(Tononkalo vitsivitsy mandritra ny volana Jona 2017)

 

Lasa ny masoandro

Manao veloma ny andro

Mamitsaka ny olona

Mametraka ilay tolona

Misaina fahanginana

Fa tsy fitarainana

Miaro ny fanahy

Satria mampanahy

Ny fiainana miha-hety

Ka tsy ho voatety

Ilay nosinay

Ilay taninay

Ho diovina

Ho harovana.

Eto aho milafika

Toy ny mpiantafika

Kanjo…

Misioka ao anatin’ny tena

Ny herin’ny fanantenana

Faingana

Miarena !