TENY HOVAKIANA

APOKALIPSY 11 :15-19, 12 1-18

I KORITIANA 15 : 20-28

LIOKA 1 :39-56

Nianjera alahady ny 15 aogositra tamin’ity taona ity. Ny 15 aogositra moa dia fotoana fahatsiarovana ny niakaran’i Masina Maria tany an-danitra. Noho izany dia fotoana lehibe tokoa ho an’ny katolika izany fotoana izany. Isan’ny mampisaraka ny protestanta sy ny katolika ny resaka mikasika an’i Maria. Ny teny voalahatra ho dinihina androany dia ny hira nataon’i Maria fony Elisabeta namangy azy (magnificat). Avelatsika kely ny fandinihina ireo teny ireo fa andeha ho jerena iza marina moa I Maria.

Ho an’ny Katolika dia mipetraka ho mitovy amin’Andriamanitra Maria, ary ny hilazana azy ho renin’Andriamanitra dia mazava ho azy fa mandika izany. Isan’ny anarana tian’ny katolika ny anarana hoe Maria. Ary na dia lehilahy aza dia nampiana hoe Marie ny anarana. Hita izany amin’ny hoe : Jean-Marie, Pierre-Marie, Christian-Marie.

Ho an’ny protestanta indray dia tsy manana toerana mihitsy I Maria hany ka na dia ny anarana ny zaza vao teraka aza dia tsy asiana Maria sao heverin’ny olona ho katolika. Noho izany dia vitsy mba tsy ilazana fa saika tsy misy ny protestanta manana anara hoe : Maria. Nefa dia betsaka ny mandray anarana ao amin’ny baiboly toa ny hoe Sarah, Rahely, Myriam, Rota, Marta sns…

Marina fa misy izay tsy eken’ny protestanta mikasika an’i Maria toa ny Immaculée Conception ohatra izay vao tamin’ny taona 1854 no naneken’ny katolika azy na ny Assoption izany vao tamin’ny taona 1950. Nefa ny fikizizana hanohitra ny fanindraindra be hataon’ny katolika mikasika an’i Maria dia mahatonga ny protestanta handà izay voasoratra ao amin’ny baiboly. Tokony ho ekentsika fa misy fahadisoana ao ary tokony hanaiky handinika indray ny baiboly isika indrindra ny Testamenta Vaovao mba hahafantaratsika misimisy kokoa an’ity Maria ity izay hananatsika olana amin’ny fiarahana amin’ny katolika.

Ny protestanta dia mandà ireo foto-pinoana izay heveriny fa tsy mifanaraka amin’ny Baiboly : ny filazana an’i Maria ho olomasina ohatra satria amin’ny protestanta rehefa voavonjy dia mitovy daholo ny olona, ny Immaculée conception izay milaza fa tsy nihatra tamin’i Maria ny fahotana nifandovana (péché originel), ny niakaran’i Maria tany an-danitra, ny nijanonan’i Maria ho virjiny mandrapahafatiny sns… Etsy an-danin’izany kosa anefa dia toa fanahinin’ny protestanta alana mihitsy ny mikasika an’i Maria, ary raha azo natao aza dia ho tsy notenenina mihitsy ny momba azy. Izay fihetsika izay ve tsy manalana ilay maha-olombelona an’i Jesosy. Marina fa Jesosy no zava-dehibe ao amin’ny Filazantsara nefa koa dia misy lehilahy sy vehivavy maro ao izay azo alaina tahaka tokoa ny momba azy. Ary nahoana raha raisina ho ny iray amin’ireny I Maria. I Paoly apostoly tsy dia nilaza firy ny momba Maria. Ny hany hahitana resaka momba ny renin’i Jesosy dia izay voasoratra tao amin’ny Galatiana 4/4. Tsy dia mahagaga izany satria na dia ny tantaran’i Jesosy teto an-tany aza tsy dia mba hahitana firy izany ao amin’ny epistily nosoratany. Ny tantaran’i Jesosy noresahan’i Paoly dia ny nahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana. (I Koritiana 2/2).

Raha mijery ny Filazantsara indray isika I Marka dia tsy nitantara ny nahateran’i Jesosy, izany hoe tsy niresaka na dia kely akory ny momba an’i Maria izy. Nambarany aza fa tsy dia nomen’i Jesosy lanjany loatra ny reniny sy ny mpiray tampo aminy raha nitady Azy, satria nolazainy fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no reniny sy mpiray tampoa aminy. Ilay Maria voalazan’i Marka fa renin’i Jakoba kely sy Josesy teo apototry ny hazo fijaliana araka ny mpandinika dia I Maria renin’ny Tompo saingy tsy noresahan’i Marka ho izany. Ho an’i Lioka sy Matio izay hany mitantara ny nahaterahan’i Jesosy, izany hoe miresaka momba an’i Maria, I Maria dia ilay tovovavy avy any Nazareta izay fiasana nahatonga ny filazantsara ho tafiditra ao amin’ny fiainantsika. Izay nasongadin’i Matio ny momba an’i Maria dia mitovy amin’ny any Josefa koa. Tazana ao mantsy ilay fahasoavan’Andriamanitra. Tovovavy tso-piainana bevohoka tsy manam-bady nanaiky hitondra vohoka ny zanak’Andriamanitra (mère porteuse). I Lioka dia nanambara mihitsy fa noharabain’ny anjely izy noho izany : « Arahaba ry ilay nasohavina » (Lioka 1/28). Tamin’i Lioka tao amin’ny fiainan’ity tovovavy tsy fantatra akory avy ao Nazareta no niasan’Andriamanitra hitondra fanavaozana sy famonjena ho an’Izao tontolo izao ary ny taranaka mifandimby dia hihira izany. Na izany aza tsy midika akory izany fa ny reny na ny rain’i Jesosy dia manana tombony noho ny hafa. Hoy ny tantara vaorakitra tao amin’ny Filazantsara araka an’i Lioka : « Nisy vehivavy anakiray tao amin’ny vahoaka niantso ka nanao hoe  ; »Sambatra ny kibo izay nitondra Anao sy ny nono izay ninoanao ». Fa Izy nanao hoe : Eny tokoa, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany  » ( Lioka 11/27-28).

Ho an’i Jaona kosa I Maria dia isan’ireo izay nahatonga ny fampanantenana nataon’Anriamanitra ho tanteraka. Na izany aza ny maha-renin’i Jesosy azy tsy midika ho hananany tombony amin’ny hafa fa tahaka an’i Marka koa dia milaza ny amin’ny fianakviana vaovao I Jaona ka izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no ho ao anatiny.

Fa misy ireo soratra apokrifa izay milaza zavatra betsaka momba an’i Maria. Ary raha dinihina dia avy amin’ireo no nakan’ny katolika ny foto-pinoana momba an’i Maria. Izay tsapa anefa dia toa fihezahana tsy hampitondra an’i Maria ny fahatsotsatsika ihany no hita ao. Afatoka amin’i Maria daholo ireo zavatra nofinofitsika : fahadiovana, fahamasina, tsy fisina petina, mpanalalana sns… Ho famaranana dia mametraka fanotaniana aho hoe : Iza moa hianao ry Maria. Ilay Maria izay nahatonga ny sasany ilaza fa raha tsy mitondra ny medailleny izy dia mahatsiaro very satria miantoka ny fiainana iny, sa ilay Maria somary hankahalaina aza fa heverina ho maka toerana be loatra mihoatra an’i Jesosy aza ? Ny tsirairay no mamaly izany.