Ny raiko ? Tanora dia tanora

Faly ery nandray ahy moramora

Nakekeziny ny tratrany

Nofefeny tamin-tsandriny

Safoiny malefaka ny lohako

Norokorohony ny tarehiko

Mba hahitako torimaso

Ary tsy hisy ranomaso

Ireo tanany roa niasa fatratra

Nitandrina ahy hiala sasatra

Injay ny feon’ny raiko

Teo an-tsofinko lalaiko

Hira ho an’ny zanaka amam-para

Tena tiako fa hay aho tsy diso anjara

Ny raiko ? Namisavisa ny ho avy

Ho an’izay rehetra taranany

Sy ireo rehetra havany

Nomeny laka ny fianarana

Ny zanany nankato ny fananarana

Tsy mba nisy ny nandramatra

Fa niaina tena sambatra

Androany natolony ny penina

Ho lova-pitenenana

Efa tonga ny fotoana : Soraty

Aza miambahamba sao maty

Raiketo an-tsoratra ny tantara

Hampitao fa misy izay ambara

Tsy hiverina ny andro, ny volana, ny taona

Mirosoa hatrany mazotoa foana

Ireny ny felan-taratasy

Fenoy amin’ny teny malagasy

Ny raiko ? Efa antitra izy izao

Fa mbola matsilo saina tahaka anao

Nampianatra ny hanisa

Fa tsy hisy disadisa

Ny fitantanam-pirenena

Ka tsy hisy hivembena

Nitarika izy adihevitra

Mba hanaitra ny eritreritra

Nohenony ny vaovao eran-tany

Nampitandrina Izy ny amin’ny ho avy

Ny fandraisana ireo namana

Mamorona famadihana

Hiodina fandrimpahana

Tsy mitsahatra mamafy ny teny

Fa fofomanitra hatrany ireny

Ny raiko ? Efa nodi-mandry izy izao

Fa ho gaga angamba ianao

Isan’andro izy miresaka amiko toy izao.