Isaorana Andriamanitra Tompon’ny aina mbola manome tombon’andro ho anao Reny, ho antsika Reny. Tsy voavidy vola izany fanomezana izany.Fahasambarana lehibe tokoa.

Fa misy ny Reny tsy miaina tahaka izany. Mahatsiaro fa mangidy ny fiainany.

Satria tratran’ny aretina na marary saina na kilemaina ka narian’ny fianakaviany. Tena misy izany.

Ao ny reny namoy ny zanany noho ny antony maro.

Tao ny zanany na lahy na vavy ka voaolana ary nanamparany ny olona ny herisetra farany izay mahatsiravina sy mampahory ary mahafaty. Tena misy izany.

Ao ireo zazavavy nisy nangalatra ary lasa Reny tsy fidiny any amin’izay misy azy ary tsy fantatry ny fianakaviany akory.Tena misy izany.

Tao ny namoy ny zanany teo am-piterahana noho ny fahasarotany. Ka tsy nanana zanaka intsony taty aoriana. Ary tsy mahare ilay feo hoe : Neny, Neny. Tena misy izany.

Ao ireo Reny any amin’ny tany misy ady sy fanenjehana samihafa ka voatery mitsaoka ary indraindray aza misaraka tsy fidiny amin’ny zanany.Tena misy izany.

Ao ny Reny izay noratrain’ny zanany ny tenany noho ny fiheverany fa azo hampiharina amin’ny reniny ny fahefany sy ny heriny. Tena misy izany.

Misaora an’Andriamanitra ho anao Reny izay mahatsiaro ny fahasoavana mitobaka aminao sy amintsika.Fa aza hadino ireo Reny izay voatanisa ny fahoriana mianjady aminy.

Ao koa ireo vehivavy maniry ho reny nefa tsy afaka mitoe-zaza.Tena misy izany. Ary aza mitsara.

Raha hira sy fifaliana ny anao sy antsika, alahelo sy ranomaso ny an’ireo Reny havantsika ireo. Anjarantsika ny mivavaka ho azy isan’andro koa mba hahitany fahazavana eo amin’ny fiainany.

Aza variana amin’ny sakafo be sy « ny cadeau » fa any ho any misy mijaly ny Reny maro. Ao ny mila ho fatin’ny hanohanana tahaka ny ao Soudan Atsimo fa tsy misy intsony ny sakafo ary simban’ny fahavalo ny voly. Ny zaza mihamalemy.Maro ny mila vonjy ny Reny. Koa ianao, isika izay faly sy matanjaka mitodika amintsika ny Tompo, Izy no miantso hiasa sy hivavaka ho an’ireny Reny izay mila tsy hahaleo-peo  akory. Mivavaha hoy ny Tompo aza mitsahatra.Tsy anio ihany fa isan’andro. Manantena anao ilay Nahary anao fa hamaly ny antsony ianao. Androany ? Rahampitso ?  Enga anie hipololotra ny vavaka ataontsika.Ary irina tsy hirotsaka intsony ny ranomason’ny Reny izay mijaly.

« Indro Izaho momba anareo mandrakariva mandrapaha-tapitr’izao tontolo izao hoy ny Tompo » Matio 28 :20