Reko fa any lavitra any

Fanagejana mafy ny tany.

Ny manam-pahefana nifandimby

Nandrapaka  harena sarobidy

Naroso ho an’ny mpividy

Ny  firenena toy ny biby.

 

Tsy naharitra ny vahoaka

Tsia, tsisy mamon’ny toaka

Nimenomenona vao maraina

Nitabataba sy nitaraina

Niantso mila ho ritra aina

Aiza ny fanananay ?

Aiza re ny taninay ?

 

Voa koa ny tany ankilanay

Mafy sy mangidy, tena mamaivay

Ny mpitondra namoaka didy

Hampangina ny fara sy dimby

Hanamontsana

Ny tsy manana

Hisy gadraina

Hampitahotra

Hampangovitra

 

Tonga saina ny tanora

Nofadiny ny handrora

Fa niroso mora aloha

Ka nampiasa ny atidoha

Naneso ny mpifehy lehibe

Fa  ireo mampihomehy

Tsy manam-basy ireny

Fa tanana no entiny

Mifady ny hitondra sabatra

Izay no ataony mba ho fantatra

Hahatonga firenena sambatra

Hianoka ny fandresena

Ka fifaliana hatrany

Dia ho lasa ny tomany

Hay miodina ny tany !