Mihena isa angaha ny vatan-dehilahy

Ka tsy nahatohatra ny asa ratsin’ireo jiolahy

Loza be mananontanona ho an’ny tanana

Namporisika ny olona ao tsy ho tamana

Basy no nasehony ho entiny hadromba

Fa toa izany hono no lasa fomba

Maro ny manantena fa hisy ny mpiaro

Kanjo nanjavona izy ireny fa efa lasa nifangaro

Injay hono fa mitsaika ny mpitandro filaminana

Efa tara re fa tsy misy ny ho hampirimina

Ny ray sy reny nidaboka tapadoha no tratra

Nisy zanaka voatifitra ka maty, ny sasany naratra

Ny sisa tsy manana fiadina voatery nandositra

Saika afaka ny aina ary tena mangovitra

Mitsaoka tahaka entin’ny ambalavelona

Kay ireto namono efa tsy olombelona

Iza hono ireo olona nandripaka ny tanana

Tsy miafina fa olona iray firenena amin’ny tena

Ireny mivezivezy,  tsy miraharaha rizalahy

Notapahiny ny tadin’ny maha-mpirahalahy

Fa nahoana hoy aho manongo-tena

Nisy nampanantena izy ireny fa hoe : hanakarena.