mandritra ny hafirina no avelantsika ho simba ny endrik’i Kristy ». Ary ny iray hafa dia : « Tokony hanohitra ny fampijaliana ny kristiana any amin’ny toerana rehetra misy fampijaliana ary miara-mihetsika ».Izay no nahatonga ny fisin’ny kristiana hafa (katolika, orthodoxe, évanjelika …) niara-niasa tamin’izy roa vavy. Taty aoriana dia natsangana ny alimbavaka ary nofidina ny daty 26 JONA hanaovana izany ary mifanindry amin’ny fankalazana ny fetim-pirenena malagasy ka mahalasa eritreritra.

Ny taona 2017 dia ny faha-12 taonan’ny nanorenana ny alim-bavaka hifantoka amin’ny asan’ny ACAT. Misy dia misy ny kristiana somary tsy dia mahatsiaro ny maha-zavadehibe io hetsika io.

Toa izao ary ny lohateny ao amin’ny Romana 12 : 12

Mifalia amin’ny fanantenana.Miareta amin’ny fahoriana. Mahareta amin’ny fivavahana. (Romana 12 :12)

Maro amintsika ny mamaky ny teny ao amin’ny Soratra Masina. Maro koa ny mahay azy ireny tsianjery aza. Ary dia mandeha ho azy ny fitenenana azy.

Ka mampanontany hoe : « Ahoana moa ny fampiarana izany eo amin’ny fiainana ? Tsy ho an’ny namana kristiana mijaly ihany fa ho an’ny olona rehetra iharan’izany n’aiza n’aiza misy azy ary na inona na inona finoany !

Raha mamaky ny toko faha 12 manontolo isika dia mahita fa natao ho an’ireo olona vao nandray ny Filazantsara. Izany hoe manana fiainana vaovao, niala tamin’izay heverina fa tsy nety ny natao hatramin’izay. Mila fanampina ary mila toro-hevitra vitsivitsy eo amin’ny fijorony ho vavolombelon’i Kristy.

Ny mpanoratra dia mampitandrina ny amin’ny fomba fiainana sy fihetsika ka izao no voalazany : « miovà amin’ny fanavaozana ny saina », « mihevera onony… », « aoka ny fitiavana tsy ho amin’ny fihatsarambelatsihy », « mazotoa fa aza malaina », « miraisa saina », « aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza », « ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra », « raha noana ny fahavalonao dia omenao hanina izy », « aza mety ho resin’ny ratsy ianao fa reseo amin’ny soa ny ratsy ». Ahoana ny fampiharana izany rehetra izany amin’ny tena ? Izay no voalohany. Ary voafehin’ny hoe « Mifalia amin’ny fanantenana. Miareta amin’ny fahoriana. Mahareta amin’ny fivavahana ».

Inona moa no fanantenana handrandraina amin’izao andro iainantsika izao. Rehefa mahare ny vaovao mampitorakovitra isika. Ary hadino tampoka ny vaovao misy ny fifaliana.

Miandoha ao amin’ny tokan-trano maro satria maro ny fianakaviana tsy mifankahazo amin’izao fotoana izao. Maharitra ela ny tsy fifandraisana. Nefa koa mety zavatra bitika no niandohan’izany fa noho ny tsy fisin’ny fanavaozana ny saina, dia ny fizirizirina ho manana ny marina hatrany  no manapaka ny fihavanana. Ka miafara amin’ny fifanenjehana, sy fiavonavonana izany ary mety hamoha-doza tokoa.

Ahoana ny fanantenan’ny tanora ao amin’izany fianakaviana izany raha ny lehibe aza tsy mifandray. Ary ny fiainan’ny tanora dia taratra teo amin’ny toetran’ny lehibe. Miala tsiny fa misy lesoka ihany ny lehibe indraindray fa sarotra ny miteny izany.

Ahoana ny fanantenan’ny tanora rehefa tsy manana asa izy ka manao izay azony atao.Ary voasintona hanao zavatra tsy mendrika. Ao ny mangalatra, na mivaro-tena na mampivaro-tena aza, na mamono olona, na mamitaka… Heverina ho mety daholo ny atao na fantatra izao fa tsy mety aza. Ny ray aman-dreny tsy miteny intsony satria matahotra ny hilaozan’ny zanany.

Vitsy ireo voatanisa ireo ka iantson’ny mpanoratra antsika hitodi- doha amin’izay fihetsika sy fomba ankahasitrahan’Andriamanitra. Ny tsirairay ihany no afaka manao ny fanavaozana ny saina fa tsy misy afaka manao izany eo amin’ny toerany. Samy tompon’andraikitra ny tsirairay. Tsy afaka manilika atsy sy aroa. Raha zava-dehibe ny fanavaozana ny saina dia ho mora ny lazain’ny mpanoratra ny Romana eto hoe « Mifalia amin’ny fanantenana ».

Inona moa no atao hoe fahoriana ? Raha raisina amin’ny lohateny sy ny tanjon’ny ACAT  dia maro ny fahoriana.       Ho an’ireo olona migadra na manakaiky izany no ho raisina.

Misy dia misy tokoa ireo olona any am-pigadrana noho antony maro : fanakihanana fitondrana, fitenenana heverina ho diso tafahoatra, fitadiavana ny marina, fangatahana fanatsarana,fifanazavana, fandavana ny fanomezana fananana toy ny tany, fanendrikendrahana …   hampijaliana amin’ny fomba maro samihafa ny migadra.Misy koa ny migadra amin’ny tany tsy  misy ady. Misy ny mihiditra an-tranomaizina  ary tsy amin’ny antony mazava. Ny mpampijaly tsy mifidy na lahy na vavy. Misy aza ankizy mety hiharan’izany. Izay hampihorohoro ny sain’ilay nogadraina no ataony mba hahalemy azy. Ao ny lasa poha-maso, ao ny tsy misy nify intsony, ao ny maratra ary tsy maharay tena, ao ny tsy mihinan-kanina.

Maro koa ny fikambanana miezaka ny hanavotra an’izy ireny nefa dia tena sarotra.Ary sarotra koa ny teny eto amin’ny epistily satria azo lazaina ve fa tokony hiharitra izany nefa tsy rariny. Na dia atao aza hoe : Jesosy koa tety an-tany dia tena nampijalina tokoa ary niafara tamin’ny fahafatesana. Ary io fahafatesan’i Jesosy io indrindra no hamphatsiahivina ny kristiana mba hiady ho an’ny fanafahana ny hafa. Tsy mbola foana eto an-tany ny hevi-dratsin’ ny mpanao fanahinina hampijaly fa anjaran’ny kristiana koa ny tsy manaiky izany. Tsy mitovy ny fampijaliana sy fahoriana.Ity faharoa dia mikasika ny saina sy fanahy. Ary ny fampijalina dia miteraka fahorian-tsaina ho an’ny migadra sy ny fianakaviany na ny namany.Ilaina izany ny fanohanana sy fanampina izay nogadraina tsy amin’ny rariny. Koa ahoana izany no andraisantsika eo amin’ny amin’ny fiainana ny dikan’izany hoe « Miareta amin’ny fahoriana » ?

Mahareta amin’ny fivavahana.Eo anatrehan’izany fahasarotan’ny fiainan’ny mpigadra izany dia antsoin’ny mpanoratra ny epistilin’ny Romana isika hivavaka. Ny vavaka dia azo atao amin’ny fomba maro. Miaraka amin’ny kristiana rehetra. Na irery. N’aiza n’aiza. Ao anatiny fo, mangina ka ny saina ihany no miventsoventso. Ny vavaka dia teny iarahan’ny rehetra resahina amin’Andriamanitra. Fifampiresahana ny vavaka. Misy vavaka mivaly vetivety ary misy tsy mivaly mihitsy. Tsara dinihina anefa izany.

Ny vavaka ho an’ireo ory any am-pigadrana dia mampiseho fa tsy hadino izy ireo na ny fianakaviany. Mivavaka ho an’ny olona tsy fantatra koa aza. Zava-dehibe izany hoe : misy olona any mahatsiahy anao.Ny vavaka dia fotoana hifanaovana tamin’Andriamanitra.Hifanatrehana aminy. Fotoana famolahan-tena hanatanterahana ny asa niantson’Andriamanitra antsika. Ireny vavaka atao ireny no manetsika olona hafa koa izay tsy fantatsika hiasa hanatanteraka izay tsy vitantsika. Na amin’ny teny na amin’ny asa.

Tsy lany andro ny fifaliana amin’ny fanantena raha atao am-pitiavana izany satria ny asa atao ho an’izay migadra tsy an-drariny dia tsy fitadiavana vola na voninahitra fa asa hiantson’Andriamanitra antsika. Fa ao amin’ny endrik’io nigadra io koa no hahitanao ny endrik’Andriamanitra.

Na dia mandroso sy miroborobo aza ny fahaizana sy ny hery misy eto amizao tontolo izao dia tsy manakana ny fisin’ny fahoriana izany. Jereo ny tantaran’i Abela sy Kaina. Fa anjaran’ny tsirairay ny mahatsiaro fa io olona mifanatrika aminao io koa dia zanak’Andriamanitra ary mitovy zo aminao.

Antsoina isika hiasa fa tsy hanao ilay fomba fiteny malaza hoe : «  aleo izahay hipetrapetraka  ka hanana ny fahasambarana ». Sao mahafaty fa aleo ataon’ny hafa ny fanavotana.

Rehefa nanao ny asanao ianao dia mivavaha misaotra an’Andriamanitra fa raha tsy Izy tsy tanteraka izay nataonao , eny fa na dia ny fikasanao aza.

Mifalia amin’ny fanantenana.Miareta amin’ny fahoriana. Mahareta amin’ny fivavahana.